"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
HOAVY MAMPANAHY
lo famaranana be voninahitra ao amin'ny Jos. 21:43-45 io dia manambara fahafenoan'ny fepetry ny fankatoavana. Tsy azo fotsiny amin'izao ny fahombiazana; mifamatotra mandrakariva amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izany. Koa na marina aza fa noho ny fahatokian Andriamanitra tamin'ny Isiraely no nahazoany ny tany (Neh. 9:8). dia tsy voafetra ny mety ho fivoaran'ny toe-javatra amin'ny hoavy, arakaraka ny fitondran-tenan'ny Isiraely. Ho vitan'ny Isiraely ve ny hiaro izay efa azony?
Vakio ny Jos. 23:1-5. Inona avy ireo teboka ifantohan'ny fampidirana nataon'i Josoa?
Milaza ny amin'ny maha-zokiolona sy efa mandroso fahanterana azy i Josoa (nasongadina indroa) ao amin'ny lahateniny, ary ireo mpihaino azy izay tsy maintsy hanohy ny asa nanirahan'Andriamanitra azy no iresahany. Hazavainy ny fomba nahazoan'izy ireo ny tany: Jehôvah no niady ho azy ireo. Na voatery nirotsaka an'ady aza ny Isiraelita taorian'ny nialany tao Egypta satria tsy nahatoky sy tsy nanam-pinoana dia tsy noho ny tanjany ara-tafika no nahazoany ny tany, fa noho ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.
Nomen'Andriamanitra fitsaharana tamin'ny fahavalony ny Isiraely, saingy mbola misy firenena sasany tsy maintsy horoahina. Tsy zavatra efa vita ka zava-misy tsy azo ovana intsony tsy akory ny fandresena ho an'ny Isiraely, fa miankina mandrakariva amin'ny fianteherany tsy tapaka amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fanampiany efa vonona.
Inona no mampitovy ny fomba nahazoan'ny Isiraelita ny tany Kanana teo ambany fitarihan'i Josoa sy ny fomba ahafahan'ny Kristianina ankehitriny manana fiainana ara-panahy feno fandresena? Vakio ny Jos. 23:10; Kol. 2:15; 2 Kor. 10:3-5; Efes. 6:11-18.
Tsy azo lazaina ho avy amin'ny tanjaka sy ny paikadin'ny Isiraelita ny fandreseny. Toy izany koa ny fandresena ny fahotana sy ny fakam-panahy; ny sorona nataon'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no efa nahazoantsika izany, saingy tsy maintsy miantehitra tsy tapaka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, mba hananany fiainana feno fandresena.
Raha maro toy izany ireo teny fikasana omena antsika, nahoana no mbola toa mora foana amintsika ny manota?
"Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. "- Isa. 66:2.
Mofon’aina:
Asehon' Andriamanitra an-tsika ao amin'ny Teniny ny fomba tokana tokony hanatanterahana izao asa izao. Tokony hanao asa amin'ny fo sy feno fahatokiana isika, hiasa mafy ho an'ireo fanahy maro tahaka izay tsy maintsy hampamoahina. "Mibebaha," izany no hafatra nanakoako nentin'i Jaona tany an' efitra.
Izao no hafatr'i Kristy ho an'ny vahoaka: "raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana."-Lio. 13:5. Ireo Apostoly dia nomena baiko mba hitory any amin'ny toerana rehetra mba hahatonga ny mpanota hibebaka. Ny Tompo dia maniraka ny mpanompony ankehitriny mba hitory ireo fampianaran'ny filazantsara hatrizay: ny alahelo noho ny fahotana sy ny fibebahana ary ny fiaiken-keloka. (...)
(...) Horaisin' i Kristy ny fanahy izay manatona Azy amim-pibebahana marina tokoa. Ny fo torotoro sy mangorakoraka dia tsy mba hataony tsinontsinona.
Re eny amin'ny laharana rehetra ny hiakiakan'ady. Aoka ny miaramilan'ny hazo fijaliana handroso, tsy amin'ny fitokisan-tena anefa fa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fileferan'ny fo. Ny asanao, ny asako dia tsy hiato mandritra ity fiainana ity. Fotoana fohy ihany no hialana sasatra ao am-pasana, fa rehefa tonga ny antso dia hataontsika indray ny asantsika any amin'ny fanjakan ' Andriamanitra mba hampandrosoana ny voninahitr' i Kristy. Ety an-tany dia efa tokony hatomboka izany asa masina izany. Tsy izay mahafinaritra antsika sy tiantsika no tokony himasoantsika.. Izao ny fanontaniana tokony hapetratsika: inona no azoko atao hitondrana ny hafa hankeo amin'i Kristy? Ahoana no ataoko mba hampahafantarana ilay fitiavan'Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra? ST, 27 Desambra 1899.