Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 October 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 17:14; Isa. 13:1; Jer. 36:17,18; Rôm. 16:22; Lio. 1:1-4; Joda 14,15; 2 Kôr. 4:7.

Tsianjery

"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina." - Rôm. 15:4.

Tianao ve ny hampianarina hira izay Andriamanitra mihitsy no namorona azy? Nosoratan'i Mosesy teo ambanin'ny fitarihan'Andriamanitra ireo tononkira ao amin'ny Deo. 32 (Deo. 31:19-22). Tsy dia mieritreritra hira loatra isika ankapobeny rehefa miresaka momba ireo asa soratry ny mpaminany, nefa maro amin'ireo salamo no hira avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, na dia tsy notononin'ny Tompo mivantana aza ny tononkira.

Misy fomba lehibe telo voalazan'ny Baiboly fa nampitan'ireo mpaminany ny hafatr'Andriamanitra: (1) am-bava; (2) amin'ny alalan'ny lahatsoratra; ary (3) amin'ny alalan'ny fihetsika maneho tandindona na fiainana aseho ny olona rehetra. Hifantoka amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina isika amin'ity herinandro ity. Mirakitra ny Tenin'Andriamanitra ny Baiboly, izay ambarany amin'ny alalan'ny tenin'ireo mpitondra ny hafany, anisan'izany ny toriteny sy lahateny ataon'ireo mpaminany.

Saino ny fahasamihafan'ny fomba fanoratana sy ny karazan-dahatsoratra ao anatin'ny asa soratry ny mpaminany: fitantarana, tantara marina, tononkalo, fitarainana, ary epistily, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Lehilahy sy vehivavy voafidy no nanambara tamin'ny fitenin'olombelona ny hafatra izay nampitondrain'ny Fanahy Masina azy. Ho hitantsika amin'ity herinandro ity ny asa soratr'izy ireo, ny nampiasany mpitan-tsoratra (sekretera), ary ny tokony hotadidina rehefa mandinika andalan-tsoratra saro-takarina.

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.

Daty
Alahady 01 November 2026

Ny fomba voalohany nampiasain'Andriamanitra hampitana ny hafany tamin'ny olombelona dia tamin'ny alalan'ny fifandraisana mivantana am-bava, toy ny feo re mazava, na nofy, na anjely. Tamin'ny andron'i Mosesy vao hita tao amin'ny Soratra Masina ny toromarika voalohany avy amin'Andriamanitra, izany hoe nosoratana tao anaty "boky" izay nolazain'Andriamanitra.

Inona no noresahina voalohany indrindra ao amin'ny Baiboly momba ny fanoratana? Vakio ny Eks. 17:14.

Ahitana ohatra maro ao amin'ny TT momba ny nanomezan'Andriamanitra toromarika ireo mpitondra ny hafany, mba hitahiry an-tsoratra ny Teniny ho an'ny vahoakany. Toa an'i Mosesy, dia nilazana toy izao koa i Jeremia:

"Makà horonan-taratasy hianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao, dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany." - Jer. 36:2.

Nomena azy koa ny antony tokony hanoratany ireo faminaniana ireo: "Angamba hoheverin'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny làlany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany." - Jer. 36:3. Nomena ireo faminaniana ireo mba hitondra ny olona ho amin'ny famonjena, fa tsy hanomezana fahafaham-po fotsiny ny fahalianana te hahafanta-javatra momba ny hoavy.

Nanoratra tao anatin'ny toe-javatra isan-karazany ireo mpitondra ny hafatr'Andriamanitra. Tany an'efitra no nanoratan'i Mosesy ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly. Maro amin'ireo Salamo nataon'i Davida no nosoratany raha teo am-panenjehana azy i Saoly (jereo ny Sal. 52, 54, 57, 59). I Daniela dia nanoratra ny fahitany raha mbola nanompo tao an-dapan'i Babylona sy ny lapan'i Media sy Persia izy. I Paoly kosa nanoratra ny epistiliny ho an'ny Efesianina, ny Filipianina, ny Kolosianina ary ny Filemona raha mbola tany am-ponja. Ary i Jaona dia nanoratra ny bokin'ny Apokalypsy tany Patmo, raha natao sesitany izy.

Mazava fa rehefa nantsoin'Andriamanitra hanoratra ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra, dia nomen'ny Fanahy Masina hery sy notarihiny izy ireo, na inona na inona toe-javatra nisy azy.

Mahaliana fa ny fampianaran'i Jesosy rehetra dia voatahiry ho antsika amin'ny endrika voasoratra, tamin'ny alalan'ireo olona nofidin'Andriamanitra hitahiry ireo fahamarinana sarobidy ireo. Mampiseho izany fa nitokian'Andriamanitra ny fandraketana an-tsoratra amim-pahatokiana sy ny fitehirizan'ireo olona nirahiny ny hafatra avy Aminy.

Ahoana no hamalianao ny olona izay milaza fa tsy azontsika itokiana ny Baiboly satria tsy ananantsika intsony ny sora-tanana tany am-boalohany? Nahoana no tsy maharesy lahatra izany hevitra izany raha ny marina?

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.

Daty
Alatsinainy 02 November 2026

Ahitana fomba fanoratra isan-karazany ao amin'ny Baiboly, izay nampiasain'ireo mpitondra ny hafatr'Andriamanitra notarihin'ny Fanahy Masina. Ny sasany dia toy ny diary (jereo ny Nom. 33:1-49). Ny bokin'i Daniela sy Zakaria ary Jaona kosa dia mirakitra ohatra ny amin'ny lahatsoratra momba ny andro farany, izay miavaka amin'ny sary an'ohatra manaitra, lohahevitra mahafaoka izao tontolo rehetra izao, ary famaritana momba ireo mponina any an-danitra, ary toetra hafa koa.

Vakio ny Isa. 13:1. Ahoana no ilazan'ny Baiboly ny hafatra entin'i Isaia eto?

"Faminaniana" no iantsoana ny fahitana raisin'ny mpaminany, izany hoe "fanambarana avy amin'Andriamanitra", satria hafatra avy amin'Andriamanitra izany (indraindray ny teny faminaniana dia adika koa hoe "entana"; jereo, ohatra, ny Jer. 23:33). Amin'ny fandikan-teny tatỳ aoriana, dia hita fa maro amin'ireo hafatra ireo no nosoratana tamin'ny endrika tononkalo, izay matetika mampifanitsy hevitra roa mitovy na mifamaly ("parallélisme"). Io dia fomba fanoratra izay mamerina na manohitra ny hevitra ao amin'ny andalana teo aloha. Ohatra: "Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely" - Isa. 17:7. Ny hoe "Mpanao azy" sy "ny Iray Masin'ny Isiraely" dia mifanindran-dalana, ka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny momba ny hevitra voalohany ny faharoa, ary momba ny hevitra faharoa, ny voalohany.

Nampiasa fomba fanoratra hafa koa ny mpaminany, toy ny fampiasana tandindona sy ny filaza matavy na laza masaka ("hyperbole"). Mba hahatakarantsika sy hampiharantsika tsara ny hafatr'izy ireo dia ilaina ny mahafantatra ny karazana fomba fanoratra nampiasainy.

Fomba fanoratra iray hafa fahita ao amin'ny Soratra Masina ny fampiasana ny tontolon-kevitry ny fitsarana mifandray amin'ny fanekena. Ohatra, ao amin'ny Jer. 2:4-9 dia asehon'i Jeremia Andriamanitra mitory ny vahoakany toy ny eo amin'ny fitsarana, noho ny tsy nanaovany ny adidiny araka ny fanekena. Amin'ny alalan'ny sary an'ohatra maneho ny zava-mitranga ao amin'ny efitrano fitsarana, dia asehon'ny mpanoratra ho toy ny mpampanoa lalàna Andriamanitra, izay manambara ny anton'ny fitsarany.

Ahitana teny faminaniana, tantara, hira ary fanoharana koa ny Soratra Masina. Nasaina nandrakitra ny hafany rehetra tao anaty boky iray i Jeremia (Jer. 36:2), ary ny ankamaroan'ny boky ao amin'ny TV kosa dia taratasy nalefa tamin'ny vondron'olona na fiarahamonina manokana. Tsy misy karazana fomba fanoratra iray heverina ho manana fahefana noho ny iray hafa ao amin'ny Baiboly. Tokony horaisina ho manan-danja mitovy amin'ny hafatry ny mpaminany fahiny ihany ny epistilin'i Paoly, satria hita mazava ao amin'ny taratasiny fa notarihin'ny Fanahy Masina izy (jereo ny 1 Kôr. 7:10,12,40).

Misy mpandinika sasany manasongadina loatra ny lafiny maha-olombelona ao amin'ny Soratra Masina ka manamaivana ny maha avy amin'Andriamanitra izany. Nahoana no azo antoka fa hitondra ho amin'ny fahaverezana ara-panahy izany?

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.

Daty
Talata 03 November 2026

Vakio ny Jer. 36:17,18 sy ny Rôm. 16:22. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny nampiasan'ireo mpanoratra ny Baiboly olona nanampy azy tamin'ny fanoratana?

Azo heverina fa azon'i Jeremia natao ny nanoratra ny hafany, saingy nisafidy ny haka mpitantsoratra izy mba handrakitra amim-pahatokiana ireo faminaniany sy hampita izany amin'ireo mpitondra ny firenena. Tsy i Jeremia ihany, ao amin'ny Baiboly, no mpaminany niantso olona hanampy azy amin'ny fanoratana mba hampitana ny hafatra avy amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny TV, na milaza aza i Tertio hoe: "Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity" - Rôm. 16:22, dia hita mazava hatrany am-piandohan'ny epistily ho an'ny Romana fa ny hafatra tian'i Paoly hampitaina ihany no nosoratany. Mpitantsoratr'i Paoly i Tertio, na sekretera, izany hoe nanampy tamin'ny fandraketana an-tsoratra ny tenin'i Paoly.

Efa nahazatra an'i Paoly izany fomba izany. Teo am-pamaranana ny epistiliny ho an'ny Kolosianina sy ny Tesalonianina dia nanao veloma i Paoly, "Ity no veloma ataon'ny tànako" hoy izy (Kôl. 4:18; 2 Tes. 3:17), mba hanamafisana fa tena azy tokoa ilay epistily manontolo. Milaza izany fa nisy olona hafa nanoratra ny ankamaroan'ireo taratasy ireo ho azy. Mety hiteraka fisalasalana mantsy izany - andrao tsy maneho ny heviny marina ilay taratasy, na ratsy noho izany, andrao tsy avy aminy mihitsy ilay epistily - koa nanoratra teny fohy, izay sora-tanany mihitsy i Paoly tany amin'ny farany, mba tsy hisy hisalasala ny maha marina sy azo itokiana ilay epistily.

Mpandinika maro no mihevitra fa ny fahasamihafana hita eo amin'ny fomba fanoratra ao amin'ireo epistilin'i Paoly dia mety ho avy amin'ireo olona samihafa nanampy azy tamin'ny fanoratana. Toy izany koa no heverina momba ireo epistily roa nosoratan'i Petera: "Na marina aza fa tsy mitovy amin'ny an'ny epistily voalohany ny fomba fanoratra hita ao amin'ny 2 Petera, dia azo hazavaina izany amin'ny fiheverana fa mety ho nampiasa mpitantsoratra i Petera (...) mba handrafitra amin'ny teny grika ilay epistily nosoratany. Raha i Paoly, izay nahay tsara ny teny grika aza, hita mazava fa nampiasa mpitantsoratra, tsy mainka mitombina kokoa ve ny mihevitra fa nanao toy izany koa i Petera, izay ny teny arameana no fitenin-drazany? Ary azo inoana fa nisy fiantraikany ny fandrafetan'ireo mpitantsoratra ireo ny teniny tamin'ny teny grika." - SDA Bible Commentary, b. 5, t. 186.

Manambara izany fa na nitandrina tamim-pahatokiana ny hevitra sy ny hafatra nampitain'ireo irak'Andriamanitra aza ireo mpitantsoratra, dia mety ho hita eo amin'ny voambolana sy ny firafitry ny fehezanteny ny fahaiza-manao sy ny fomba fanoratra samihafa nananan'izy ireo. Ny hevitra no avy amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina, fa tsy voatery ho ny teny tsirairay nampiasaina hanehoana izany hevitra izany.

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra

Daty
Alarobia 04 November 2026

"Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy. Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana." - Mpitt. 12:9,10.

Azo raisina avy amin'ity andininy ity fa tsy i Solomona no namorona ny ohabolana rehetra izay noraketiny. Teo ambany fitarihan'Andriamanitra no "nitadiavany" fomba fiteny maro sy "teny mahafinaritra" hampitana ny fahamarinana. Raha ny marina, ilay famaritana malaza momba ny vehivavy tsara ao amin'ny Ohab. 31 dia natao momba ny renin'i Lemoela mpanjaka, izay tsy dia fantatra loatra, fa tsy i Solomona (Ohab. 31:1). Misy singa ihany koa hamantarana fa nisy fiantraikany tamin'ny lahatsoratra ao amin'ny Ohabolana ny literatiora egyptianina.

Toy izany koa, ireo mpanoratra tantara nahazo tsindrimandry ao amin'ny TT dia nilaza fa nampiasa tahirin-kevitra sy raki-tsoratra ara-tantara hafa izy ireo mba hitantarana amim-pahatokiana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny 1 Mpanj. 11:41, Lio. 1:1-4, ary ny Joda 14,15. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny nampiasan'ireo mpanoratra ny Soratra Masina loharanon-kevitra ivelan'ny Baiboly indraindray?

Ohatra hafa amin'ireo mpanoratra ao amin'ny Baiboly izay niankina tamin'ny tahirin-kevitra ara-tantara teo am-panoratana i Ezra sy i Nehemia. Nampidirin'i Ezra tao amin'ny lahatsorany ny dika mitovin'ny taratasy sy ny didim-panjakana mikasika an'i Jerosalema sy i Persia (jereo ny Ezra toko 4-7), ary i Nehemia kosa dia nilaza fa nahita taratasy filazana firazanana, ary nampidiriny tao amin'ny fitantarany izany (jereo ny Neh. 7:5-72).

Hita ao amin'ny TV koa io foto-kevitra io. "Mazava, araka ny fanandraman'i Lioka fa ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra dia mifanaraka amin'ny fomba fiasa voajanaharin'ny sain'olombelona ary tsy manafoana izany. Ny mpanoratra eto dia notarihin'ny Fanahy Masina handinika amim-pitandremana ireo loharanon-kevitra nambara am-bava sy an-tsoratra momba ny fiainan'i Kristy, ary avy eo nanangona sy nandrafitra ny tahirin-kevitra voarainy ho fitantarana mirindra." - SDA Bible Commentary, b. 5, t. 669.

I Joda indray toa maka teny avy ao amin'ny boky 1 Enoka 1:9, izay asa soratra jiosy tsy tafiditra ho isan'ny Baiboly, ary nosoratana teo anelanelan'ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Ary i Paoly dia naka teny avy tamin'ireo filozofa grika, na dia tsy nanonona ny anaran'izy ireo aza izy (jereo ny Asa. 17:28 sy ny Tit. 1:12).

Na matetika aza ireo mpanoratra ny Baiboly no notarihin'Andriamanitra mivantana tamin'ny alalan'ny fahitana sy ny nofy, dia tsy nanakana ny Fanahy Masina tsy hanindry mandry azy ireo hifidy sy hampiasa fitaovana avy amin'ny loharano hafa izany. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny tsy manadino izany foto-kevitra izany?

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.

Daty
Alakamisy 05 November 2026

Inona no ambaran'i Paoly momba ny raki-tsarobidin'Andriamanitra ao amin'ny 2 Kôr. 4:7?

Nanoratra i Paoly fa natao tao amin'ny "vilany tany" (izany hoe olombelona) ny rakitr'Andriamanitra, mba hisehoan'ny herin'Andriamanitra mifanohitra amin'ny fahalementsika. Asehon'ny Soratra Masina fa tahaka ny tsy niarovana manokana tamin'ny fomba mahagaga ireo irak'Andriamanitra mba tsy ho lavo amin'ny fahadisoana eo amin'ny fiainany (toa an'i Mosesy, Elia, Davida, Jona, ary Petera), dia tsy nesorina tanteraka tamin'ny asa soratr'izy ireo koa ny tsy fahalavorariana eo amin'ny fomba fahatakaran'ny olombelona sy eo amin'ny fampitany hevitra.

"Ny fitambaran'ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona, izay hita tao amin'i Kristy, dia hita ao amin'ny Baiboly koa. Ny fahamarinana nambara dia samy 'avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra'; nefa aseho amin'ny tenin'olombelona izany ary ampifanarahana amin'izay ilain'ny olombelona." - TFC, b. 5, t. 747.

Ny maha-olombelona ireo irak'Andriamanitra dia tsy nofoanan'ny fiantsoana masina noraisin'izy ireo hampita ny haren'ny fahamarinana, araka ny nosoratan'i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 4:7. Hita koa fa nisafidy ny tsy hisakana ny mpitondra ny hafany tsy hanao fanambarana na hanoratra teny saro-takarina amintsika sy sarotra hazavaina ny Fanahy Masina. Vitsy ihany ny andininy toy izany ao amin'ny Baiboly, nefa tsy misy tokony ho tafintohina amin'izany raha tsy noho ny fahaterem-pisainana. Amin'ny maha Kristianina mino ny Baiboly antsika, dia tokony hilefitra amin'ny Tenin'Andriamanitra araka ny fahatakarantsika izany isika, ary hatoky ny Tompo na dia amin'ireo zavatra tsy mbola takatsika tsara aza.

Mety ho vokatry ny fahadisoana madinika nataon'ireo mpanao dika mitovy tatỳ aoriana ny fifanoheran-kevitra sasany, na koa noho ny fahasamihafan'ny loharanon-kevitra (tahirin-kevitra) nampiasain'ireo mpanoratra ny Soratra Masina. Rehefa mandinika andininy saro-takarina isika, dia tokony hametra-panontaniana hoe: Takatsika tanteraka ve ny tian'ilay mpanoratra hambara? Hamaha ny olana ve ny fandalinana izany misimisy kokoa?

Na tsy voavahantsika avokoa aza ny olana rehetra avy amin'ny fahadisoana na fifanoheran-kevitra, dia hitantsika fa tsy misy fiantraikany amin'ny votoatin'ny hafatra ampitain'ny Soratra Masina izany. Mahazo matoky isika fa ny fahamarinan'ny Soratra Masina avy amin'Andriamanitra dia nambara tamim-pahatokiana, na teo aza ny tsy fahatanterahan'ireo olombelona nirahin'Andriamanitra.

Nahoana, araka ny hevitrao, no nisafidy ny hampiasa olombelona mety diso Andriamanitra fa tsy anjely tsy manan-tsiny mba ho mpitondra ny hafany?

Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.

Daty
Zoma 06 November 2026

Mifanaraka indrindra amin'izay nodinihintsika nandritra ity herinandro ity, momba ireo mpitondra ny hafatr'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly, ny fanandramana niainan'i Ellen G. White sy ny asa sorany. Nahazo iraka avy amin'Andriamanitra koa izy hanoratra izay naseho taminy.

Nanoratra toy izao i Ellen G. White tamin'ny taona 1909: "Noho ilay loza izay saika nahafaty ahy dia nanjary narefo ny fahasalamako ka tsy nahavita nanoratra aho. (...) Kanefa indray alina dia tonga teo anilan'ny fandriako ny anjelin'ny Tompo ka niteny tamiko hoe: 'Tsy maintsy soratanao ireo zavatra izay omeko anao.' Hoy aho: 'Tsy mahay manoratra aho.' Dia naverina indray ny baiko hoe: 'Soraty ireo zavatra omeko anao.' Nisaina tato am-poko ny hanandrana hanoratra aho, ka naka takelaka fanoratana teo ambony latabatra, dia nanomboka nanoratra, ary hitako fa nahay nanoratra mora foana ireo teny aho." - GCB, 31 Mey 1909.

Tahaka ireo mpanoratra ny Soratra Masina, dia nanana olona nanampy azy tamin'ny fanoratana koa i Ellen G. White. Ireo sekreterany no nanao ny asan'ny tonian-dahatsoratra, izany hoe manampy ny mpanoratra hampita ny hafany amin'ny fomba mazava nefa tsy manampy ny heviny manokana. Tsy mpanoratra miafina ao ambadik'i Ellen White na mpiara-manoratra aminy izy ireo. Niankina tanteraka tamin'ny hafatra nomen'i Ellen G. White ny asan'izy ireo, na nosoratany tanana izany na nambarany am-bava.

Naka lahatsoratra sy hevitra avy amin'ny boky sy loharanon-kevitra hafa koa i Ellen G. White tao amin'ny asa sorany mba ho tafita tsara kokoa ny hafany. Raha nampirisika ireo mpamaky ny bokiny izy hamaky ny sasany amin'ireo boky izay nampiasainy, dia mazava fa tsy nikasa ny hamitaka na hanao ny tsy rariny tamin'ireo mpanoratra ireo izy. Hitany tao amin'ny fitenin'izy ireo kosa ny fomba fanehoan-kevitra mety indrindra hampitana ireo fahamarinana tiany hambara.

Ahoana indray ny amin'ireo hevitra sasany tsy mitombina na tsy mifanaraka?

Izao no nosoratany: "Tsy mbola nilaza velively aho fa tsy mety diso; Andriamanitra irery ihany no tsy mety diso." - SIM, b. 1, t. 37.

Mety hahita fanambarana sasany ao amin'ny asa sorany isika izay saro-takarina na tsy mifandrindra amin'ny fanambarana hafa. Tsy nofoanana tsy akory ny maha olombelona an'i Ellen G. White noho ny fiantsoana azony avy amin'Andriamanitra. Tahaka antsika rehetra dia nitombo sy nihamatotra izy, ary hita taratra ao amin'ny asa sorany izany fitomboana sy fahamatorana izany.

Araka izay efa voalaza, nefa ilaina averina indray, dia nahitsiny koa ireo olona izay nihevitra fa ny teny rehetra nosoratany dia voarainy mivantana avy any an-danitra. Hoy izy: "Misy fotoana izay tsy maintsy niresahana zavatra tsotra andavanandro sy nieritreretana momba izany; tsy maintsy nisy taratasy tsotra nifampitana hafatra teo amin'ny mpiasa iray mankamin'ny anankiray hafa. Ny teny sy ny fampahafantarana toy izany dia tsy avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahin'Andriamanitra manokana." - SIM, b. 3, t. 58.

Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 07 November 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Nom. 13:26-30; Jer. 36:20-26; 2 Tant. 36:15,16; Mat. 23:30-35; 1 Kôr. 10:6-12.

Tsianjery

"Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao." - 1 Kôr. 10:11.

Maro ny olona amin'izao andro izao no ampirisihina hilaza izay heveriny manokana ho "fahamarinana" — izany hoe ny fanandramana niainany, ny heviny, ny zavatra ilainy, ny fetra apetrany tsy azo ihoarana, ary ny faharesen-dahatra ananany, na inona izany na inona. Araka io fomba fisainana io, dia manan-kery ny "fahamarinana" rehetra ka tsy tokony hosakanana na hampanginina. Inona kosa no mitranga raha toa mifanohitra amin'i Jesosy Kristy ilay Fahamarinana, sy ny Teniny voasoratra, ny sasany amin'ireo "fahamarinana" inoan'ny olona lalina ao am-pony ireo?

Izao no zava-mitranga: misy olona manaiky ireo fahamarinana ara-Baiboly ka miala amin'ny fahadisoany; fa ny hafa kosa mifikitra amin'ny laingany ihany. Misy ireo manova ny fitondrantenany rehefa mahalala ny fahamarinana, fa ny hafa kosa manohitra izany. Tahaka izany ny tantaran'ny olombelona hatramin'izay.

Matetika ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly no nantsoina hitondra hafatra izay tsy tian'ny olona horenesina. Vokatr'izany dia maro tamin'izy ireny no nahazo fanakianana, nailiky ny fiarahamonina, ary nisy aza norahonana ho faty na novonoina mihitsy (Heb. 11:32–38). Na teo aza izany rehetra izany, dia nanambara tamim-pahatokiana ny hafatra nomena azy ireo mpaminanin'Andriamanitra, satria tsy safidiny ny fanendren'Andriamanitra azy ho mpaminany, fa toromarika mamonjy aina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Noho izany, dia tsy maintsy nambara ny hafatra, na inona na inona sandany naloan'ilay mpaminany manokana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal