Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiambenana Maraina Androany

Ny asa nanirahana antsika eto amin’izao tontolo izao.

Daty
Alahady 01 November 2026

" Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao." Jao. 17:18. 

Mofon'aina :

Moa ve mahatonga antsika tsy ho afaka hanao ny asa nanirahan’ny Tompo antsika ny fisarahantsika amin’izao tontolo izao noho ny fankatoavantsika ny didin’Andriamanitra? Manakana antsika tsy hanao ny tsara amin’ny manodidina antsika ve izany? Tsia, arakaraka ny ifikirantsika amin’ny lanitra no vao mainka ahombiazantsika amin’ny asa. Aoka isika handinika Ilay Modely mba ho ao amintsika ny saina izay tao amin’i Kristy koa. Tsy mba isan’ireo olo-malaza sy nomem-boninahitra teto amin’izao tontolo izao i Kristy. Tsy mba niaraka tamin’ireo nikatsaka harena sy fahafinaretana Izy. Niasa ho fanampiana ny sahirana Izy, namonjy ireo very sy efa ho faty, nampitraka ireo nitanondrika, namaha ny fatoran’ny fanandevozana, nampahery ireo mijaly, ary nanao teny feno fangorahana sy fampiononana ho an’ireo fadiranovana sy malahelo. Natao hanaraka izany ohatra izany isika. Arakaraka ny hananantsika ny toe-tsain’i Kristy no hitadiavantsika hanao soa ho an’ny mpiara-belona amintsika. (...)

Efa hikatona ny varavaram-pahasoavana (...). Tsy ho ela dia hotononina ny vavaka farany ho an’ny mpanota, hilatsaka ny ranomaso farany, homena ny fampitandremana farany, hatao ny fitalahoana farany, ary tsy ho re intsony ilay feo mamin’ny famindrampo. Izany no mahatonga an’i Satana hiezaka fatratra hihazona ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny fandriny (...). Ataon’i Satana izay hanesorana amintsika izay rehetra mety ho ara-panahy, ka ny fahasoavan’i Kristy ao am-pontsika dia soloany toetra ara-nofo – fankahalana, eritreri-dratsy, fialonana, fitiavana an’izao tontolo izao (...). Mila hery hiatrehana ny fahavalo isika (...) Raha tsy miambina sy mivavaka mantsy isika dia hanjaka ao am-pontsika sy handroaka ny tsara rehetra ao ireo zava-dratsy ireo. – RH, 2 Janoary 1900.

Tena lehibe ny andraikitra ankinina amin’ireo mpianatr’i Kristy. Tsy maintsy ataratra amin’izao tontolo izao rakotra haizina ny fahazavana avy any an-danitra. Arakaraky ny halehiben’ny haizina no tsy maintsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny finoana sy ny oha-piainana kristianina. – RH, 23 Oktôbra 1888.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal