Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil
  2. Archive mensuelle

octobre 2023

Ny asa nanirahana an'i Abrahama

Vakio ny Gen. 19:1-29. Inona ny vokatry ny toe-tsaina mandray vahiny sy be fitiavana nasehon'i Abrahama ary ny vavaka nataony?

Ny toe-tsaina vontom-bavaka nananan'i Abrahama

Vakio ny Gen. 18:23-32 sy Jak. 5:16. Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny herin'ny vavaka fanelanelanana? 

Ny fitiavan'i Abrahama ny olona rehetra

Vakio ny Gen. 18:16-33. Ahoana no nanehoan'i Abrahama ny fitiavany ny olona rehetra ka tsy nanavahany foko na firazanana na nizahany tavan'olona? 

Ny toetra tsara faharoa nananan'i Abrahama, hita ao amin'ny Gen. 18, dia ny fitiavany ny olona, na dia ireo izay tsy fantany manokana aza. Lesona lehibe ho antsika tsirairay izany. Mpanota ireo mponin'i Sôdôma sy Gômôra, lavitra tanteraka amin'ny fahalalany ny atao hoe tsara, kanefa feno fitiavana ny olona rehetra ny fony. Tsy nanavakavaka izy na firazanana, na lahy, na vavy, na fiteny, na fivavahana. 

Ny fanomezan-pahasoaan'ny fampiantranoam-bahiny

Vakio ny Gen. 18:1-15. Inona avy ireo toetra maneho havana mampiantrano vahiny hita teo amin'ny fihetsik'i Abrahama tamin'ireo vahininy? 

Nafana ny andro, ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama. Tsy mahazatra io fihetsika io. Tamin'izany andro izany, rehefa fotoam-pahavaratra, amin'ny mitataovovonana, dia mitady fialokalofana sy tso-drivotra mangatsiatsiaka ny olona rehetra. Saingy angamba niaritra ny hafanana teo i Abrahama mba hanampy raha sendra misy olona mandalo eo?

Fampidirana

Hatrany am-boalohany dia naniry ny hampiasain'Andriamanitra hanatanteraka iraka i Abrahama. Hita tokoa ny fahamarinan'izany ao amin'ny Gen. 18 ohatra, rehefa nampahafantatra azy izay hanjo an'i Sôdôma sy Gômôra Andriamanitra. "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehôvah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. " — Amô. 3:7. Ary i Abrahama no "mpaminany mpanompony" ao amin'ny tantaran'i Sôdôma sy Gômôra.

Miara-miasa amin'Andriamanitra

Fianarana fanampiny

Vakio ao amin'ny boky Vavolombelon'ny Mahery: "llay iraka lehibe" tt. 25-32, sy "Mpikatsaka ny fahamarinana" tt . 117 -125 .

Manomboka eo amin'ny toerana misy anao

Vakio ny Asa. l:8. Inona ny foto-kevitra nasehon'i Jesôsy mikasika ny fanaovana asa fitoriana na fijoroana ho fafolombelona amin'izao tontolo izao?

Maneho amintsika ny tokony ho fomba fiasantsika amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika, izay natao hizara ny vaovao mahafaly amin'ny hafa, io foto-kevitra napetrak'i Jesôsy io.

Tsy fandresena lahatra ny hafa ny amin'ny fahadisoany no atao hoe mitory ny fahamarinana fa ny mitory an'i Jesôsy araka ny anoritsoritana Azy ao amin'ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12.

Ny fiangonana voalohany sy ny fahazarany

Vakio ny Asa. 8:1-4. Tao amin'ny fiantonana voalohany, inona no nahatonga ny fielezan'ireo mpino ka nialany tamin'ny toerana nahazatra sy nampiadana azy?

Tamin'io fotoana io dia mbola teo Jerosalema (teo amin'ny tanin'ny Jiosy sy teo anivon'ny vahoaka Jiosy) no nisy ny fiangonana voalohany ankapobeny. Rehefa tonga ny fanenjehana, niaraka tamin'ny fandraisan'i Paoly anjara mavitrika tao anatin'izany, dia niely hatrany Jodia sy Samaria ny fiangonana tao Jerosalema.

Ny antso natao tamin'i abrahama

Araka ny antson'Andriamanitra dia nidiha tao amin'ilay tany nasain' Andriamanitra nalehany i Abrahama. Vao tany am-piandohana anefa dia toa ratsy ny fandehan-javatra ho azy, Tonga tany amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra tokoa izy, saingy araka ny Baiboly, "ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay" - Gen. 12:6 - dia mpanompo sampy nalaza noho ny halozany sy ny herisetrany. Tsy mahagaga raha niseho tamin'i Abrahama Andriamanitra raha vantany vao tonga tao izy, ka nanao hoe: "Ny taranakao no homeko ity tany ity." - Gen. l2:7.

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal