Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHENDRENA HOENTI-MIAINA AMIM-PAHAMARINANA

Daty
Sabotsy 17 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 119:1-16; Sal. 90; Jao. 3:16; Sal. 95:7-11; Sal. 141; Sal. 128.

Tsianjery: "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry."- teod libin Sal. 90:12.

Araka ny efa hitantsika dia manome famelan-keloka ny fahasoavan' Andriamanitra ary mamorona fo vaovao ao anatin'ilay mpanota mibebaka, izay miaina amim-pinoana izany.

Manome toromarika mba hananana fiainam-pahamarinana koa ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 119:9-16). Tsy fitadiavam-pamonjena amin'ny asan'ny lalàna velively ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra fa fiainana mifandray ety amin'Andriamanitra, fiainana feno fitahiana (Sal. 119:1,2; Sal. 128).

Kanefa tsy ilaozan'ny fakam-panahy ny fiainan'ny olo-marina. Indraindray aza mety ho lavo amin'ny fakam-panahy izy ireo, izay mamandrika azy amin- kafetsena hanota (Sal. 141:2-4). Avelan'Andriamanitra hisy ny fitsapana mba hizahan-toetra ny fahatokian'ny zanany (na tsia). Raha mitandrina ny toromarika sy ny anatr'Andriamanitra ny zanany dia ho voadio ny finoany ary hohamafisina ny fitokiany amin'ny Tompo. Ny fanandramana miaraka amin'Andriamanitra eo anivon'ny fakam-panahy sy ny zava-tsarotry ny fiainana no hahazoana fahendrena hoenti-miaina amim-pahamarinana. Araka izany dia maneho fanoloran-tena mitohy mba handeha amim-pahatokiana amin'ny Tompo ilay vavaka ao amin'ny Sal. 90:12 hoe: "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal