Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 27 March 2026

Ny fanahy izay milefitra amin'i Kristy, dia manjary tanana mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon'izao tontolo izao mikomy aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy fahefana hafa hekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin'ny anjelin'ny lanitra ho an'Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan'i Satana. Nefa raha tsy manolo-tena tokoa hofehezin'i Kristy isika, dia hotapahin'ilay ratsy. Tsy maintsy ho eo ambanin'ny fifehezan'ny anankiray amin'ireo hery lehibe roa izay milofo mafy ho tompon'ny fahefana fara tampony eto amin'izao tontolo izao isika. Tsy ilaintsika ny hinia hifidy ny hanompo ny fanjakan'ny maizina mba hahatonga antsika ho ambanin'ny fanapahany. Ampy ho antsika ny hanao antsirambina ny firaisantsika hina amin'ny fanjakan'ny mazava dia tonga ho azy izany. Raha tsy miara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra isika, dia hanjaka ao ampo i Satana, ka hanao izany ho fonenany. Ny hany fiarovana amin'ny ratsy dia ny fitoeran'i Kristy ao amin'ny fo amin'ny alalan'ny finoana ny fahamarinany. Raha tsy manana firaisana velona amin Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanohitra ny vokatra tsy masina ateraky ny fitiavan-tena, sy ny fampanaranam-po ny tena ary ny fakam-panahy hanota. Azontsika atao ny miala amin'ny fahazaran-dratsy maro, eo amin'ny fotoana mety isarahantsika amin'i Satana; nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fileferantsika Aminy mandritra ny fotoana rehetra, dia ho resy isika. Raha tsy misy fifankazaran'ny tena manokana amin'i Kristy, sy firaisana lalandava Aminy, dia afaka hanao amintsika araka izay tiany ilay fahavalo, ka amin'ny farany dia hanatanteraka ny baikony isika.» - IFM, tt. 257,258

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Mariho ny tenin'i Ellen G. White etsy ambony. Mazava fa roa ihany ny sokajy misy ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, ary raha tsy misafidy an'i Kristy amim-pisainana tsara isika, dia hiandany amin'i Satana (Lio. 11:23). Na mety hanelingelina antsika aza ny fieritreretana izany, dia tsy adidin'Andriamanitra ny hanao ny fomba rehetra mba hahatonga ny fahamarinany tsy handratra antsika. Inona no ambaran'izany zava-misy izany aminao momba ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny sitraponao eo an-tanan'i Kristy?

2. Vakio ny Apôk. 14:14-16. Ny ranonorana aloha tamin'ny Pentekosta dia nanome hery ny voan'ny filazantsara hitsimoka sy hitombo, fa ny ranonorana farany kosa dia manomana ny tany ho amin'ny fijinjana farany. Ahoana no ifandraisan'ny Apok. 14:12 amin'izany?

3. Misy fiantraikany amintsika ve ny kolontsaina sy ny tontolo manodidina antsika, amin'ny maha fiangonana antsika sy amin'ny maha mpino isam-batan'olona antsika? Amin'ny fomba ahoana avy no isehoan izany? Ahoana no hiarovantsika tena amin'ny fitaoman-dratsin'izao tontolo izao. izay olana mandrakariva ho an'ny vahoakan Andriamanitra nandritra ny vanim-potoana rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal