Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka hazava ny fahazavanareo 

Daty
Alakamisy 25 April 2024

"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa taonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra."— Mat. 5:16.

Mofon’Aina:
Baiko lehibe no raisin'ny fanahy tsirairay teraka ao amin'ny fanjakan'i Kristy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra". Apariaho amin'ny manodidina anao ireo tara-pahazavana mamiratra avy amin'ny Masoandron'ny fahamarinana; ampahafantaro ireo namanao manerana izao tontolo izao ireo zava-tsoan'ny fahazavana sy ny fahamarinana izay nomena anareo mitafotafo avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. (...) Mandrosoa avy amin'ny fahazavana ho amin'ny fahazavana lehibe kokoa, amin'ny fandraisana taratra avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, ary aoka ianao hamiratra bebe kokoa mandra-pahatonga ilay andro tonga lafatra. (...)

Aza afenina ny fahazavanao. Aza hazonina amin'ny alalan'ny fahotana ny fahazavanao. Aza avela hamono ny fahazavanao ny zavona sy ny aretin-dratsin'izao tontolo izao. Aza afenina ao ambany farafara na ao ambany vata famarana izany fa apetraho eo ambony fanaovan-jiro mba hahazava ny ao an-trano rehetra. (...) Mandidy anao Andriamanitra mba hamiratra ka hanagorobaka ny haizina ara-pitondran-tena eto amin'izao tontolo izao.

Betsaka no tsy mahalala izay manjo azy. Mila fahazavana izy ireo kanefa tsy mahita taratra. Mangataka fanampiana izy ireo kanefa tsy misy mamaly. Haharitra ve ny fisalasalana sy ny tsy finoana satria tsy mandray ireo taratra avy amin'i Jesôsy Kristy aho ka tsy afaka mamela izany hamiratra amin'ny hafa? (...)

Ireo ady lalina ataon'ny fanahiko amin'ny fakam-panahy, ireo faniriana lalina avy amin'ny saiko sy ny foko ny hahalala an'Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenako manokana ary ny hanana toky sy fiadanana ary fitsaharana ao amin'ny fitiavany dia mitarika ahy banana faniriana isan'andro hankeo amin'ny toerana ahazoan' ilay Masoandron'ny fahamarinana mamiratra eo amiko. Raha tsy misy izany fanandramana izany dia ho tojo fatiantoka lehibe aho, ary hisy fiantraikany amin'ireo mifanerasera amiko ny tsy fandraisako ny fahazavana izay tokony horaisiko (...) sy tokony hanazavako ny lalan'izy ireo. Ho fahazavana ho an'izao tontolo izao tokoa ve aho sa ho aloky ny haizina?- OCH, t. 297. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal