Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiaraha-mivavaka ahazoam-pitahiana

Daty
Alakamisy 26 March 2026

 "Ary tamin 'izany izay natahotra an 'i Jehovah dia samy niresaka tamin 'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an 'i Jehovah sy mihevitra ny anarany." - Mal. 3:16.

Mofon’aina:
Raha ny Kristianina no mivory hiresaka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny amin' ireo fahamarinana sarobidy momba ny fanavotana, dia hahazo hery sy famelombelomana izy. Tokony hianatra bebe kokoa isan'andro ny amin'ny Raintsika Izay any an-danitra isika, dia hahazo fahalalana vaovao ny amin'ny fahasoavany; amin'izay dia haniry indrindra hilaza ny fitiavany isika; ary raha manao izany isika, dia hihamafana sy hihamarisika ny fontsika. Raha mihevitra sy miresaka bebe kokoa ny amin'i Jesosy isika, ary kelikely kokoa ny amin'ny tenantsika, dia ho eo amintsika bebe kokoa ny fanatrehan'i Kristy. — DHK, t. 117 (np).

Aoka hivondrona ny tarika madinika amin'ny hariva, amin'ny antoandro, ary vao maraina, mba handinika ny Soratra Masina. (...) Raha hovohanareo ny varavaran'ny fonareo handray Azy dia fitahiana lehibe no hirotsaka aminareo. — TFC, b. 7, t. 195. 

Ny fandrenesan'ny Tompo izay lazain'ny vavolombelony, dia manam-bara amintsika fa eo anivontsika tokoa i Jesosy. Hoy lzy: "na aiza na aiza no iangonaniny roa na telo amin 'ny anarako, dia ao afovoany Aho." Tsy olona iray no manao ny fijoroana ho vavolombelona rehetra ho an'i Jesosy, fa ny tsirairay izay tia an'Andriamanitra dia tokony hijoro ho vavolombelona ny amin'ny hasarobidin'ny fahasoavany sy ny fahamarinany. — SDABC, b. 4, t. 1183.

Hampifamatotra ny fo amin' Andriamanitra amin'ny fatorana maharitra ny fiaraha-mivavaka; ny fanekentsika an'i Kristy ampahibemaso sy amin-kerim-po, ny fanehoantsika ny fahalemem-panahiny, ny fanetren-tenany, ary ny fitiavany eo toetrantsika, dia hahatonga ny hafa ho voasariky ny hatsaran'ny fahamasinana. TFC, b. 6, t. 175.

Hotsarovan'Andriamanitra ireo izay nivory sy nisaintsaina momba ny Anarany, ary hovonjeny amin'ny fandringanana lehibe. Ho toy ny vatosoa sarobidy eo imasony izy ireo. (...) Tsy aim-bery maina ny manompo an'Andriamanitra. Misy valisoa lehibe tsy hay tombanana ho an'ireo izay manokana ny fiainany ho amin'ny fanompoana Azy. TFC, b. 4, t. 407.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal