Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.

Daty
Alarobia 12 August 2026

Rehefa mamaky ny 1 Kor. 13:4-7 isika, dia mety ho kivy ihany noho ny fahatsapana fa tsy vitantsika ny maneho ireo toetran'ny fitiavana rehetra ireo, na efa miezaka aza isika. Azo inoana fa i Jesosy no tao an-tsain'i Paoly teo am-panoratany ny 1 Kor. 13. Raha ny marina, i Kristy irery ihany no naneho tamin'ny fomba tonga lafatra ireo toetran'ny fitiavana rehetra ireo. Noho izany, ny fanoritsoritan'i Paoly ny fitiavana dia fanoritsoritana an'i Jesôsy

Vakio ny Jao. 13:1, 34; Jao. 15:9, 12; 1 Tim. 1:14; 2 Tim. 1:7, 13; 1 Jao. 3:16; ary 1 Jao. 4:7-12, 19-21. Inona no azontsika ianarana momba ny fitiavana avy amin'ireo andininy ireo?

Andriamanitra dia fitiavana (1 Jao. 4:8). Tia antsika fatratra Izy ka nomeny ny Zanany lahitokana (Jao. 3:16). I Jesôsy no fanehoana izany fitiavana izany amin'ny fahafenoany (Heb. 1:3). Raha te hahafantatra ny atao hoe fitiavana isika, dia tsy maintsy mibanjina maharitra an'i Jesosy. Raha dinihintsika akaiky ny fanoritsoritana an'i Jesôsy ao amin'ny TV, dia ho hitantsika fa ao Aminy avokoa ireo toetra tsara rehetra momba ny fitiavana ao amin'ny 1 Kor. 13. I Jesôsy dia:

Mahari-po. «Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesôsy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po [makrothymia] rehetra» - 1 Tim. 1:16.

Mora fanahy. Milaza ny Baiboly fa «tsara ny Tompo» (1 Pet. 2:3). Ny teny hoe «Tompo» ao amin'io andalan-teny io dia manondro an'i Jesôsy . Ny teny hoe «tsara» dia nadika avy amin'ny teny grika hoe chréstos, izay iray fototeny amin'ny matoanteny chrësteuomai («mora fanahy») ao amin'ny 1 Kor. 13:4.

Mifaly amin'ny fahamarinana. Feno fifaliana i Jesôsy teo am-panaovany ny sitrapon'ny Ray sy noho ny fahatsapany ny fitiavany (Jao. 15:9-11, Jao. 17:12-14).

Mandefitra/maharitra ny zavatra rehetra. Ny Heb. 12:2,3 dia milaza fa i Jesosy «naharitra ny hazo fijaliana (...) naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy». Tsy nisy niaritra zavatra betsaka tahaka an'i Jesôsy (Fil. 2:8). Nataony izany noho ny fifaliana napetraka teo anoloany!

Mino ny zavatra rehetra. Rehefa nisalasala ny amin'ny fiovam-pon'i Paoly i Ananiasy (Asa. 9:13,14), dia namaly Jesôsy hoe: «fanaka voafidy izy» - Asa. 9:15. Tsy mijery ny olona amin'ny toetrany ratsy ankehitriny i Jesôsy , fa amin'izay ho tonga toetrany amin'ny alalan'ny heriny. 

Inona avy ireo fomba hafa anehoan'i Jesôsy amintsika ny atao hoe fitiavana marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal