Tany am-piandohan'ny tantaran'ny Isiraely dia efa nisy ny porofo momba ny fisian'ny mpaminany sandoka (Deo. 18:20). Araka izany, dia tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana tari-dalana ny vahoakany mba hahafantaran'izy ireo izay tena mpaminaniny marina.
Mpandray ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny mpaminany, ka ny tena mpaminany marina dia mampita ny hafatr'Andriamanitra amim-pahatokiana sy amim-pahamarinana ary amim-pahitsiana, na dia hahatonga azy tsy ho tian'ny mpanapaka sy ny manam-pahefana aza izany indraindray.
Vakio ny 1 Mpanj. 22:1-14. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo mikasika ny fomba fiasan'ny mpaminany mahatoky?
Ny filazan'ny mpanjaka momba ny mpaminany iray hoe: "halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany" - 1 Mpanj. 22:8, dia milaza zavatra betsaka momba ilay mpanjaka, ary milaza zavatra betsaka kokoa momba ilay mpaminany. Hita fa olona tsy mba natahotra ny hilaza ny marina izy, na dia amin'ny mpanjaka aza. Ary mazava loatra fa tsy hahazo sitraka amin'ny mpanjaka izy noho izany.
Nijoro irery manoloana ireo mpaminany sandoka efajato i Mikaia raha nanambara ny fahamarinana izay nambaran'Andriamanitra taminy. Na dia noterena hanova ny vaovao ratsy avy amin'i Jehovah aza izy mba hamalifaliana an'i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy sy i Jezebela vadiny (1 Mpanj. 22:13,14), dia ny fahamarinan'Andriamanitra ihany no nolazainy, na ahoana na ahoana no handraisan'ny olona izany.
Vakio ny 1 Sam. 9:3-14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fahitan'ny olona ny mpaminanin'Andriamanitra izay mahatoky?
Maro ny ohatra ao amin'ny Baiboly izay mampiseho ny fiaimpiainan'ireo mpaminany. Ao amin'ity tantara ity, ohatra, dia nirahin'i Kisy, rainy, mba hitady ny borikiny very i Saoly. Nanoro hevitra an'i Saoly ny mpanompo niaraka taminy mba tsy hampitsahatra ny fikarohana ireo boriky, satria "misy lehilahin'Andriamanitra ao amin'irỳ tanàna irỳ. Hajain'ny olona izy" - 1 Sam. 9:6, DIEM. Ny fomba ilazana an'i Samoela mpaminany eto no maneho ny toetra andrasana amin'ny mpaminanin'i Jehovah. Ny tena mpaminany marina ao amin'ny Soratra Masina dia antsoina hoe "lehilahin'Andriamanitra", voafidy tao anatin'ny maro mba haneho ny toetran'Andriamanitra. Etsy ankilan'izany anefa, tsy hoe tsy misy tsiny tsy akory ireo "lehilahin'Andriamanitra" izay mpaminany.
Iza moa, na dia tamin'ireo "lehilahin'Andriamanitra" tena nohajaina indrindra aza, no fantatrao fa tsy nanan-kilema velively?