Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 09 August 2025

MOFON'AINA SY RANΟΝ'ΑΙΝΑ

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 15:22-16:36, Gen. 3:1-6, Eks. 17:1-7, 1 Kor. 10:4, Eks. 18:1-27, 1 Kôr. 10:11.

Tsianjery:

"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalako? Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito." - Eks. 16:28-30.

Taorian'ny nandaozan'ny Isiraely ny tany Egypta, dia niainga ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, izay tsy fantany, izy ireo. Dia lavitra sady sarotra no niandry ny vahoaka, ary nila nianatra lesona vaovao maro be izy ireo. Vonona ny hitari-dalana sy hiahy azy ireo ny Tompo; ary niriny tokoa ny hanampy azy ireo hitombo, saingy tsy maintsy nianatra fitsipi-pifehezana izy ireo, ny fifehezan-tena, ny fahafoizan-tena, ny tsy fitiavan-tena, ny fitokiana amin'ny Tompo, ary indrindra koa ny fankatoavana.

Mpitarika hita maso i Mosesy, ary tsy maintsy nanaraka azy sy ny torolalana omeny ny olona raha te handresy. Niankinan'ny ain'izy ireo ny firaisana, ny firaisan-kina sy ny fifanampiana amin'ny maha-fiarahamonina azy. Sakantsakana sy zava-tsarotra maro no niandry azy ireo. Miankina amin'ny fomba flatrehany ireo fotoan-tsarotra ireo sy ny fandraisany an'i Mosesy ny ampahany betsaka amin'ny fitomboany ara-panahy, indrindra rehefa mihabetsaka ny olana.

Misy ohabolana sinoa malaza manao hoe: "Ny dia an'arivo kilaometatra dia manomboka amin'ny indray mandingana." Mifanaraka amin'ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita io ohabolana io, ary nila nitoky tamin'ny torolalan'ny Tompo izy ireo tamin'ny dingana tsirairay nataony. Indrisy fa araka ny ho hitantsika dia tsy mora ny nianaran'izy ireo izany lesona izany.

Kanefa, iza moa no mahay izany mora foana?

*Famerenana ny lesona ny sabata 16 Aogositra.

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.

Daty
Alahady 10 August 2025

IREO LALÀN'NY FANEKENA

Rehefa nanome ny lalàny tao Sinay Andriamanitra, dia nametraka fototra mba hampianarana ny vahoakany mikasika ny fomba mety hananan'izy ireo fiainana masina amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy. Kanefa natao hampiharina teo amin'ny fiainana andavanandro ireo fitsipiky ny lalàna, koa nanome lalana fanampiny azy ireo Andriamanitra, ilay antsoina hoe "Bokin'ny lalana". Anjaran'ny mpitsara ny miandraikitra sy manara-maso ny fampiharana ireo lalàna ireo araka ny tokony ho izy.

"Tsy vonona hankamamy ireo fitsipika feno hevi-dalina voaafina ao amin'ireo didy folon'ny lalan'Andriamanitra akory i Isiraely, fa efa donto sy simban'ny fanandevozana elabe sy ny fifampikasohana tamin'ny fanompoan-tsampy ny sainy. Nomen'Andriamanitra didy fanampiny hoenti-manazava ny hevitra raketiny sy ny fanatanterahana izany izy mba hanampy azy hahafantatra bebe kokoa ny toetrany sy ny fitandremana izany. Nantsoina hoe 'Bokin'ny lalåna' ireny didy fanampiny ireny matetika, satria voalohany, nodinihina tamim-pahendrena sy fahamarinana fatratra izy ireny, faharoan'izany, raha hamoaka didy ny mpitsara, dia tsy maintsy mijery azy. Nisaraka tamin'ny didy folo izy ireny, ka i Mosesy no nampita azy tamin'ny olona." - PM, ed. 1985, t. 296.

Vakio ny Eks. 21:1-32. Inona avy ireo fitsipika manokana nomena momba ireo andevo Hebreo, ny vonoan'olona, ary ny ratra ara-batana?

Toko maromaro no manoritsoritra izay voalaza ao amin'ny Bokin'ny lalana (Eks. 21:1-23:19). Navoaka ireo didy amam-pitsipika rehetra ireo mba hampitsaharana ny fihanaky ny faharatsiana sy hampirindra ny fiarahamonina.

Miavaka tokoa ireo lalàna momba ny fanandevozana ary tsy tokony hafangaro amin'ny fanao ratsy sy feno halozana araka ny fanandevozana moderina na tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany. Ny andevo Hebreo dia tena narovana sy nomen-danja. Teo amin'ny fiaraha-monina moderina sy tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany, ny mpanompo sy ny andevo dia fananan'ny tompony, izay afaka nanao izay tiany tamin'izy ireo. Tsy mba toy izany kosa ny lalana ara-Baiboly. Voafetra ho enin-taona ny fanompoana (Eks. 21:1,2; Jer. 34:8-22), ary ny taona fahafito dia tsy maintsy nafahana ny andevo rehetra raha tsy hoe angaha te hijanona miaraka amin'ny tompony izy. Tsy maintsy nanome azy ireo Sabata tsy hiasana koa ny tompony (Eks. 20:9,10), ary nanome azy ireo zavatra fototra ilainy amin'ny fiainana.

Na dia efa nofoanana ara-dalana aza ny fanao ratsy amin'ny fanandevozana any amin'ny ankamaroan'ny firenena eto amin'izao tontolo izao, dia inona avy ireo fomba ratsy sasany mbola misy hatrany mandraka ankehitriny, ary inona no azontsika atao eo amin'ny faritra misy antsika, mba hiadiana amin'izany?

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.

Daty
Alahady 10 August 2025

RANO MANGIDY

Ao amin'ny fitantarana ara-Baiboly dia samy manana ny anjara asany, na tsara na ratsy, ny olona tsirairay, ary ilaintsika ny mandinika tsara ny fizotry ny tantara sy ny tontolon-keviny, ny toerana, ny fotoana, ary ny olon-dratsy ao. Kanefa, matetika ny teboka manan-danja indrindra ao amin'ny tantara iray dia ny vahaolana sy ny lesona raisina avy aminy. Toy izany koa ny amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly.

Araka ny asehon'ny fandehan'ny tantara dia Andriamanitra no Mpamaha ny olana sy Mpampihavana. Sarotra anefa ny asany noho ny tsy finoan'ny olona. Tojo fahasarotana lehibe ny Hebreo, eny loza aza, noho ny fimonomononany sy ny tsy fankatoavany. Nahatonga zava-tsarotra maro ho an'ny tenany izy ireo noho ny tsy finoany sy ny tsy fibebahany.

Vakio ny Eks. 15:22-27. Taorian'ny niampitana ny Ranomasina Mena, inona ny tontolon-kevitra nisehoan'ny fahagagana voalohany nataon' Andriamanitra?

Nifandray tamin'ny tsy fahampian'ny rano ny fizahan-toetra voalohany ny finoan'ny Isiraely, izay tsy mahagaga raha jerena ny tontolo karankaina sy mafana tany an'efitra nisy azy ireo. Nahita rano ihany ny vahoaka rehefa avy nanao dia an-tongotra hateloana, nefa tsy azo nosotroina izany. Ny Mara dia midika hoe "mangidy", ary satria nangidy ilay rano, dia rava vetivety foana ny finoan'ny Isiraely Ilay Tompo mpikarakara azy. Na izany aza dia nangoraka azy ireo Andriamanitra, ary ny fahagagana voalohany dia natao tamin'ny alalan'ny tapa-kazo. Mazava loatra, tsy ny hazo fa ny Tompo no nanova ny rano ho mamy sy azo sotroina. Tsy maintsy nianatra lesona manan-danja ny olona: (1) ny faharetana eo am-piandrasana ny fotoana voatendrin'ny Tompo, ary koa (2) Andriamanitra dia miara-miasa amin'ny olombelona.

Saingy nataon'ny zanak'Isiraely fa efa tokony ho azy rahateo ny zava-tsoa maro, ary vetivety foana dia hadinony ireo fahagagana lehibe nataon'Andriamanitra ho azy, izay vao avy niderany an'Andriamanitra tamin-kafanam-po tokoa, hoe: "Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'lzay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?"- Eks. 15:11.

Na dia taorian'ny fimonomononan'izy ireo aza anefa, dia nanome toky azy toy izao Andriamanitra: "Isy hisy hataoko aminao ireny areti aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana" - Eks. 15:26. Hiaro azy ireo Izy. Nety ho tanteraka teo amin'ny fiainan'izy ireo tokoa izany teny fikasana izany raha nitoetra ho mahatoky Taminy izy ireo.

Inona avy ireo fitsapana sy ady sarotra natrehinao vokatry ny nataonao ihany? Tsy mampahery anao ve ny fahafantarana fa mbola hitahy anado hatrany Andriamanitra raha manalky miara-miasa Aminy ianao?

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.

Daty
Alatsinainy 11 August 2025

NY PAPELIKA SY NY MANA

Indrisy, hita miverimberina manerana ny tantaran'ny dian'ny zanak'Isiraely ny fikomiana. Mazava fa hadinon'ny olona ny namonjen'ny tana-maherin'Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa, sy ny namahany ny olany. Navelany hanajamba ny tenany tsy hahita ny tanjona farany sy ny hoavy mahafinaritra nampanantenaina azy ny olana nahazo azy ireo. Mateti-pitranga izany na dia eo amin'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny aza.

Vakio ny Eks. 16:1-36. Inona no tsy nahafaly ny Isiraelita, ary inona no nitranga taorian'izany?

Zava-dehibe ny manamarika fa mifandray amin'ny sakafo matetika ny fakam-panahy ao amin'ny Baiboly. Tao amin'ny Saha Edena, ny Fahalavoana dia nifandray tamin'ny fihinanana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay voarara (Gen. 2:16,17; Gen. 3:1-6). Rehefa nalaim-panahy tany an'efitra i Jesosy, dia momba ny sakafo ny famelezana voalohany nataon'i Satana taminy (Mat. 4:3). Very ny fizokian'i Esao noho ny fitiavan-komana tsy voafehy (Gen. 25:29-34). Impiry moa ny tsy fankatoavan'ny Isiraely no nifandray tamin'ny sakafo sy ny zava-pisotro! Tsy mahagaga raha nampahatsiahy ny taranaka taty aoriana i Mosesy hoe: "Tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehôvah no iveloman'ny olona." - Deo. 8:3.

Mazava loatra fa ny mana dia mofo avy any an-danitra, izay nomen Andriamanitra ny Isiraelita nandritra ny 40 taona nirenireneny tany an'efitra. Tamin'ny alalan'io fanomezana io no nampianaran'ny Tompo azy ireo fa Izy no Mpamorona sy Mpanome ny zavatra rehetra. Nentin'Andriamanitra nanehoana ny fomba fitandremana ny Sabata andro fahafito koa ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fandrotsahana ny mana tamin'ny fomba mahagaga.

Nisy fahagagana efatra nitranga isan-kerinandro: (1) nanome anjara mana sahaza hohanin'ny olona isan'andro Andriamanitra nandritra ny dimy andro, (2) avo roa heny no nomeny isaky ny zoma; (3) tsy simba ny mana izay notehirizina ny zoma alina ka hatramin'ny Sabata maraina; ary (4) tsy nisy mana nilatsaka tamin'ny andro Sabata. Nataon'Andriamanitra tsy tapaka ireo fahagagana ireo mba hahatsiarovan'ny olona ny andro Sabata sy hankalazany ny fahatsaran Andriamanitra rehefa tonga io andro io. Hoy Andriamanitra: "Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata." - Eks. 16:29.

Tia mihinan-kanina ny olona. Noforonina isika mba ho tia izany. Ny sakafo manana amby ampy nataon'Andriamanitra maniry sy mandrobona amin'ny tany (izay sakafontsika hatrany am-piandohana) dia tsy vitan'ny mampiseho fa tian’Andriamanitra hihinana isika, fa natao ho tia izay hohanintsika koa isika. Nanjary nanaram-po tafahoatra tamin'ity fanomezana mahafinaritra ity anefa ny olona, dia ny sakafo (sy ny fitiavana azy); ami n'ny fomba ahoana?

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.

Daty
Talata 12 August 2025

RANO AVY AMIN'NY VATOLAMPY

Ilana rano betsaka tokoa any amin'ny tany efitra. Namaha io olana io Andriamanitra, na dia be monomonona aza ny vahoaka ka tsy natoky Azy sy naka fanahy Azy mihitsy mba hahitany raha mahay sy vonona tokoa Andriamanitra hanome rano azy ireo. Nanembona an'i Egypta izy ireo tao anatin'ny tsy finoany.

Vakio ny Eks. 17:1-7. Inona no lesona tokony ho noraisin'ny olona tamin'ity tranga ity?

Nantsoin'i Mosesy hoe Masa, izay midika hoe "fakam-panahy", sy Meriba, izay midika hoe "ady" ilay toerana. Nanome rano ho an'ny Isiraelita ny Tompo na dia tsy nino aza izy ireo. Tokony ho nampahatsiahy ny Isiraelita ireo anarana roa ireo mba tsy haka fanahy an'Andriamanitra na hiady Aminy (Heb. 3:7,8,15). Nisalasala ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra tokoa izy ireo, na dia efa nahita porofo mivaingana maro momba ny fanatrehany sy ny heriny ary ny fahefany aza.

"Mosesy tokoa no nikapoka ny vatolampy. Fa ny Zanak'Andriamanitra izay nitsangana teo anilany no nampiboiboika ny rano velona, saingy tsy hita fa takon'ny andri-rahona. Niara-nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra teny lavidavitra teny i Mosesy sy ny loholona ary ny fiangonana manontolo, ary nanaiky fa raha tsy teo ny andri-rahona, dia ho faty izy tamin'ny firefotry ny famirapiratan'Ilay miafina ao anatiny." - PM, t. 282, ed 2014 (np).

Tandindon'ny fiainana ny rano satria, raha tsy misy rano, dia tsy misy fiainana. Mila rano ny sela rehetra ao amin'ny vatantsika. 60 isan-jaton'ny tenantsika no rano. Na ao amin'ny taolantsika aza dia misy rano. Araka izany, ny fanomezana rano ho an'ny Isiraelita tany an'efitra dia famantarana ho azy ireo fa miahy sy mihevitra izay ilainy Andriamanitra, ary azon'izy ireo nitokiana Izy. Kanefa eto indray, tsy maintsy nankato izy ireo.

Taonjato maro tatý aoriana dia mampahatsiahy ny mpino i Paoly, ao amin'ny 1 Kôr. 10:4, fa miavaka tokoa ny fanandramana niainan'ny Isiraelita tany an'efitra. I Kristy mihitsy no tsy vitan'ny hoe nitarika azy ireo, fa nanome azy rano koa (Sal. 78:15,16), sy nanome izay nilainy hafa, na ara-panahy na ara-batana. Hoy i Paoly: "Kristy izany vatolampy izany". Ho azy ireo, Loharanon'ny fiainana sy Mpanome fiainana mandrakizay i Kristy. Toy ny vatolampy miorina mafy, dia toy izany koa ny fitarihan'Andriamanitra ny vahoakany. Azo ianteherana Izy satria mitana ny teny fikasany mandrakariva.

Amin'inona avy no ilanao fitokiana amin'Andriamanitra ankehitriny? Ahoana no hianaranao milefitra amin'ny sitrapony sy miandry Azy hiditra an-tsehatra amin'ny fotoany? Nahoana no tsy mora mandrakariva ny manao izany?

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.

Daty
Alarobia 13 August 2025

JETRO

Namangy an'i Mosesy i Jetro rafozany, izay antsoina koa hoe Regoela (Eks. 2:18). Nentiny niaraka taminy i Zipora vadin sy ny zanany roa lahy, Gersoma sy Eliezera. Rehefa ren'i Mosesy fa ho avy izy ireo, dia nivoaka niarahaba azy izy.

Vakio ny Eks. 18:1-27. Inona avy ireo dingana lehibe teo amin'ny tantaran'ny firenena nitranga teto?

Tonga i Jetro satria nandre momba ny fanafahana mahagaga nataon' Andriamanitra ho an'ny Isiraely. Notantarain'i Mosesy tamin'i Jetro tamin'ny tsipiriany "izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehôvah azy." - Eks. 18:8.

Nidera ny fahatsaram-pon'Andriamanitra sy ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga ho an'ny vahoakany i Jetro, nanao hoe: "Isaorana anie Jehôvah , Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tànan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitraq rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny." - Eks. 18:10,11.

Ny hitantsika eto dia ohatra maneho fa vavolombelona eo anatrehan'izao tontolo izao ny asan'Andriamanitra teo amin'ny vahoakany, manambara Ilay tena Andriamanitra marina sy ny halehiben'ny zava-bitany ho an'ny vahoakany.

Sady nahazo fahalalana momba Ilay Andriamanitra marina i Jetro, no nanan-javatra atolotra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra koa, dia torohevitra hendry sy mahasoa. Nila nandamina ny rafi-pitsarana araka ireo fitsipika marina sy ara-drariny i Mosesy. Nila mpitsara manolo-tena sy mahatoky izy, dia olona azo itokiana. Notanisain'i Jetro tamim-pahendrena ireto toetra takina manaraka ireto: (1) lehilahy matahotra an'Andriamanitra; (2) marina; ary ary (3) tsy tia kolikoly. Olona mahay sy tsara toetra no natao hotendrena ho mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo, ary mpifehy folo. Amin'izany fomba izany ho hahamaivana kokoa ny andraikitr'i Mosesy eo amin'ny fitantanana, ka afaka hifantoka amin'ny olan-dehibe kokoa izy. Ary ho voakarakara tsara kokoa ny olona.

Neken'i Mosesy ny torohevitra feno fahendrena nomen'i Jetro (Eks. 18:24), koa nanendry mpitarika maro izy hisahana ireo asa fitantanana samy hafa (jereo koa ny Deo. 1:9-18).

Azon'i Mosesy natao ny naneso fotsiny ilay lahiantitra sy nilaza taminy mba tsy hitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa. Saingy tsy nanao izany izy. Inona avy ireo lesona manan-danja azontsika ianarana avy amin'ny fahavononan'i Mosesy hihaino io olona io, izay tsy Hebreo akory?

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.

Daty
Alakamisy 14 August 2025

MOFON'AINA SY RANON'AINA

Vakio ny 1 Kôr.10:11. Inona, araka ny voalazan'l Paoly, ny antony niraketana an-tsoratra Ireny tranga ireny?

Manazava i Paoly fa ohatra sy fampitandremana ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy ny zava-nitranga rehetra tamin'ny Isiraelita, ary hanampy azy ireo tsy ho tratry ny olana efa nahavoa azy ireo; izany hoe, haka lesona avy amin'ny oha-piainany izy ireo. Toromarika manan-danja ho antsika izany, dia isika "Izay niharan'ny faran'izao tontolo izao". Omen'Andriamanitra ny vahoakany ny Fanahy Masina mba hanatanjahana ny mpino amin'ny "fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena" 2 Tim. 1:6,7, mba hahaizan'izy ireo mandray fanapahan-kevitra tsara sy manaraka ny fampianarany. I Jesôsy Kristy no Loharanon'ny fiainana vaovao (Jao 14:6), ary Izy irery ihany no mahay manova antsika "ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra (...). Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:1,2.

Naka fampianarana avy amin'ireo fitantarana ireo i Jesôsy taty aoriana, mikasika ny mana sy ny rano manokana, ka nataony sary an'ohatra ireo nampianarana fahamarinana momba ny Tenany, Izay nitarika azy ireo namakivaky ny tany efitra.

Vakio ny Jao. 4:7-15 sy ny Jao. 6:31-51. Inona avy ireo fahamarinana ambara amintsika eto, amin'ny maha-Kristianina antsika?

Hitan'ilay vehivavy Samaritana fa fanomezana izay tsy ho azony velively any an-kafa no natolotr'i Kristy azy. Avy amin'Andriamanitra ny hetaheta ao anaty, te hahazo fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana; noho izany, Andriamanitra irery ihany no mahay manome fahafaham-po ny amin'izany (Sal. 42:1,2).

Nanazava i Jesôsy, momba ny mana, fa Andriamanitra no nanome izany ho an'ny olona, fa tsy i Mosesy tsy akory. Ary nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana" - Jao. 6:35. Naverin'i Jesosy intelo fa Izy no Mofon'aina (Jao. 6:35,41,48).

Tahaka ny mana tany an'efitra, izay "mofo avy tany an-danitra" (Jao. 6:31,32), dia toy izany koa ny rano avy tamin'ny vatolampy; fanomezan'i Kristy hahafa-po ny hetahetan'izy ireo izany. Ankoatra ireo lafiny ara-nofo ireo, ny mofo sy ny rano dia misy heviny ara-panahy koa, satria i Jesôsy Kristy no "mofon'aina" (Jao. 6:35,48) sy "rano velona" (Jao. 4:10,11,14; Jao. 7:37,38). Ao Aminy irery ihany, noho izany, no tena ahazoantsika izay ilaintsika, hahafaka marina ny hetaheta sy ny hanoanantsika ara-panahy.

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 15 August 2025

Vakio ny "Hatreo amin'ny Ranomasina Mena ka hatrany Sinay", PM, toko 26.

Tsy ela taorian'ilay olana momba ny rano, dia niatrika loza hafa indray ny firenena (jereo ny Eks. 17:8-16) nanafika azy ireo ny Amalekita, izay foko matanjaka sy mahery miady. "Fantatry ny Amalekita ny toetra sy ny fahalehibiazan Andriamanitra; tsy nanome voninahitra Azy anefa izy, fa nihaika ny heriny, ka nihomehezany ny fahagagana nataon'i Mosesy tany amin'ny tanin'ny Egyptianina, nesoiny ireo firenena manodidina izay nihorohoro noho ny tahotra. Nianiana tamin'ireo andriamaniny izy fa haringana tsy hisy intsony ny Hebreo ary nihaika ny hanohitra ny Andriamanitry ny Isiraely izy. Tsy misy antony hanamarinana ny famelezana hataony anefa satria tsy misy fahadisoana na rahom-bava nataon'ny Isiraely hanamelohana azy. Ny fankahalany an'Andriamanitra no nitadiavany handringanana ny olony. Ny avonavon'ny fony sy ny fahadisoana nataony no nihantsy hatry ny elabe ny fahatezeran'llay tsy mitsahatra hitaona azy hibebaka noho ny famindrampony. Nanisy sonia ny famonoana ny tenany i Amaleka, raha namely ny Zanak'lsiraely efa torovana sy tsy nitam-piadiana." - PM, ed. 1985, t. 284.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino ny amin'i Jetro izay nianatra ny momba liay Andriamanitra marina vokatr'izay nataon'Andriarnanitra ho an'ny vahoakany. (Jereo ny Deo. 4:4-8.) Nahoana no marina mandraka ankehitriny io fisehoan-javatra io? Apetraho amin'ny tenanao sy ami n'ny iray kilasy izao fanontaniana izao: Inona no asehontsika amin'izao tontolo izao ami n'ny maha-vavolombelona antsika? Inona no ambarantsika amin'izao tontolo izao momba ny toetra sy ny fomban'llay Andriamanitsika?

2. Vakio indray ny 1 Kôr. 10:4. Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ilay fampianaran-diso fahiny, izay mbola inoan'ny sasany ankehitriny. manao hoe: mpamaly maly faty, feno fankahalana, ary lozabe ny Andriamanitry ny Testamenta Taloha, mifanohitra amin'izay hitantsika ao amin'i Jesôsy ? Ahoana no anehoan'io andininy lo fa diso lo fiheverana io?

3. Vakio indray izay nosoratan'i Ellen G. White etsy ambony mikasika ny nananan'ny Amalekita tombontsoa hahafantatra momba Ilay Andriamanitra marina. Ampitahao amin'ny an'i Jetro ny toe-tsain'izy ireo. Inona avy ireo lesona azontsika raisina momba ny antony nampiharan'Andriamanitra ny fitsarany tamin'izy ireo, kanefa tsy tamin'izy ireo ihany, fa tamin'ireo foko maro fahiny izay nifandraisan'ny Isiraely koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal