Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rojom-bavaky ny mpino

Daty
Zoma 27 March 2026

 «Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo.» - 2 Tes. 3:1.

Mofon’aina:
Tokony hisy fotoam-bavaka matetika eo anivon'ny   vahoakan'Andriamanitra amin' izao andro izao, dia vavaka mafana vokatry ny fo. Tokony hatao mandrakariva izay hananana toe-tsaim-bavaka. Aoka hitolona amim-bavaka na any an-tokantrano na any am-piangonana, ho an'ireo izay nanokana ny tenany hitory ny Teny filazantsara. Aoka ny mpino hivavaka tahaka ireo mpianatra taorian'ny niakaran'i Kristy ho any an-danitra.

Tokony hisy rojom-bavaky ny mpino, dia vavaka amin-kafanam-po, hanodidina izao tontolo izao. Aoka hivavaka amim-panetren-tena avokoa ny rehetra. Afaka miara-mivory ny mpiray vodirindrina mba hangataka ny Fanahy Masina. Ireo izay tsy afaka mandao ny trano dia aoka hanangona ny zanany, ary hiara-mivavaka. Azon' izy ireo takina ny terry fikasan'ny Mpamonjy hoe: "Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho." —Mat. 18:20. — RH, 3 Janoary 1907. 

Tokony hanao fivoriam-bavaka isika, hangataka amin'ny Tompo mba hanokatra ny lalana hidiran'ny fahamarinana any amin'ireo toerana mimanda izay nametrahan'i Satana ny seza fiandrianany, sy hampisava ny aizina nandrakofany ny lalan'ireo izay ezahiny fitahina sy aringana. Manana toky isika fa: "Ny fiasan 'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." — Jak. 5:16. RH, 30 Avrily 1908.

Omena ohatra tonga lafatra ny amin'ny vavaka tokony hatao isika ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsotra tokoa izany, nefa mahafaoka ny lafiny rehetra! Tokony hampianarina ny ankizy io vavaka io. Aoka handinika tsara ny foto-kevitra voarakitra ao anatin'izany ny rehetra. (...) Amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fanoloran-tena isan'andro, dia afaka mifandray amin'ny Rainy any an-danitra avokoa ny rehetra, ka afaka mandrotsaka fitahiana manana amby ampy ho azy ireo Izy. (...) 

Akory ny fiovana ho hita eo amin' ny fihetsiky ny maro raha toa ka alan' Andriamanitra ny sarona manafina Azy tsy ho hitan'ny masontsika, ka asehony ny Tenany tsy mipetraka mangina eo amin'ny seza fiandrianany eo amin'ny toerana avo sy masina, fa voahodidin'ny anjely alin-kisa masina sy sambatra, miandry hanatanteraka ny baikony! — R1-1, 3 Janoary 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal