Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ho ela intsony dia tafody!

Daty
Talata 30 April 2024

 "Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." — Jao. 14:3

Mofon'Aina:
Valonjato sy arivo taona mahery no lasa hatramin'ny nampanantenan'ny Mpamonjy ny hiverenany indray. Nandritra ny taonjato maro dia nameno herim-po ireo nahatoky taminy ny teniny. Tsy mbola tanteraka ilay fampanantenana saingy tsy latsa-danja amin'izany ny teny izay voalaza.

Ho avy amin'ny voninahitry ny Tenany, amin'ny voninahitry ny Ray ary amin'ny voninahitry ny anjely masina i Kristy. Ireo anjely alinalina, ireo zanak'Andriamanitra manana hatsarana sy mpandresy, amin'ny hatsarana sy voninahitra tsy mbola nisy toy izany no hanotrona Azy eo amin'ny lalany. Hisatroka satroboninahitra maro sosona Izy fa tsy satro-tsilo. Ho solon'ny akanjo volomparasy tonta dia hampiakanjoana akanjo fotsy indrindra Izy, "ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany"- Mar. 9:3. Eo amin'ny akanjony sy ny feny no hanoratana ny anarana hoe "MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO" (Apok. 19:16).

Ho an'ireo mpanaraka azy mahatoky dia namana isan'andro, eny, sakaiza akaiky i Kristy. Niaina tao anatin'ny firaisana ety sy tsy tapaka tamin'Andriamanitra izy ireo. Misandratra amin'izy ireo ny voninahitry ny Tompo. Amin'izy ireo no mitaratra ny fahazavan'ny fahalalan'ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny endrik'i Jesôsy Kristy. Ankehitriny, mifaly amin'ireo taratra fenon'ny famirapiratana sy ny voninahitry ny Mpanjaka ao amin'ny fanjakany izy ireo. Vonona ho amin'ny firaisana amin'ny lanitra izy satria ao am-pony ny lanitra.

Miandrandra izy ireo, mamirapiratra eo aminy ny taratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, mifaly amin'ny fiavian'ny fanavotana azy izy ireo, ary manatona Ilay Mpampakatra izy ka milaza hoe: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika."- Isa. 25:9.

Efa ho tapitra ny fotoam-piandrasana. Kely sisa dia harabaina tonga soa avokoa ireo mpandeha lavitra sy mpivahiny izay nitady firenena tsara kokoa. Te hihiaka amin'ny feo avo aho hoe: "Hody isika!" (...) "Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana."-2 Pet. 3:14.- OHC, t. 367. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal