Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 19 September 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 8:9; Rôm. 16:20; 1 Jao. 4:8-11; 2 Kor. 13:11; Fil. 2:1,2; Gal. 4:4-6.

Tsianjery

"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina." -2 Kor. 13:14.

Ny 2 Kor. tamin'ny ofaranan'i Paoly ny fanasongadinana indray ireo hevitra fototra novelabelariny tao amin'ireo epistiliny. Tamin'ny alalan'ny baiko dimy no nanaovany izany (2 Kor. 13:11).

Ny baiko voalohany, «Mifalia», dia mampahatsiahy ireo andalan-teny teo aloha ao amin'ireo epistily.

Ny baiko faharoa, «aoka ho tanteraka hianareo», dia nadika avy amin'ny teny grika tokana (katartiző), izay hita eto sy ao amin'ny 1 Kor. 1:10.

Ny fahatelo, «mandraisa fampiononana», dia mamerina ny voalazan'ny 2 Kor. 1:3-7. Nanomboka sy namarana ny epistiliny faharoa tamin'ny fampiononana i Paoly. Mandray ny fampiononan'Andriamanitra isika mba hahafahan-tsika mampionona ny hafa (2 Kor. 1:4,6).

Ny baiko fahefatra sy fahadimy, «Miraisa saina, mihavana» (2 Kor. 13:11), dia antso ho amin'ny firaisan-kina. Ireo dimy ireo no fepetra hisian'ny fanatrehan'Andriamanitra, dia Ilay «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana» (2 Kor. 13:11, ESV). Izany dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ao am-pon'ny olombelona (2 Kor. 13:14).

Ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ho antsika. Ireo toetra kristianina telo ireo no miteraka rivo-piainana izay misy ny fanatrehan'Andriamanitra.

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Daty
Alahady 20 September 2026

Mankahery tokoa ny mahita fa eo am-pamaranana ny 2 Kor., tahaka ny tany arm-piandohana ihany, dia miresaka momba ny fahasoavan'i Jesosy i Paoly (2 Kor. 1:2, 2 Kor. 13:14). Tsy nitsahatra nieritreritra sy niresaka momba an'i Jesosy izy, araka ny hitantsika hatrany am-piandohan'ity telovolana ity.

"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony"- 2 Kor. 8:9.

Akory ny hakanto sy ny halehiben'ny herin'ny fahasoavan'i Jesosy! Nafoiny ny haren'ny fiainany mandrakizay tany an-danitra mba ho tonga mahantra Izy. Nandeha tamin'ireo lalana feno vovoka tany Galilia fahiny Izy. «Nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana» Izy - Fil. 2:8. Nataony izany mba ho tonga «manankarena>> isika, izany hoe, mba hananantsika fahafahana hiaraka aminy any an-danitra. Sarotra ho antsika, izay tsy nahafantatra afa-tsy tontolo feno fahotana, sy fahafatesana, ary fijaliana, ny hahatakatra ny hevitry ny hoe nandao ny lapan'ny lanitra i Jesosy mba ho tonga tety an-tany sy hanolotra ny ainy ho antsika.

Vakio ny Rôm. 16:20, Gal. 6:18, Fil. 4:23, ary ny 1 Tes. 5:28. Inona no famplanarana lehibe hitanao ao amin'ireo andalan-teny ireo?

Matetika tokoa no iresahan'i Paoly momba ny fahasoavan'i Jesosy ao amin'ireo epistiliny. Anisan'ireo teny sarobidy nolazainy ny ny hoe: «amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa» - Rôm. 5:15. Ireo izay mandray izany fahasoavana be izany dia «hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy» Rôm. 5:17. Nanomboka sy namarana epistily hafa koa, tahaka ny hita ao amin'ny 2 Kor., amin'ny firesahana momba ny fahasoavan'i Jesôsy i Paoly (Rôm. 1:7, Rôm. 16:20, 1 Kor. 1:3, 1 Kor. 16:23, Gal. 1:3, Gal. 6:18, Fil. 1:2, Fil. 4:23). lo lohahevitra io no nameno ny eritreriny, ary tiany hameno ny sain'ny Korintianina koa izany.

Izany no faniriany ho an'ny fiangonana rehetra. Mariho izay lazainy ho an'ny Efesianina: «Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesôsy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona.» - Efes. 6:24. Ho latsaka noho izany ve ny faniriany antsika ho tia an'i Jesosy, dia amin'ny fitiavana tsy mety levona? Mazava loatra fa tsia. Rehefa dinihina tokoa, ny faniriany dia ny «hitomboan'ny fahasoavana amin'ny maro» ny fahasoavan'i Jesosy (2 Kor. 4:15) ka mba ho ampy ho azy ireo izany, tahaka ny naha-ampy azy ho an'i Paoly koa (2 Kor. 12:9).

Saino fa toy Izany ny fahasoavan'Andriamanitra aminao. Inona no mendrika anao noho ireo zavatra efa nolazainao sy nataonao? Inona kosa anefa no atolotry ny fahasoavan'Andriamanitra anao ho setrin'izany?

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 21 September 2026

"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesôsy  Kristy Tompo synyfitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina" - 2 Kor. 13:14. lo andininy io no namaranan'i Paoly ny epistiliny faharoa. Mariho fa manonona ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray izy araka izao filaharana izao ny Zanaka, ny Ray, ary ny Fanahy Masina. Amin'ny alalan'ny asan'lzy telo miaraka no ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ny toetran Andriamanitra sy ny zavatra nataony ho antsika.

Vakio ny Jao. 3:16,17; Rom. 8:37-39; ary ny 1 Jao. 4:8-11. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika momba ny fitiavan'Andriamanitra?

«Andriamanitra dia fitiavana», hoy ny 1 Jao. 4:8. Toetran'Andriamanitra fototra ny fitiavana. Antitranterin'i Jaona fa azontsika atao ny mahafantatra ny atao hoe fitiavana ao amin'ny nanomezan'Andriamanitra ny Zanany Lahitokana ho faty ho antsika (Jao. 3:16). Tao anatin'ny drafi-panavotan'Andriamanitra ny nanome iraka hotanterahin'i Jesosy, dia ny famonjena antsika (Jao. 3:17, Asa. 3:20,21; 1 Jao. 4:10,14). Imbetsaka i Jesôsy no miresaka momba ny Ray ho ny Ilay naniraka Azy ao amin'ireo Filazantsara (Mat. 10:40, Mar. 9:37).

Ao amin'ny fanambarana miavaka iray, dia hoy i Paoly: «Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika i Kristy» - Rôm. 5:8. Mety hahita taratra ny fitiavan'Andriamanitra isika ao anatin'ny fifandraisana mamy eo amin'ny mpivady, na eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanany, na ao anatin'ny fisakaizana marina, sy ny sisa. Afaka mahita ny fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny zavaboary koa isika. Hoy i Ellen G. White momba izany: "Andriamanitra fitiavana "no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona mahate ho tia izay mampiravoravo ny habakabe a amin'ny hirany mahafinaritra, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin'ny rivotra, ny hazo mijoalajoala ao an'ala izay miravaka ny raviny maitso mavana - ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. - DHK, t. 8.

Kanefa, tsy misy maharesy lahatra mihoatra noho ny nanomezan'Andriamanitra an'i Jesosy ho fanatitra noho ny fahotantsika. Rehefa takatsika hatraiza ny fitiavan'Andriamanitra ka nanirahany an'i Jesôsy hanolotra ny ainy ho antsika, ny tokony havalntsika izany dia fahavononana «hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy» - 1 Jao. 3:16.

Tian'i Paoly hiaina ao anatin'ny firaisan-tsaina ireo Korintianina. Kanefa, raha tsy misy fitiavana, dia tsy misy firaisan-kina. Izany no nampianarany azy ireo fa «ny fitiavana no mampandroso» - 1 Kor. 8:1, ary raha tsy misy fitiavana, dia tsinontsinona sy foana ny zavatra rehetra (1 Kor. 13:1-3). Koa izay rehetra ataontsika dia tsy maintsy atao amin'ny fitiavana (1 Kor. 16:14), fitiavana izay vokatry ny fitiavan'Andriamanitra.

Inona no very ao amin'ny filazantsara raha toa ka tsy Andriamanitra amin'ny fahafenoany sy mandrakizay i Jesôsy ?

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.

Daty
Talata 22 September 2026

Teo amin'ny tontolo mpanompo sampy fahiny, dia tsy ninoan'ny olona ho tia ny olombelona ny andriamanitra. Noheverina ho ratsy fanahy sy masiaka koşa ireo andriamanitra ireo, ka mila tonena. Zava-baovao izany hoe Andriamanitra be fitiavana araka ny hitantsika ao amin'ny Baiboly izany. Nampitolagaga izany fanambarana izany tamin'ny androny, tahaka ny famaritan'i Paoly an'Andriamanitra hoe «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana» i Paoly - 2 Kor. 13:11.

Vakio ny 2 Kor. 13:11. Ahoana no anomezan'io andininy io fanantenana ho anao? Ahoana no hahatonga Izay voalaza ao ho fanandramana lainanao tokoa?

Azo hazavaina amin'ny fomba roa ny hoe «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana». Voalohany, Loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana no ahafantarana an'Andriamanitra. Faharoa, toetran'Andriamanitra no faritana hoe fitiavana sy fiadanana. Tsy voatery hifidy ny iray amin'ireo anefa isika, satria samy toetra fototra ananan'Andriamanitra ny fitiavana sy ny fiadanana. Sady manome fitiavana no manome fiadanana antsika Izy.

Any amin'ny andininy hafa dia hoy i Paoly momba an'Andriamanitra ho «Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana» - Rom. 15:5; «ny Andriamanitry ny fanantenana» - Rôm. 15:13; «ny Andriamanitry ny fiadanana» - Rom. 15:33, Rom. 16:20, 1 Kor. 14:33, Fil. 4:9, 1 Tes. 5:23, «Rain'ny famindrampo» - 2 Kor. 1:3, ary «Andriamanitry ny fampiononana rehetra» - 2 Kor. 1:3. Andriamanitra no Loharanon'ireo fitahiana rehetra ireo. Omeny antsika izy rehetra avy amin'ny fitiavany tsy mety ritra.

Ankoatra izany, na mahazatra ihany aza ny hoe "Andriamanitry ny fiadanana" ao amin'ny Baiboly, ny hoe «Andriamanitry ny fitiavana» kosa dia eto ihany no miseho (2 Kor. 13:11), ary noho izany dia mendrika ny hosaintsainintsika lalina indrindra izany.

Araka ny voamariky ny ankamaroan'ireo mpandinika, ny firesahan'i Paoly momba ny Andriamanitry ny fitiavana andininy vitsivitsy mialoha ny tsodrano ao amin'ny 2 Kor. 13:14 dia manondro fa mihevitra an'Andriamanitra ho Persona telo izy. «Na ampiasain'i Paoly ilazana ny iray amin'Izy telo aza ny teny hoe 'Andriamanitra' eto, ny fahatakarany momba an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina any amin'ireo andininy hafa ao amin'ny epistiliny (...) dia manery antsika hahita ilay andian-teny manontolo ho mamaritra Ilay Andriamanitra tokana Izay hitan'ny fiangonana tany am-boalohany tamin'ny endrika telo. Zato taona mahery taorian'izany vao nanomboka nampiasa teny toy ny hoe 'Andriamanitra Telo Izay Iray' ireo teolojiana (...) ho famintinana fohy izay efa nambaran'i Paoly sahady.» Tom Wright, Paul for Everyone: 2 Corinthians, p. 148.

Mino an'Andriamanitra tokana isika, dia ny firaisan'ny Persona telo Izay samy mandrakizay ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana. Tia antsika Andriamanitra Telo Izay Iray, ary miantso antsika hifankatia amin'ny fomba izay maneho ny fitiavana misy eo amin'Izy ireo.

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.

Daty
Alarobia 23 September 2026

Tsy manambara ny fitiavan'Andriamanitra antsika fotsiny ny fahasoavan'i Jesôsy , fa mahatonga ny firaisana amin'ny Fanahy koa ho vokatr'izany fitiavana izany. Ao amin'Andriamanitra koa anefa no loharanon'ny firaisana. Raha tsy misy fitiavana mantsy, dia tsy misy firaisana. Araka ny nosoratan'i Paoly hoe: «Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra» - Fil. 2:1,2.

Misy ireo milaza fa hery na fahefana mitaona fotsiny ny Fanahy Masina, nefa tsy marina izany. Rehefa dinihina, nahoana tokoa moa i Paoly no hanonona Persona roa ny Ray sy ny Zanaka - miaraka amin'ny "hery" fotsiny ao anatin'ny fehezanteny misy fitanisana "zavatra" telo? Tsy mitombina izany. Tahaka ny anehoana ny Ray sy ny Zanaka ao anatin'ny fifandraisana amin'ny olombelona (2 Kor. 1:3, 2 Kor. 11:31), ny fifandraisan'ny Fanahy amin'ny olombeona dia mitarika antsika hanatsoaka hevitra fa Persona koa Izy (Rom. 8:15, 16; jereo koa ny Jao. 14:16,17,26; Jao. 15:26).

Azo takarina amin'ny fomba roa ny hoe «firaisana amin'ny Fanahy» (Fil. 2:1). Mety hidika fiombonana eo amintsika samy isika noho ny asan'ny Fanahy izany, na fiombonantsika amin'ny Fanahy Masina mihitsy. Mpandinika maro no manamafy fa tsy mifanipaka ireo hevitra ireo. Ny firahalahiana rahateo dia vokatry ny fiombonana amin'ny Fanahy Masina.

Vakio ny 1 Kor. 2:10,11; 1 Kor. 3:16; 1 Kor. 12:11; ary ny 2 Kor. 3:6,17. Inona no namplanarin'l Paoly ireo Korintianina momba ny Fanahy?

Maro no lazain'i Paoly momba ny asan'ny Fanahy. Ao amin'ny 1 sy 2 Kor., dia mihoatra ny inefapolo no iresahana momba ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mampandroso ny fiangonana (1 Kor. 14:12), manome hery ny olona ho amin'ny iraka (1 Kor. 2:4,5), manambara amintsika ny zava-dalina momba an'Andriamanitra (1 Kor. 2:10,11) ary mampianatra izany antsika (1 Kor. 2:13), mitoetra ao anatintsika (1 Kor. 3:16, 1 Kor. 6:19), miara-miasa amin'i Kristy amin'ny fanamarinana antsika (1 Kor. 6:11), mizara fanomezam-pahasoavana ho an'ny fiangonana (1 Kor. 12-14), manisy tombo-kase antsika ho amin'ny famonjena (2 Kor. 1:22), manoratra ny lalana ao am-pon'ny olombelona (2 Kor. 3:3), ary manome fiainam-baovao ao amin'i Kristy (2 Kor. 3:6) sy fahafahana amin'ny ota (2 Kor. 3:17). Azo antoka fa tsy ho velona isika raha tsy misy ny Fanahy Masina.

Nahoana no zava-dehlbe koa ny fahafantarana ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina mba hahatakarantsika amin'ny fahafenoany ny fitiavan'Andriamanitra antsika?

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.

Daty
Alakamisy 24 September 2026

Rehefa mamaky ny 2 Kor. 13:14 isika, dia mety hieritreritra fa i Kristy ihany no loharanom-pahasoavana, Andriamanitra (ny Ray) ihany no loharanom-pitiavana, ary ny Fanahy Masina ihany no loharanon'ny firaisana; kanefa tsy izany velively no izy.

Vakio ny 1 Kor. 1:3, 4, 9; 1 Kor. 10:16; 2 Kor. 1:2, 12; Rom. 8:35; Rom. 15:30; Gal. 2:20; ary ny Efes. 3:19. Inona no lazain'ireo andininy ireo momba ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana mifandray amin'ireo persona ao amin'Andriamanitra Telo izay İray?

Ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia miara-miasa ho famonjena antsika. Ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana dia tsy avy amin'ny Iray ihany fa avy amin'lzy Telo Ireo. Kanefa samy manana ny anjara asany Izy tsirairay eo amin'ny n'ny tantaran'ny famonjena. Fantatr'i Paoly izany ary asongadiny ao amin'ireo epistiliny izany fampianarana izany. Ohatra, fintininy amin'ny teny fohy nefa feno ny drafi-pamonjena ao amin'ny Gal. 4:4-6, izay ahitana ny fandraisana anjaran'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra. Andriamanitra Ray no naniraka an'i Jesosy, izay manondro fa ny Ray no Loharanon'ilay drafitra (Gal. 4:4). Nateraky ny vehivavy ny Zanaka (Gal. 4:4), izay manondro ny fahatongavany ho nofo ary manasongadina ny fahatanterahan'ilay teny fikasana fahiny (Gen. 3:15). Nilaza lainga momba an'Andriamanitra i Satana tamin'ny voalohany (Gen. 3:5), ary Zanaka no nanavotra antsika sy namerina antsika ho amin'ny fifandraisana marina amin'ny Ray. Ary ny Fanahy Masina no manambara ny maha-zanak'Andriamanitra antsika (Gal. 4:6).

Misy filazana maro hafa momba an'Andriamanitra Telo Izay Iray ao amin'ireo epsitilin'i Paoly. Miara-miasa Izy Telo, amin'ny fanomezana hery ny fiangonana ho amin'ny iraka (1 Kor. 12:4-6), manome antsika tanjaka ara-panahy (Efes. 3:14-19), ary manamafy firaisana eo anivon'ny mambran'ny fiangonana, izay firaisana mitovy amin'ilay firaisana mampiavaka ny fifandraisan'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra (Efes. 4:4-6). Ho an'i Paoly, Andriamanitra dia tsy telo izay iray fotsiny, fa miara-miasa ho famonjena antsika koa Ireo Persona Telo ireo (Efes. 1:3,13,14). Milaza mihitsy i Paoly ao amin'ny Efesiana fa tsy maintsy hofenoina amin'ny fahafenoan'ny Ray isika (Efes. 3:19), sy ny Zanaka (Efes. 4:13), ary ny Fanahy Masina (Efes. 5:18).

Teo am-pamaranan'i Paoly ny resany tamin'ny Korintianina (2 Kor. 13:14), dia tsy misy fomba tsara mihoatra noho izao raha mbola famaranana epistily - teny fikasana fa homba antsika ankehitriny sy amin'ny hoavy ireo Persona Telo Avo Indrindra, Ireo Telo manjaka any an-danitra, ambonin'izao rehetra izao.

Ahoana no tokony hanehoan'ny firaisana eo anivon'ny mambran'ny fiangonana io fifandraisam-pitiavana ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray lo?

Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Daty
Zoma 25 September 2026

IFM, toko 73, "Aza malahelo ny fonareo".

«Ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy irery ihany no mahay manova ny fo vato ho fo nofo, sy mahatonga izany ho velona ho an'Andriamanitra. (...) Tsy manana hery hanamarinana ny fanahy, na hanamasinana ny fo ny olombelona. Tsy azo sitranina ny aretina ara-panahy raha tsy amin'ny alalan'ny herin'ilay Mpitsabo lehibe. Ny fanomezana ambony indrindra avy any an-danitra, dia ilay Lahitokana avy amin'ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana, no hany afaka manavotra ny very.» - ST, 2 Mey 1892.

"Andriamanitra dia fitiavana'. Na ny toetrany, na ny lalàny, na ny fomba itondrany izao tontolo izao, eny, na inona na inona momba Azy dia fitiavana avokoa. Izany no toetrany hatramin'ny taloha, mbola toetrany mandrak'ankehitriny ary ho toetrany mandrakizay. Fa "tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana' eo amin'llay 'Iray avo sy manerinerina", Izay mitoetra ao amin'ny fitoerana avo sy masina' - Isa. 57:15; Hab. 3:6; Jak. 1:17. Fanehoam-pitiavana tsy hita fetra ny hery tsirairay avy nentin'Andriamanitra nanao izao rehetra izao. Soa maro tsy tambo isaina no zarainy amin'ny zavaboariny rehetra. (...) Ny tantaran'ilay ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy hatramin'ny andro niantombohan'izany tany an-danitra ka mandra-pahatongan'ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fikomiana amin'ny farany sady handevonana ny fahotana, dia maneho miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan'Andriamanitra." - PM, tt. 6,7.

«llaintsika ny mahatsapa fa ny Fanahy Masina (...) dia Persona tahaka an'Andriamanitra koa. (...) Ny Fanahy Masina dia manana ny maha-lzy Azy, raha tsy izany, tsy ho afaka hanambara amin'ny fanahintsika sy miaraka amin'ny fanahintsika Izy fa zanak'Andriamanitra isika. Tsy maintsy ho Andriamanitra koa Izy, raha tsy izany, tsy ho afaka mamantatra ny zavatra rehetra Izy, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.» - FLB, t. 52.

«Misy Persona velona telo ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray any an-danitra; amin'ny anaran'ireo fahefana lehibe telo ireo-ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina anaovana batisa ireo izay mandray an'i Kristy amin'ny finoana velona, ary ireo fahefana ireo hiara-miasa amin'ireo mpankatò, hampahomby ny ezaka ataony mba hananany fiainam-baovao ao amin'i Kristy.» -Ev, t. 615.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Misyhira kristianina malaza mitondra ny lohateny hoe «Amazing Grace» (Fahasoavana mahatalanjona). Inona no mahatalanjona amin'ny fahasoavan'i Jesôsy ?

2. Ny fanoharana momba ilay zanaka adala dia maneho sary kanto momba ny fitiavan'Andriamanitra. Inona no ahafantarantsika fa ray be fitiavana ilay raim-pianakaviana ao amin'io fanoharana io?

3. Ahoana no ahafahan'ny fiangonana tsirairay maneho fa tena zava-misy iainan'izy ireo ny firaisana amin'ny Fanahy»?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal