Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 21 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 12:38-42; Jona 3:5-10; Apôk . 18:4; Dan. 5:1-31; Apôk. 16:12-19; 2 Tant. 36:22,23.

Tsianjery:

"Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehôvah , Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." - Jona 1:9

Ity herinandro ity no hijerentsika farany ireo tantara izay manampy antsika hahatakatra mazava tsara ny toe-javatra samihafa hiseho amin'ny andro farany. Hojerentsika amin'izany ny iraka nampanaovina an'i Jõna tany Ninive, ny faharavan'i Babilona, ary ny fiakaran'i Kyrosy mpanjaka persianina izay nanafaka ny vahoakan'Andriamanitra sy namela azy ireo hiverina tany amin'ny tany nampanantenaina.

Toy ireo hafa efa nodinihintsika, dia manana heviny lalina ho an'ny taranaka rehetra koa ireo tantara ireo. Ary manokana kokoa ny hevitr'izany ho an'ny taranaka amin'ny andro farany izay velona mialoha ny fiverenan'i Kristy. Izany hoe, azontsika atao ny misintona ampahan-kevitra samihafa avy amin'ireo tantara ireo, izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny atao hoe "fahamarinana ankehitriny."

Etsy andanin'izany anefa, dia misy zavatra iray tokony hotsaroantsika mikasika ireo tantara rehetra ireo, izay toa manambara mialoha ireo toe-javatry ny andro farany: ny hijery amim-pitandremana ireo lohahevi-dehibe resahina sy ireo hevitra entina hampitana izany ka tsy hiezaka hamaofivaofy ny tsipiriany rehetra fandrao haneho fifanipahan-kevitra ao amin'ny faminaniana. Tahaka ny ao amin'ny fanoharana nataon'i Jesôsy no tokony hijerentsika koa ireo hevitra sy fitsipika manan-danja. Aoka isika tsy hitsikera ny tsipirian-javatra tsirairay noho ny fanantenana hahita fahamarinana miafina ao anatiny. Ny tokony hataontsika dia ny mijery ny firafitra sy ny fitsipika satria avy amin'izany no hahitantsika hevitra manan-danja ho an'ny andro farany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 28 Juin.

LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Daty
Alahady 22 June 2025

ILAY MPAMINANY MALAINA

Nisy fiantraikany manan-danja ny tantaran'i Jôna na dia fohy ihany aza (jereo ny Jõna 1-4). Mpino marobe no nahita taratra ny tenany teo amin'ity mpaminany malaina hamita iraka ity. Ahitana fanazavan-dalana mikasika ireo toe-javatra hiseho amin'ny farany koa ao amin'ny tantaran'i Jôna.

Vakio ny Mat. 12:38-42. Ampahany inona amin'ny tantaran'i Jôna no naverin'i Jesosy raha niresaka tamin'ireo mpanora-dalana sy Fariseo Izy? Inona ny lesona momba ny fitsarana hitantsika ao amin'ny fanambarany?

Nambaran'i Jesosy ny maha-lehibe noho i Jôna Azy. Fantany fa ny fahatongavana eto amin'ity tontolo ity dia midika ho hazo fijaliana nefa mbola tonga ihany Izy mba "hitady sy hamonjy ny very." - Lio. 19:10. Nandritra ny telo andro i Jôna no tao an-kibon'ny hazandrano noho ny fahotany ihany, i Jesosy kosa nijanona telo andro tao am-pasana noho ny fahotantsika. Izany no nilaina mba hamonjena ny very.

Amin'izao fotoana izao, dia mpaminany malaina izay nandà tsy hankany Ninive no ahafantarantsika an'i Jôna. Mora ny mahatakatra izany raha ny fomba fijerin'olombelona: fanjakana fatra-pampiasa herisetra ny Asirianina. Feno toe-javatra ahitana habibiana tsy fahita teny amin'ny sarisary manaingo ny rindrin'izy ireo: novonoina tamin'ny fomba feno habibiana indrindra ireo olona azony ho babo. Iza moa no haniry hirahina mba hitory fibebahana any amin'ny renivohitr'izy ireo?

Misy fotoana iray manan-danja ao amin'io tantara io izay azo heverina fa manondro mialoha ny fihetsehana misy ireo sisa amin'ny andro farany: rehefa nanontaniana ny mombamomba azy i Jôna, dia izao no navaliny: "Hebreo aho; ary Jehôvah , Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." - Fanambarana manam-pitoviana amin'ny hafatry ny anjely voalohany izany (Jôna 1:9; Apôk. 14:7). Mazava loatra fa manondro ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra ny fanasongadinana Azy ho Ilay "nanao ny ranomasina sy ny tany maina." Izany no antony lehibe tokony hiankohofantsika Aminy, ary ny fiankohofana dia lohahevitra iray manan-danja ho an'ireo toe-javatry ny andro farany.

Etsy andanin'izany, isika koa dia nampiandraiketina ny fitoriana hafatra iray tsy mamim-bahoaka ao Babilona ara-panahy. Ny filazana hoe: "Mialà aminy hianareo, ry oloko" - Apôk. 18:4 dia midika ho fitoriana fibebahana amin'izao tontolo izao hafatra izay saika niteraka valinteny mitory fandavana mandrakariva avy amin'ny olona izany- eny fa na dia atao amin'ny fomba feno halemem-panahy indrindra aza. Iza amintsika moa no tsy mbola naharay valinteny mitory fandavana na fankahalana mihitsy aza raha nijoro ho vavolombelona? Tsy afa-misaraka amin'io "asa" io izany.

Firifiry amin'ireo toetran'i Jôna no hitanao eo amin'ny tenanao? Ahoana no ahafahanao miala amin'izany toe-tsaina ratsy izany?

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana

Daty
Alatsinainy 23 June 2025

Nanana hafatra manokana ho an'ny vahoakan'i Ninive i Jôna. "Ary Jôna niantomboka nandeha tao an-tanána lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive." Jôna 3:4. Mazava ny toe-javatra eto: voaheloka ilay tanàna. Moa ve izany tsy teny nambaran'ny mpaminanin'i Jehôvah mazava? Inona anefa no nitranga tamin'i Ninive?

Vakio ny Jona 3:5-10. Nahoana no tsy tanteraka indray ilay faminaniana?

Eny tokoa, ilay tanana iray manontolo no nibebaka ka tsy nahatra taminy ny valin'ny fitsarana azy, farafahakeliny nandritra ny fotoana voafetra. "Koa namindra fo tamin'izy ireo Izy. Nankalazaina sy nomem-boninahitra teo amin'ny mpanompo sampy rehetra ny Andriamanitry ny Isiraely, ary nohajaina ny Lalány. Nampalahelo anefa, fa fotoana kely taorian'izany toe-javatra izany, dia lasa rembin'ny firenena manodidina azy i Ninive, fa nanadino an'i Jehôvah izy ka nandeha tamin'ny fiavonavonana." - MM, t. 227.

Azontsika atao ve ny miandry ny hisehoan'ny toy izany amin'ny andro farany, manoloana ny hafatra farany izay hotorina amin'izao tontolo izao lavo? Sady eny no tsia no valin'izany? Izany hoe, marobe ny olona maneran-tany izay handre ny antso hoe: "Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy." - Apôk. 18:4. Manerana izao tontolo izao, dia maro ny olona hisafidy ny hanohitra ilay bibidia ka "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy." - Apôk. 14:12. Tsy hianjera amin'ireny olona ireny, tahaka ireo olona tao Ninive, ny fitsarana hihatra amin'ireo izay very.

Etsy ankilan'izany, ny faminaniana sasany, tahaka ny fanambaran' Andriamanitra momba ny handravana an'i Ninive, dia misy fepetra; horavana ny tanána raha tsy miala amin'ny ratsy ireo vahoaka ireo (jereo ny Jer. 18:7-10). Misy anefa ireo faminaniana izay tsy misy fepetra manaraka azy, tsy maintsy ho tanteraka ireny na inona na inona valiny asetrin'ny olona azy. Tsy misy fepetra ny faminaniana mifandraika amin'ny fiavian'i Kristy voalohany sy faharoa, ny mariky ny bibidia, ny firotsahan'ireo loza, ny fanenjehana amin'ny andro farany; tsy maintsy hitranga ireo na inona na inona ataon'ny olombelona. Ny asa sy ny safidy ataon'ny olona kosa no hamaritra ny toerana hisy azy rehefa tonga ireo toe-javatra farany izay nambaran'ny mpaminany mialoha.

Inona no safidy ataonao ankehitriny izay mety hamaritra ireo safidy hataonao rehefa asaina mifidy ny hiankohoka amin'Andriamanitra na amin'ny sarin'ny bibidia izao tontolo Izao?

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.

Daty
Talata 24 June 2025

Rehefa nampietrena tamin'ny alalan'ny fikambanan'ny tafiky ny Medianina sy ny Babilonianina (izay notarihin'ny rain'i Nebokadnezara) ny tanánan'i Ninive (612 TIK), dia nisondrotra ho amin'ny toerana tsy mbola nisy azy hatramin'ny andron'i Hammourabi, ilay mpanao lalana lehibe teo aminy, ny tanànan'i Babilona. Raha nanapaka i Nebokadnezara, izay tsy niatrika ny olan'ny fanafihan'ny Asirianina intsony, dia nitombo ny haren'ny tananan'i Babilona sy ny hery miasa mangina avy aminy ka tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny hiaiky ny fanapahany ireo firenena nanodidina azy. Tahaka ny mpanjakavavin'izao tontolo izao izy, ary ireo firenena izay naniry ny handroso dia nanambara ny fahatokiany taminy.

Araka ny fantatsika, dia maty tao anatin'ny finoana i Nebokadnezara, izay nanambara fa ny Andriamanitr'i Daniela no tena Mpanapaka marina ny firenena rehetra (Dan. 4:31-34). Tantaran'ny mpandimby an'i Nebôkadnezara no tantarain'i Daniela manaraka, i Belsazara mpanjaka.

Vakio ny Dan. 5:1-31. Inona no hafatra ara-panahy manan-danja azontsika sintonina avy amin'io tantara io? Inona no niteraka ny tsy fahombiazan'i Belsazara tamin'ny farany?

Azo heverina fa ao amin'ny Dan. 5:22 no ampahany mahonena indrindra ao amin'ity tantara ity. Rehefa avy nitantara tamin'ny mpanjaka ny fahalavoan'i Nebōkadnezara sy ny fanarenana azy indray i Daniela dia nilaza izao teny izao taminy: "Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany." Na dia nanana tombontsoa ny hahalala ny fahamarinana aza izy, na dia azo heverina fa nanatri-maso ny zava-nitranga tamin'i Nebokadnezara aza izy, dia mbola nofidiny ihany ny hanao tsinontsinona ireo toe-javatra ireo sy ny handeha amin'ny lalana izay nitondra olana lehibe ho an'ilay mpanjaka nodimbiasany.

Tahaka izay nataon'i Nebōkadnezara raha nanangana ilay sariolona volamena no nanoheran'i Belsazara ampahibemaso ny zavatra nambaran'ilay Andriamanitr'i Daniela mialoha. Tamin'ny fampiasana ireo fanaky ny tempoly tamin'ny fomba feno fanevatevana no nanasongadinany fa resin'i Babilona ny Jiosy ary izy ireo ankehitriny no tompon'ireo fananana ara-pivavahan'ny Jiosy. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia nihevitra ho nanana fahamboniana noho io Andriamanitra io izay nanambara mialoha ny faharavany izy ireo.

Raha ny marina dia fihaikana tanteraka ny fihetsik'i Belsazara na dia maro noho ny ampy aza ny porofo nomena azy mba hahafantarany ny zava-mitranga. Nanana faharanitan-tsaina ampy hahalalany ny fahamarinana izy, saingy ny fony no olana. Amin'ny andro farany, rehefa manoloana an'izao tontolo izao ny fotoan-tsarotra farany dia homena tombontsoa hahalala ny fahamarinana ny olona. Tahaka an'i Belsazara, dia ny fon'izy ireo koa no hamaritra ny safidiny.

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.

Daty
Alarobia 25 June 2025

Zavatra iray anisan'ny nampatanjaka an'i Babilona ny nikorianan'ny onin'i Eofrata tao ambanin'ireo mandany, izay namatsy rano tsy tapaka an'ilay tanana. Izany koa anefa no teboka iray nampalemy azy ireo. I Nitocris, mpanjakavavin'i Babilona fahiny, dia nanamboatra lalana mankao amin'ny tanana teo amin'io ony io; tamin'izany no namiliany ny ony ho honahona mba hanamora ny fahafahan'ireo mpiasa miasa. Takatr'i Kyrosy fa azony atao koa ny toy izany; noritiny ny onin'i Eofrata mba hahafahan'izy sy ny tafiny mandeha ao ambanin'ny manda. Vantany vao tafiditra tao anatin'ny mandan'ny tanána izy, dia hitany fa tsy voambina ireo manda nanamorona ny ony izay namakivaky ny tanana, ka tao anatin'ny indray alina monja no nahalavo ilay tanána. Izao no nambaran'i Hérodote mpahay tantara Grika: "Tsy fantatr'ireo mponina tao afovoan'i Babilona mihitsy fa efa rava ireo tanȧna manodidina azy, satria fotoan'ny lanonana tamin'izay ka nandihy sy nanao izay nahafinaritra azy ny rehetra." - Herodotus, The Histories, Tom Holland, trans. (New York: Penguin, 2015), t. 94. Mety hisy ve ny fisalasalana fa io lanonana io ihany no voaresaka ao amin'ny Dan. 5?

Vakio ny Dan. 5:18-31 sy ny Apôk. 16:12-19. Inona no fitoviana hitanao eo amin'ireo loza ambaran'ny Apôkalipsy sy ny tantaran'ny faharavan'i Babilona?

Izao no nampitandreman'i Jesôsy ireo mpianany raha nanazava ny fomba hahalalana irco faimantarana ny fotoan'andro Izy: "Koa amin'izany miambena hianareo; ta tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha faritatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina." Mat. 24:42,43. Tahaka ny tamin'ny andron'ny faharavan'i Babilona no hanampohan'ny fisehoan'i Kristy an'i Babilona mõderina. Tsy voatery izany anefa no hitranga satria efa marobe ny porofon'ny fiavian'i Jesôsy tsy ho ela nomena antsika tao anatin'ireo famiraniana maro izay nomena an-tsipiriany.

Tsy ny tsy fahalalan'izao tontolo izao ny zavatra nambaran'Andriamanitra mialoha no hanampoka azy fa ny nisafidianany tsy hino ny zavatra nambaran'Andriamanitra fa hitranga.

Vakio ny Apôk . 16:15. Na dia ao anatin'izao fotoan'ny fampitandremana izao aza, inona no hafatry ny filazantsara hita eto? Inona no hevitry ny hoe "hita ny fahamenarana?"

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.

Daty
Alakamisy 26 June 2025

Tapitra ny fotoan'ny fahababoan'ny vahoakan' Andriamanitra rehefa namely ny tananan'i Babilona i Kyrosy, ary navelan'ireo Persianina niverina tany amin'ny tany nampanantenaina izy ireo mba hanorina indray ny tempoly. Ny fanjakana persianina teo ambany fanapahan'i Kyrosy no tonga fanjakana lehibe indrindra teo amin'ny tantara ka notondroin'ilay mpahay tantara Tom Holland ho "faritany midadasika indrindra teto amin'izao tontolo izao hatrizay." Tom Holland, Dominion Basic Books, Kindle Edition, t. 25.

Nantsoina hoe "mpanjaka lehibe" na "mpanjakan'ny mpanjaka" mihitsy i Kyrosy araka ny fomba fanao teo amin'ny Persianina.

Naneho mialoha ny zavatra hitranga amin'ny fiverenan'i Kristy ho an'ny fiangonany i Kyrosy: i Kristy no Mpanjaka izay ho avy avy any Atsinanana (ampitahao amin'ny Mat. 24:27), hiady amin'i Babilona, ary hanafaka ny vahoakany hivoaka avy ao Babilona ka hiverina any amin'ilay tany nampanantenaina azy ireo. (Jereo ny Apôk. 19:11-16). Izany no antony iantsoan'Andriamanitra an'i Kyrosy hoe "voahosony" (Isa. 45:1); tsy nanafaka ny vahoakan'Andriamanitra fotsiny io Persianina nanan-daza io fa tandindon'ny fiverenan'i Kristy fanindroany koa ny namelezany sy nandreseny an'i Babilona.

Vakio ny 2 Tant. 36:22,23. Inona no mampitovy ny tantaran'i Kyrosy amin'ny an'i Nebôkadnezara? Inona no mahasamy hafa izany? Inona no hevitr'ilay didy navoaka? Inona no fiantraikan'izany teo amin'ny fahaterahan'i Jesôsy. taonjato maro taty aoriana?

Novana ny filaharan'ireo bokin'ny Testamenta Taloha ka nanjary mifarana amin'ny Malakia amin'izao androntsika izao. Tany am-piandohana mantsy dia io fanambarana nataon'i Kyrosy io no namarana ny Testamenta Taloha. Ny bokin'i Matio, izay miantomboka amin'ny fahaterahan'i Kristy ilay Kyrosy tena izy, no fizarana manaraka ao amin'ny Soratra Masina eken'ny fivavahana kristianina ankapobeny. I Kyrosy no nibaiko ny hanarenana indray ny tempoly teto an-tany; i Jesôsy kosa nanomboka ny asa fanompoany tao amin'ny fitoerana masina any an-danitra - izay hiafara amin'ny fiverenany sy ny fanafahana antsika.

Mazava loatra fa tsy fanehoana tonga lafatra an'i Kristy i Kyrosy; tsy misy tandindona mifanitsy tanteraka amin'ny tena izy, ary tokony hitandrina isika tsy handalina ireo tsipiriany madinika indrindra momba azy. Na izany aza, dia nanao asa tandindon'ny asan'ny "Mpamonjy" izy.

Mahavariana ny nampiasan'Andriamanitra mpanjaka jentilisa iray amin'ny fomba miavaka tahaka izany mba hahatanteraka ny Sitrapony. Na ahoana na ahoana ny fisehoan-javatra hitantsika ety ivelany, ahoana no hianarantsika ny fahamarinana fa hotanterahin'Andriamanitra araka ny faminaniana ireo toe-javatry ny andro farany?

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 27 June 2025

Vakio ny toko faha-43 ao amin'ny MM, "llay Mpijery tsy hita maso."

"Navela hanana anjara lehibe eo amin'ny tantara ny firenen-drehetra, mba hiorim-ponenana eto an-tany sy hahita raha tahiny hanatanteraka ny fikasan'ilay Mpijery sy hany Masina izy ireo. Ny faminaniana dia nanamarika ny fahaterahana sy ny fitomboan'ny fanjakan-dehibe toa an'i Babylona, ny Mediana sy Persiana, ny Grika ary ny Romana. Natao taria miverina tamin'izy ireny tsirairay avy, toy ny tamin'ireo firenena tsy dia manao ahoana loatra ny tantara. Samy tsy nahomby tamin'izay nampanaovina azy ny tsirairay ary samy nahita ny fahafonganan'ny voninahitry ny tenany sy ny fahalevonan'ny heriny avy izy. Koa na dia nandà ny fitsipik'Andriamanitra aza ireny firenena ireny ka nahatonga ny fandevonana ny tenany tamin'izany fomba izany, dia nanara-maso hatrany nandritra ny fotoana rehetra ny zava-nokasainy efa novolavolainy ny Tsitoha." - MM, t. 437.

Manara-maso izay ataon'ny mpanefy tanimanga iray i Jeremia ao amin'ny Jer. 18: volavolainy sy ataony araka izay tiany ny tanimanga. Izany sary an'ohatra izany, ny mpanefy mamolavola ny tanimanga eny an-tanany, no ampiasain'Andriamanitra hoenti-manazava ny fitsipiky ny fananan'ny faminanian'ny Baiboly fepetra. Ary mba hahazoany antoka fa takatsika izay ambarany, dia niteny tamin'ny alalan'i Jeremia Izy, nanao hoe: "Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako; nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko; nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy." Jer. 18:7-10.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Eritrereto ny fanambaran'i Jesôsy fa ho mora kokoa ny hahazo an'i Ninive amin'ny fitsarana raha oharina amin'ireo vahoakan'Andriamanitra izay niala tamin'ny fahamarinana (jereo ny Mat. 12:39-42). Inona ny lesona azon'ny fiangonan'Andriamanitra sintonina avy amin'izany fampitandremana izany?

2. Mariho ny fanambaran'i Ellen G. White hoe "nanao taria miverina (...) ny tantara" ao amin'ireo fanjakan-dehibe nifandimby (MM, t. 437). Inona no hitanao fa itovian'ireo fanjakana lehibe voatanisan'ny faminaniana? Ahoana no nanarahan'izy ireo ny lalana nosoritan'ny faminaniana? Ahoana no anarahan'ity tontolo misy antsika ankehitriny ity koa izany lalana izany?

3. Saintsaino izao: tsy ny saina (ny fahatakarana) matetika no mihazona ny olona tsy hino fa ny fo. Inona no mety ho fiantraikan'ny fahafantarana izany eo amin'ny fomba fijoroanao ho vavolombelona amin'ny hafa?

TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.

Daty
Sabotsy 28 June 2025

Andriamanitra nambara ao amin'ny bokin'ny Eksodosy dia ilay Tompo be fitiavana izay, tamin'ny fotoana voatondro sy tamin'ny asany mahery, nitondra famonjena sy fanafahana ho an'ny vahoakany (Gen. 15:12–16). Ny fivoahana avy tany Ejipta sy ny fandalovana ny Ranomasina Mena dia zava-nitranga lehibe sy tsy manam-paharoa – asa mahatalanjona sy mahagaga nataon'Andriamanitra. Tsy nisy zava-nitranga lehibe na be voninahitra kokoa toy izany teo amin'ny tantaran'ny Isiraely fahiny talohan'ny Hazofijaliana. Izany dia ny filazantsara, saingy araka an'i Mosesy.

Nitsangana tamin'ny fomba mahagaga sy niverimberina Andriamanitra mba haneho ny fikarakarany sy ny fiarovany ny Hebreo, na dia teo aza ny fialany tsy an-kijanona. Ny famindram-pony dia nihoatra ny fahatakarana sy ny fihetseham-pon'izy rehetra. Tamin'ny sandriny nahinjitra no nitondran'ny Tompo ny vahoakany ho amin'ny fahafahana. Asa tsy mbola nisy toy izany izany. Io andiam-pitsabahan'Andriamanitra tsy nampoizina io no fiandohan'ny diany vaovao niaraka tamin'Andriamanitra, dia dia avy tany Ejipta nankany Kanana (tamin'ny farany).

Na dia manana anjara toerana lehibe aza i Mosesy ao amin'ny Eksodosy, ity boky ity dia tsy momba an'i Mosesy fa momba an'Andriamanitra – ilay Andriamanitry ny fitiavana, ny fahamarinana, ny rariny, ny fahafahana, ary ny famelan-keloka, ilay Andriamanitra izay nankany amin'ny hazofijaliana ho antsika tamin'ny farany. Amin'ny fandalinana ny Eksodosy, dia mahazo fijery tsy manam-paharoa momba ny tena toetran'Andriamanitsika isika.

Ary inona tokoa moa ny tena toetrany? Izy dia Andriamanitra izay nijanona ho mahatoky tamin'ny vahoakany na dia teo aza ny tsy fahatokisan'izy ireo. Nisarika azy ireo hatrany Izy, na dia nanohitra Azy aza izy ireo. Naneho azy ireo ny famindram-pony imbetsaka Izy, nitondra fampaherezana, fanitsiana, ary torolalana avy amin'Andriamanitra. Nitondra azy ireo tamin'ny fomba tsara indrindra Izy, ary niriny ny hanompo sy hankatò Azy an-tsitrapo, noho ny fitiavany Azy sy ny toetrany, ary izany rehetra izany dia ho soa ho azy ireo.

Ny Andriamanitr'i Mosesy dia ilay Andriamanitry ny fifandraisana. Ny tanjona lehibe indrindra amin'Andriamanitra dia tsy ny hanatanteraka zavatra na ny hanatanteraka fandaharam-potoana; fa ny tanjony voalohany kosa dia ny hamorona fifandraisana lalina amin'ny vahoaka nofidiny, dia i Isiraely. Nitondra azy ireo tany Sinay Izy mba hanorina izany fiombonana lalina izany.

Ny apostoly Paoly dia mampianatra fa izay niseho tamin'ny vahoakan'Andriamanitra taloha dia lesona ho antsika mba hahafahantsika hianatra avy amin'ny fahadisoan'izy ireo sy hanaraka amim-pahatokiana ny Tompo ankehitriny: "Ary izany zavatra izany dia nanjo azy ireo ho fanoharana, ary voasoratra ho fampianarana antsika, izay nihantona tamin'ny faran'izao tontolo izao" (1 Kor. 10:11, ESV). Tokony ho fampitandremana sy loharanon-pampianarana tsy hay hadinoina ho antsika ankehitriny ireo zava-nitranga taloha ireo. Tokony hovakintsika izy ireny, hodinihintsika, ary hianarantsika, satria na dia ohatrinona aza ny fahasamihafan'ny toe-javatra, ny foto-kevitra ara-panahy ao ambadik'izy ireny dia mijanona ho mitovy.

Ny drafitry ny fandalinana ny bokin'ny Eksodosy mandritra ireo herinandro 13 ireo dia mazava. Zaraiana ho toko vakiana isan-kerinandro miaraka amin'ny halavany samihafa ny boky (zaraina araka ny lohahevitra mba hanamorana): (1) fahandevozana tany Ejipta, fahaterahan'i Mosesy, ary ny 40 taona voalohan'i Mosesy (Eksodosy 1–2); (2) fanirahana an'i Mosesy (Eksodosy 3–4); (3) fahasarotana: rehefa mihasarotra ny fiainana (Eksodosy 5–6); (4) ny loza sivy voalohany (Eksodosy 7–10); (5) ny loza fahafolo sy ny fankalazana ny Paska (Eksodosy 11–12); (6) ny fanafahana avy tany Ejipta sy ny zavatra niainana teo amin'ny Ranomasina Mena (Eksodosy 13–15); (7) ny dia mankany amin'ny Tendrombohitra Sinay (Eksodosy 16–18); (8) ny fanomezana ny Faneken'Andriamanitra sy ny Didy Folo (Eksodosy 19–20); (9) ny lalàn'Andriamanitra ampiharina (Eksodosy 21–23); (10) ny Fanekena voamarina sy ny drafitry ny tabernakely (Eksodosy 24–31); (11) ny fivavahana tamin'ny ombilahy volamena sy ny fifonanan'i Mosesy (Eksodosy 32); (12) ny fanehoan'Andriamanitra ny Tenany sy ny tarehin'i Mosesy namirapiratra (Eksodosy 33–34); (13) ny tabernakely naorina sy nohamasinina (Eksodosy 35–40). Isan-kerinandro dia hifantoka amin'ireo andininy sy zava-nitranga manan-danja avy amin'ireo toko voatondro isika.

Enga anie ny Tompontsika be famindram-po hitahy antsika rehefa mandalina ity boky manan-danja ity isika izay mampahatsiahy antsika ny fomba tian'Andriamanitra hitarihana ny vahoakany avy amin'ny fahandevozana ho amin'ny fahafahana, avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana, ary avy amin'ny tany efitra ho any Jerosalema Vaovao (Heb. 12:22).

Jiří Moskala dia profesora momba ny famakafakana sy teolojian'ny Testamenta Taloha ary filohan'ny Seventh-day Adventist Theological Seminary ao amin'ny Oniversiten'i Andrews.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal