Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpisolovava mitafy ny toetrantsika

Daty
Alatsinainy 06 May 2024

"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina."- 1 Jao. 2:1.   

Mofon'Aina:   
Tsy misy fetra ny fanendren'Andriamanitra sy ny fanohanany antsika. Ilay mamela antsika hiantso Azy hoe Ray no mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. (...) Nametraka Mpisolovava mitafy ny toetrantsika Izy eo amin'ny Alitarany. Amin'ny maha-Mpanalalana antsika an'i Kristy dia anjara asany ny mitondra antsika eo amin'Andriamanitra amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika. Manao fanelanelanana ho an'ireo izay mandray Azy Izy. Tamin'ny rany no nandoavany ny onitra ho avotra ho azy ireo. Noho ny fahamendrehany no nanomezany azy ireo fahefana ho tonga ankohonan'ny Mpanjaka, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Ary asehon'ny Ray ny fitiavany mandrakizay an'i Kristy amin'ny fandraisana sy ny fanekena ireo sakaizan'i Kristy ho Sakaizany. Afa-po amin'ny fanavotana vita Izy. Omem-boninahitra Izy amin'ny alalan'ny fahatongavan'ny Zanany ho nofo, ny Fiainany, ny Fahafatesany ary ny Fanelanelanana ataony.

Misandratra any amin'ny Ray amin'ny anaran'i Jesôsy ny vavaka ataontsika. Manao fanelanelanana ho antsika i Kristy, ary ny Ray kosa dia mandrotsaka ny harem-pahasoavany mitafotafo ho antsika, mba hifaliantsika sy hizarantsika izany amin'ny hafa. (...)

I Kristy no rohy mampifandray ny olombelona amin'Andriamanitra. (...) Ny fahamendrehan'ny fahamarinany manontolo mihitsy no ampombany izay manao fitarainana. Manao fangatahana ho an'ny olona i Kristy, ary ny olona izay mitady ny fanampian'Andriamanitra kosa dia manao fangatahana ho an'ny tenany eo anatrehan'Andriamanitra, ka mampiasa ny fahefan'Ilay nanolotra ny ainy ho an'izao tontolo izao. Fofo-manitra no miara-miakatra amin'ny fangatahantsika eo anatrehan'Andriamanitra rehefa miaiky sy manaiky ny fahamendrehan'i Kristy isika. Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahatsaran'ny fahamendrehan' Ilay Mpanavotra isika dia apetrak'i Kristy eo anilany, ny tanana maha-olona Azy no hamihinany antsika ary ny tanana maha-Andriamanitra Azy kosa mihazona ny seza fiandrianana mandrakizay. Apetrany eo an-tanantsika, tahaka ny ditin-kazo mani-pofona eo amin'ny lovia fandoroana ditin-kazo, ny fahamendrehany, mba hanohanana ny fangatahantsika. (...)

Eny tokoa, efa tonga mpanelanelana am-bavaka ny olona amin'Andriamanitra i Kristy. Izy koa no mpanelanelana ny olombelona amin'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona fitahiana. - TMK, t. 76. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal