Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ampy ny fahalalana ivelambelany fotsiny

Daty
Alarobia 01 May 2024

"Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr 'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra."- KM. 1:27.

Mofon'Aina:   
Misy zava-miafina marobe tsy takatsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, nefa maro amintsika no afa-po ka tsy manohy ny fandinihana intsony raha vao nanomboka naharay fahalalana kely mikasika an'i Kristy. Raha vao manomboka mivelatra manoloana ny fahatakarantsika ny ampahany kely amin'ny fikasan'Andriamanitra ary koa manomboka manana fahalalana kely momba ny toetran'Andriamanitra isika, dia afa-po ary mihevitra fa efa nandray ny fahazavana rehetra natao horaisintsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy misy fetra anefa ny fahamarinana momba an'Andriamanitra. Tsy tokony hitandro hasasarana isika amin'ny fiasana ao amin'ny sahan'ny fahamarinana mba hahitantsika ireo vatosoa sarobidy izay nafenina. (...) Izay tena hevitry ny teny tokoa no tian'i Jesôsy hambara raha nanome toromarika ireo mpianany Izy nanao hoe: "Dinihinareo ny Soratra Masina" - Jao. 5:39. Ny hoe mandinika dia mampitaha ny Soratra Masina amin'ny Soratra Masina, ary ny zava-panahy amin'ny zava-panahy. Tsy tokony ho afa-po amin'ny fananana fahalalana ivelambelany fotsiny isika.

Tsy tsapantsika amin'ny fahafenoany ny zavatra irin'ny Tompo hatao ho an'ny olony. (...) Tokony hisandratra any amin' Andriamanitra ny fangatahantsika, amin'ny finoana sy ny fo torotoro, mba hahatakarana ireo zava-miafina izay ampahafantarin'Andriamanitra ny olony masina. (...) Tsy voatantaran'ny penin'ny anjely anankiray ny voninahitra rehetra aseho ao amin'ny drafi-panavotana. Ambaran'ny Baiboly antsika ny fomba nitondran'i Kristy ny fahotantsika sy ny fahoriantsika. Ao no anehoana ny fihaonan'ny famindrampo sy ny fahamarinana teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary, ny fifanorohan'ny rariny sy ny fiadanana ary ny fanomezana anjara ny olombelona lavo amin'ny fahamarinan'i Kristy. Teo no nanehoana ilay fahendrena tsy hita fetra, ny rariny mandrakizay, ny famindrampo tsy hita lany ary ilay fitiavana tsy misy farany. (…)

Izay maniry fatratra ny fahamarinana ao am-pony sy mangetaheta ny fiasan' ny herin'izany eo amin'ny fiainany sy ny toetrany dia hahazo antoka fa hahazo izany. by ny Mpamonjy: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana." -Mat. 5:6. - TMK, t. 10. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal