"Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena." - 1 Pet. 3:8.
Mofon’aina:
Samy manana ny toe-pontsika isika tsirairay. Ao ny mora tezitra, ny tsy rototra, ny mpiziriziry, sy ny mivantambantam-piteny ary ny masiaka. Koa mila mikolokolo ny toetrantsika isika, ary mifehy ny tenantsika (...). Ahitsio izay melomeloka amin'ny toetranao; lamao izay marokoroko.
Aoka tsy hanao teny mandratra fo na henjana na oviana na oviana. Aza ratsy fijery na manao tsinontsinona olona, na mahatsapa ho te hanao izany mafy aza ianao. Rehefa manaja sy mahalala fomba amin'ny hafa isika dia hohajain'ny hafa koa. Mahalalà fomba amin'ny olona rehetra; novidina tamin'ny ran'i Kristy izy ireo. Raha miezaka hanana ny toetran'i Kristy ianao, dia tsy ny ezakao no hahataona ny olona fa ireo anjelin'Andriamanitra izay mijoro eo anilanao; izy ireo no hikasika ny fon'ireo izay iresahanao. —RH, 26 Avrily 1887.
Izay maniry ho namana mpiara-dia amin'ny anjely masina dia tokony hanana fitondran-tena tsara. Raha ampiharina amin'ny fiainana andavanandro ireo foto-kevitry ny fivavahana kristianina, dia fitsinjovana
sy fahalemem-panahy ho an'ny hafa no vokany, satria izany no toetra nampiavaka an'i Kristy. Araka izany, na ny olo-mahantra aza dia hanan-kaja tokoa, satria olo-mendrika eo anatrehan'Andriamanitra izy. (...)
Haneho fahalemem-panahy sy fahafoizan-tena izay nanamarika ny fiainan'ny Tompony ny tena mpianatr'i Jesosy. Jereo i Paoly rehefa nentina teo amin'ny fitsarana. Ny lahateny nataony teo anatrehan'i Agripa dia ohatra maneho fahalalam-pomba sy fahaiza-mandresy lahatra amin'ny teny. Tsy mampirisika ny fahalalam-pomba ivelany fotsiny araka ny fanaon'izao tontolo izao aho, izay tsy misy fahamendrehana marina akory ao anatiny, fa ilay fahalalam-pomba izay asesiky ny fahatsaram-po marina. —RH, 29 Avrily 1887.
Manana ohatra lehibe lavitra noho ny an'ireo patriarika sy ny apostoly isika ao amin'i Kristy. (...) Namonto ny fiainan'i Kristy manontolo izany fahendrena izany, izay kanto sy feno fahadiovana, ary nampiely ny famirapiratany teo amin'ny fihetsika sy ny asa rehetra nataony. — RH, 8 Septambra 1885.