Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.

Daty
Alakamisy 26 March 2026

Eo am-pisaintsaina momba ny hafatr'i Jesosy ho Vakio ny Kol. 4:16-18; ampitahao amin'ny Kol. 2:1-3. an'l (jereo lesona omaly), inona ny fifandraisana hitanao amin'ny hafatra ho an'ny Kolosianina, izay natao hovakina ao amin'ny fiangonan'i Laodikia tamin'ny andron'i Paoly koa?

Rehefa dinihina ny fiainan'ny vahoakan'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao, dia mitovy hatrany ireo olana miverimberina. Nananatra ny Isiraely ireo mpaminany noho ny faniriany hivavaka araka ny fomban'izao tontolo izao ary nandrisika azy ireo hibebaka haingana andrao tratra aoriana loatra. Nisento mihitsy aza i Isaia, nanao hoe: "Indrisy! tonga janga ity tanana mahatoky" Isa. 1:21, ary nampirisika ny olona izy hiverina amin'Andriamanitra mba hahazoany famelan-keloka sy fanadiovana (Isa. 1:16-20). Samy niantso ny Isiraelita hibebaka i Jaona mpanao batisa (Mat. 3:2, 8-10) sy i Jesosy (Mat. 4:17; Mat. 12:33-37), ary hitondra voa izay hahajoro eo anatrehan'ny fitsarana amin'ny andro farany. Nitondra hafatra mitovy amin izany koa ireo apostoly (Asa. 2:38; Asa. 3:19; Asa. 17:30; 2 Kor. 7:9,10).

Ampitahao ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto: ny Isa. 60:1-3 sy ny Apôk. 18:1-4, ary ny Isa. 62:1-5 sy ny Apok. 19:7,8. Inona no mampitovy ny hafatra entin'ireo boky roa ireo?

Hampiray ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Saingy noho ilay fifanandrinana lehibe (eo amin'ny tsara sy ny ratsy), dia tsy maintsy atao miandalana, manaraka dingana izany:

  1. Tao Kalvary, verin'i Satana hatreo ny fitiavana rehetra nananan'ny mponin'ny lanitra ho azy (Jao. 12:31).
  2. Amin'ny alalan'ny asa fitsarana ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia «tanteraka (...) amin'ny asa tsara rehetra hanao ny sitrapony ny vahoakan'Andriamanitra (Heb. 13:21), ary voaomana ho any an-danitra.
  3. Amin'ny alalan'ny fitsarana mandritra ny arivo taona sy ny fitsarana farany aorian'ny arivo taona, dia voavaha mandrakizay ny olana rehetra nampametra-panontaniana, ary levonina mandrakizay ao amin'ny farihy afo, izay manadio ny tany koa, ny ota sy ny mpanota tsy nibebaka (Apôk . 21:8).
  4. Rehefa foana hatreo ny ota, izay ihany vao mety hiray ny lanitra sy ny tany amin'ny farany (Apok. 21:3).

Inona no azonao atao (tsy mijery olon-kafa) mba hitoeranao ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'ny fahamarinana nomeny antsika? Izany hoe, inona avy ireo safidy ataonao izay manambara hoe iza marina no tompon'ny fonao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal