Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

May 2026

Mahatsiarova ny andro Sabata

«Mahatsiarova ny andro Sabota hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin 'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin 'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin 'ny andro fahafito; izany no nitahlan'i Jehovah ny andro Sabota sy nanamasinany azy.» - Eks.

Mizaha toetra ny fahatokiana Andriamanitra

 «Ary Jehôvah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra.» - Deo. 26:18.

Mahatoky amin'Andriamanitra sa amin'ny olona?

 «Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.» - Asa. 5:29.

Ilay fenitra ambony indrindra

 «Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan 'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina.» - Rôm. 2:13.

Mofon’aina:
Maro amin' ireo olona voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ny anarany no tsy misy fiovana marina ny fiainany. Tavela any ivelany ny fahamarinana. Tsy misy ny fiovam-po marina, tsy misy vokany ny asan'ny fahasoavana ao am-po. (...)

Ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy ny ahy

«Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny  fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.» - Sal. 25:4,5.

Fahafahana ao amin'i Kristy 

«Ho amin 'ny fahafahana no nanafahan,i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny  zioga fanandevozana intsony.» - Gal. 5:1.

Mofon’aina: 
Nataon'Andriamanitra teo ambanin'ny lalana ny olombelona tany am-piandohana, ho fepetry ny fisiany. Teo ambanin'ny fitondran'Andriamanitra izy, ary tsy misy fitondrana raha tsy misy lalana. (...)

Hery manamasina

«Manamasìna azy amin 'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.h - Jao. 17:17.

Mofon’aina:
Tsy hahasoa antsika velively ny fahamarinana torintsika raha tsy hamasinina amin'ny alalany isika. (...) Raha mbola manjaka toy izao ny fahadisoana eto an-tany, dia ilaintsika ny mahafantatra ny fahamarinana, satria tsy ho azo hamasinina amin'ny alalan'ny  fahadisoana isika. Arakaraka ny hahatakarantsika tsara ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, no hahafantarantsika ny fomba hanamasinana ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.

Ny fanambaran'ny Fanahy Masina

 « Ny Fanahy dia miara-milaza amin 'ny fanahintsika fa zanak 'Andriamanitra isika.» - Rom. 8:16.

Mofon’aina:

Afaka manambara ny Fanahy fa ankasitrahan'Andriamanitra ny lalanao. Amin'ny finoana ny Tenin'Andriamanitra no ahazoana izany fanambarana izany, amin'ny fandraisana ny Teny ho an'ny fanahinao manokana. Izany no atao hoe mihinana ny mofon'aina, ary izany no mitondra fiainana mandrakizay. Ampitahao amin'ny Soratra Masina ny Soratra Masina. Diniho ny fanehoana ny fiainana kristianina marina araka ny anoritsoritana azy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Mifandray amin'ny mandrakizay

Izao no lazain 'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin 'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha Amin’ny hareny; fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin 'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.» - Jer. 9:22,23.

Ny lalan'ny mpanjaka

 «Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy eto, ambonin 'ny tany iriko tahaka Anao.» - Sal. 73:25.

Mofon’aina:
Ny fanahy izay mandala ny fitiavan'i Kristy dia feno fahafahana, fahazavana, ary fifaliana ao amin'i Kristy. Ao amin'ny fanahy toy izany dia tsy misy fisainana mizarazara. Maniry an'Andriamanitra ny momba azy manontolo. Tsy mankany amin'olombelona izy mba hula saina, fa manatona ny Tompo Jesosy, Ilay loharanon'ny fahendrena rehetra. Mandinika ny Tenin'Andri.amanitra izy mba hahafantarany izay fenitra napetraka ao.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal