Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fivoriam-bavaka, fotoana sarobidy

Daty
Alarobia 25 March 2026

 "Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky eto ambonin'ny tany na amin 'inona na amin 'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan 'ny roa na telo amin 'ny anarako, dia ao afovoany Aho. " Mat. 18:19,20.

Mofon’aina:
Nanome toky ny Tompo fa raha misy roa na telo miangona amin'ny anarany, dia ho eo afovoany Izy. Handray ny hosotry ny Fanahy Masina ireo izay mivory mba hivavaka. Ilaina tokoa ny vavaka mangina, nefa ilaina koa ny fiangonan'ny Kristianina maro mba hiombom-bavaka, haneho ny fangata-hany amin'Andriamanitra amim-pahatsoram-po. – RH, 30 Jona 1896.

 Ataovy izay rehetra azonao atao hampisokatra lalandava ny firaisan'ny fanahinao amin' i Jesosy. Hararaoty ny fotoana rehetra azonao hankanesana any amin'ny fitoerana anaovana fotoam-pivavahana. Izay tena mitady firaisana marina tokoa amin'Andriamanitra, dia ho hita ao amin'ny fotoam-pivavahana, ka handray anjara amin'izany, sady maniry indrindra hanovo ny soa rehetra mety ho azo avy amin' izany. (...). – DHK, t. 112.

 Mba hifampahatanjahantsika no anton'ny fivoriantsika, hifanakalozan-tsika hevitra, hifampizarantsika ny fihetseham-pontsika, hanovozantsika hery sy fahazavana ary zotom-po, avy amin'ny fifampizarana ny fanantenana sy ny hetahetam-po. Ary hahazo famelombelomana sy faherezana avy amin' Ilay Loharanonlny herintsika isika, amin'ny alalan'ny vavaka mafana sy vokatry ny fo ataontsika amim-pinoana. Tokony ho sarobidy indrindra ireny fotoam-pivoriana ireny. (...)

Tsy mitovy ny fanandramana ara-pivavahana ananan' ny olona rehetra. Kanefa mivory izy ireo, izay samy manana ny andraikiny avy, ka mifampizara ny traikefany amim-pahatsorana sy fanetren-tena. Izay rehetra to hanana fiainana kristianina dia tokony ho efa manana, ary hanana, fanandramana velona, vaovao sy mahaliana, miaraka amin 'Andriaman itra. Ireo fitsapana isan'andro, tolona, fakam-panahy, ezaka mafy sy fandresena, ary fiadanana sy fifaliana lehibe azo amin'ny alalan' i Jesosy, izany no mandrafitra ny fanandramana velona. Ny fizarana izany fanandramana izany fotsiny dia mitondra fahazavana, hery, ary fahalalana ho an'ny hafa, izay hanampy azy eo amin'ny fandrosoany ara-panahy.

Beazo ny sainao ho tia ny Baiboly, ho tia ny fivoriam-bavaka, ho tia manokana ora handinihan-tena, ary ambonin'izany rehetra izany ny manokana ora iraisan' ny fanahy amin'Andriamanitra. – TFC, b. 2, t. 268. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal