Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampihatra ny lalàna volamena

Daty
Sabotsy 10 October 2026

 "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo." - Lia. 6:37.

Mofon’aina::
Voalaza mazava amin'ireto teny ireto ny adidin'ny Kristianina tsirairay: "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; omeo, dia mba homena hianareo; foira tsara sacdy ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay foira ataonareo no hamarana ho anareo kosa." "Ary araka izay tianareo hataon 'Fry olona aminareo, dia mba atao-vy aminy kosa." — and. 37,38,31. Tsars ho antsika ny mandala ireo foto-kevitra ireo. (...)

 Aoka izay efa nanota tamin'Andriamanitra tsy handà tsy hamela heloka ny mpanota izay mibebaka. Tahaka ny fitondrany ny namany nanas ratsy, na tao an-tsainy na tamin'ny asa, izay nibebaka avy eo, dia ho tahaka izany koa no hitondran'Andriarnanitra azy noho ny kileman-toetrany. Izay tsy maneho famindrampo amin'ny namany dia tsy afaka manantena ny ho voaron'ny famindrampon'Andriamanitra. (...) Rafla mandà tsy hikolokolo izany fahasoavana masina izany izy, dia hizaka ny vokatry ny tsirambina ataony.(…)

 Aoka tsy hohadinointsika fa manao fahadisoana avokoa ny olona rehetra; eny, fa na ny lehilahy sy ny vehivavy manana traikefa an-taonany maro aza, dia mety ho diso indraindray. Nefa tsy manary azy ireo Andriamanitra noho ny fahadisoany; nomeny tombontsoan'ny famindrampo ny zanakalahy sy ny zanakavavin'i Adama tsirairay izay nania. Manana toe-tsaina tahaka ny an'i Kristy ny mpanara-dia Azy marina manoloana ny rahalahiny nania. Tsy manao teny manameloka izy fa tsaroany ny teny hoe: "Izay mampibebaka mpernota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonfyfanahy tsy ho fat,' sady hanarona heloka be." — Jak. 5:20.

Mila fanafahana mandrakariva amin'ny vokatry ny fahotana ny olona ao amin'ny fiangonana mbola eto an-tanim-piadiana. Ny olona iray, izay ambony noho ny hafa amin'ny lafiny sasany, dia ambany noho izy kosa amin'ny lafiny hafa. Samy iharan'ny fakam-panahy ny olombelona rehetra ary mila ny firaisam-po sy ny fangorahan'ny rahalahiny. Ny fanehoana famindrampo amin'ireo izay ifandraisantsika isan'andro no anisan'ny fomba mahomby indrindra hahatrarana ny fahatanterahan-toetra, satria ireo izay miara-dia amin'i Kristy ihany no mpamindra fo marina. — ST, 21 Mey 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal