Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mizaha toetra ny fahatokiana Andriamanitra

Daty
Sabotsy 23 May 2026

 «Ary Jehôvah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra.» - Deo. 26:18.

Mofon’aina:
Ampandalovin' Andriamanitra fitsapana isika, ary raha mahajoro tsara araka izay antenainy, dia ho rakitra soa ho Azy. Manoritra tsipika manasaraka antsika amin'izao tontolo izao ny Sabata, tsy amin'ny fomba manjavozavo fa amin'ny loko miharihary mazava. Ho an' ireo izay nandray ny fahazavan'io fahamarinana io, ny Sabata dia fitsapana; tsy fitakiana avy amin'olombelona izany, fa fitsapana avy amin'Andriamanitra. Io no mampiavaka ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy, ary io no lohahevitra hifanolanana indrindra amin'ilay ady lehibe farany eo amin'ny marina sy ny diso. Izay rehetra mitonona ho mpitandrina ny lalàn'Andriamanitra dia tokony hijoro sy hiray saina ny amin'ny fitandremana ny Sabatany masina. (...)

Rehefa nandalo ny tany Egypta ny anjely mpandringana mba hamely ny lahimatoan'ny olona sy ny biby, dia nomena toromarika ny Isiraelita hampiditra ny zanany hiaraka amin'izy ireo ao an-tranony, ary hanentina rà ny tolana sy ny tataom-baravarana, ka tsy nisy nahazo nivoaka ny trano, satria izay rehetra ho hita eny anivon'ny Egyptianina dia haringana miaraka aminy. 

Tokony handray lesona avy amin'izany isika. Mbola handalo hamakivaky ny tany indray ny anjely mpandringana. Hisy marika hapetraka eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary izany marika izany dia ny fitandremana ny Sabatany masina. Tsy ny sitrapontsika na ny fihevitsika manokana no tokony harahintsika ka hitompo teny fantatra isika fa hanaiky ny fepetrantsika Andriamanitra. (...) Hizaha toetra ny finoantsika Andriamanitra amin'ny fanomezany antsika anjara asa hatao mifandraika amin'ny fidirany an-tsehatra ho antsika. Ho tanteraka amin' ireo izay mankatò ny fepetra ny teny fikasany. (...)

Tokony hampianatra ny zanatsika ny didin'Andriamanitra amim-pahatokiana isika; aoka hahalefitra eo ambany fifehezana sy ny fahefan'ny ray aman-dreny izy ireo; avy eo, apetratsika eo an-tanan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana sy ny vavaka, dia hiara-miasa amin'ny ezaka ataontsika Izy, satria efa nanome toky fa hanao izany. Ary rehefa mandalo hamely ny tany ny loza lehibe, dia ho voafina ao an-trano fialofan' ny Tompo izy ireo, miaraka amintsika. - Ms, 3, 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal