Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 26 September 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:27,28; Gen. 3:1-8; Lio. 15:11-32; Gen. 3:14- 24; Eks. 19:16-22; Jao. 10:27-30. 

Tsianjery :"Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin'izao andro farany izao kosa no  tamintsika ny Zanany, izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; izy no nahariany izao tontolo izao." Heb. 1:1,2 .

Afaka mifankahita amin'ireo namana sy havana any an-tany lavitra isika noho ny fisian'ny fitaovana ara-teknolojia. Mahafinaritra izany, nefa tsara kokoa noho izany ny mihaona mivantana! Fihetsehampo manokana mihitsy no tsapa rehefa mihaona isika, mifamihina ary miresaka mifanatrika.

Hampahatsiahivina antsika amin'ity herinandro ity fa noforonina hanana fifandraisana mivantana amin'ilay Mpamorona azy ny olombelona. Nandrava io fifandraisana akaiky io anefa ny fahotana, hatry ny ela. Namorona fomba hahafahana miteny amintsika Andriamanitra mba hamerenana indray izany fifandraisana izany amin'ireo voariny tiany. Ny fomba maro mpahalala indrindra, ifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ireo mpitondra teniny izay nofidiny tamim-pitandremana, antsoina hoe mpaminany, izay mitondra ny hafany amintsika. Matetika ireny mpaminany ireny no manana asa soratra ao amin'ny Baiboly, nefa tsy voatery ho izany mandrakariva.

Ny drafitr'Andriamanitra lehibe indrindra dia ny hamerina indray ny endriny ao amintsika, ilay endrika izay nosimban'ny fahotana. Izao no antony isian'ny drafi-pamonjena : famerenana amin'ny laoniny, izay ho tanteraka rehefa hanao "Ianitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana" Andriamanitra (2 Pet. 3:13).

Mandra-pahatonga izany, dia mbola miteny amintsika Andriamanitra, ary mbola mampiasa ny mpaminaniny ho amin’izany. 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.

Daty
Alahady 27 September 2026

Mitantara ny tantaran'ny Famoronana ny Gen. 1 sy 2. Namorona tontolo tsara tarehy Andriamanitra, ary tao no nametrahany an'i Adama sy i Eva, izay yam faratampony tamin'ny famoronana. Samy hafa amin'ny zavaboary hafa rehetra eto an-tany ny olona satria natao "tahaka ny endrik'Andriamanitra" - Gen. 1:27; izy ireo irery no voalaza fa nohariana araka ny endrik'Andriamanitra; tsy mba tahaka izany ny vorona na ny biby hafa. Noho izany, dia natao hiaina fiainana feno amin'ny lafiny rehetra izy ireo, natao hiaina ny fitiavana amin'ny endriny rehetra ary handeha ao anatin'ny firaisana amin'Andriamanitra.

Hitantsika ao amin'ny Gen. 2:18-23 koa fa namorona an'i Eva ho an'i Adama Andriamanitra satria, hoy izy hoe: "Tsy tsara raha irery ralehilahy" - Gen. 2:18. Hatrany am-piandohana, araka izany, dia nohariana hifandray sy hiara-miaina amin'ny hafa ny olombelona. Ampianannlireo mpahay fiarahamonina ankehitriny fa mitondra tombontsoa maro ho an'ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina ny fifandraisana amin'ny hafa, fa mahafaty kosa ny fahatsiarovan-tena ho irery.

Tsy mahagaga ary raha niloa-bava toy izao i Adama, taorian'ny namoronana an'i Eva: "Ankehitriny dia taolana avy arninby taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanafana azy." - Gen. 2:23. Ny ankohonana izay naorin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray nakamban'ny fanambadiana no andrim-piarahamonina voalohany nomen'Andriamanitra ny olombelona, mba hahafahan'izy ireo manana fifandraisana sy firaisana feno amin'ny lafiny rehetra. Tsy mahagaga koa raha iray amin'ireo tanjona lehibe indrindra kendren'i Satana mandrakariva ny handrava ireo fototra iorenan'ny fianakaviana tany am-boalohany.

Vakio ny Gen. 1:27,28; Gen. 2:16-17 ary ny Gen. 3:9. Fifandraisana toy ny ahoana no nisy teo amin'Andriamanitra sy ny olona tao amin'ny sahan'i Edena?

Nanana tombontsoa nifandray mivantana tamin'Andriamanitra i Adama sy i Eva. Voary manan-tsaina izy ireo ka afaka nihaona tamin’ Andriamanitra sy nihaino ny torolalana nomeny. Amin'ny maha mpitantana ilay saha mahafinaritra nomen'Andriamanitra azy ireo, dia nitombo tamin'ny fahalalana sy ny fahaiza-manao izy Teo am-pikarakarana ireo zava-maniry sy biby . Nanana fotoana manokana niarahana tamin'Andriamanitra koa izy ireo isan'andro, "rehefa ho hariva ny andro." - Gen. 3:8.

Ny andro Sabata manokana, dia ampahany manan-danja lehibe tao anatin'ny famoronana nataon'Andriamanitra, koa natokana ho fotoana hifandraisan'Andriamanitra akaiky dia akaiky amin'ireo zanany izany (Gen. 2:2,3; Eks. 20:8-11). Niaina fanandramana momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany azy ireo amin'ny fomba manokana ireo razambentsika voalohany tamin'io andro io.

Sarotra amintsika ankehitriny, izay velona an'arivo taona taorian'i Edena, ny maka sary an-tsaina ny fiainana talohan'ny nisian'ny fahotana. Na izany aza, dia mbola maneho ny famoronana nataon'Andriamanitra tany am-boalohany ny zavaboary ankehitriny, amin'ny fomba ahoana? 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 28 September 2026

Noho ny maha fitiavana an'Andriamanitra (1 Jao. 4:8), dia tsy namorona ny olombelona ho toy ny milina izy. Manome toerana ny safidy ny fitiavana. Mba hahafahan'i Adama sy Eva mitia, dia tsy maintsy noforonina hanana fahafaha-misafidy izy ireo; raha tsy izany tsy ho afaka haneho fitiavana marina izy.

Araka izany, dia nanana safidy malalaka ny hankate na tsia ny Mpahary azy i Adama sy i Eva. Tao amin'ilay didy nandrara azy ireo tsy hihinana amin'ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy no nanehoana izany fahafaha-misafidy malalaka izany (jereo ny Gen. 2:15-17). Nahoana moa Andriamanitra no nampitandrina azy ireo tsy hihinana amin'io hazo io raha toa izy ireo tsy nanana fahafahana hanao izany hatrany am-piandohana?

"Ireo ray aman-drenintsika voalohany, na dia noforonina tsy manan-tsiny sy masina aza, dia tsy hoe tsy afaka ny tsy hanao fahadisoana. Noforonin'Andriamanitra ho olona manana fahafahana ara-moraly izy ireo, afaka mankasitraka ny fahendrena sy ny hatsaran'ny toetrany, ary ny fahamarinan’ny fitakiany, manana fahafahana feno haneho fankatoavana na tsy haneho. Natao hifaly amin'ny firaisana amin'Andriamanitra sy amin'ireo anjely masina izy ireo; (...) Raha tsy nanana fahafahana hisafidy izy, dia ho an-tery fa tsy an-tsitrapo ny fankatoavany." - PM, tt. 23, 24.

Nahoana i Adama sy i Eva no niezaka niafina ny Mpamorona azy taorian'ny tsy fankatoavan'izy ireo Azy? Vakio ny Gen. 3:1-8 (ampitahao amin'ny Jer. 23:24 sy ny Heb. 4:13).

Toe-javatra mahatsiravina no tantarain’ny Gen. 3: ny fahalavoan'i Adama sy i Eva. Taorian'ilay fifampiresahana tsy hay hadinoina nifanaovan'ny menarana (Satana) sy I Eva, dia nalaim-panahy hihinana tamin'ilay "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ireo razambentsika voalohany, na dia efa norarana tsy hanao izany aza. Nampiasain'i Satana ny herin'ny teny sy ny fihetseham-po ary ny fampanantenana maharenoka mba handresen-dahatra an'i Eva, ary i Eva kosa nandresy lahatra an'i Adama, mba handika ny didin'Andriamanitra. Hitanli Eva fa "tsara ho fihinana" sady "mahafinaritra ny maso" ary "mahatsiriritra hampahahendry' izany hazo izany (Gen. 3:6). Toa tsy hay notoherina ny fampanantenan'i Satana fa ho "tahaka an'Andriamanitra (...), hahaiala ny tsara sy ny ratsy" izy ireo (Gen. 3:5).

Raha ny marina anefa, dia feno hadisoana ny lahatenin'i Satana. Nafeniny tamin'izy ireo ny vokatry ny tsy fankatoavany. Vantany vao tsy nankato an'Andriamanitra izy ireo, dia "nahiratra" ny masony, ary hitany fa "nitanjaka" izy. Nanjavona ilay "fitafianThy fahazavana sy voninahitr'Andriamanitra nandrakotra azy (Sal. 104:1,2), izay taratryny"endrik'Andriamanitra." Tsy voasaron'izay nomen'Andriannanitra azy intsony izy ireo. Tsy mahagaga raha niery an'ilay Mpamorona azy i Adama sy i Eva (toy ny hoe azo atao tokoa ny miafina an'Andriamanitra). Niezaka niafina izy ireo satria miteraka fahatsapana ho meloka ny fahotana, ary rehefa maha tsiaro ho meloka isika dia te handositra ny fanatrehan'Andriamanitra.

Nanao ahoana ny fanandramanao manokana mifandraika amin'ny henatra sy ny fitadiavana hiery ny tavan'Andriamanitra rehefa avy nanota? 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.

Daty
Talata 29 September 2026

Hitantsika ao amin'ny Gen. 3:9,10 fa Andriamanitra no nanao dingana voalohany nitady ireo zanany tratry ny fahalavoana. Sarintsarim-panontaniana ihany ny hoe "Aiza moa hianao?", satria efa fantatr'Andriamanitra izay nataon'i Adama sy i Eva ary fantany koa ny toerana nisy azy ireo. Kanefa ny fahotana dia nanapaka ny fifandraisana mahazatra nisy teo Aminy sy ireo mpivady voalohany ireo. Ny zava-dehibe tamin'Andriarnanitra tamin'izay dia ny famerenana indray ny fifandraisana amin'ireo zanany sy ny hihaona ireo ary ny hanome azy fanantenana tao anatin'ny famoizam-pony. Raha ny marina, ny matoanteny hebreo "miantso," ao amin'ny Gen. 3:9, dia matetika ampiasaina hilazana ny antson'Andriamanitra ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisany amin'ny olony.

Vakio ny Lio. 16:1142. Ahoana no anehoan'io fanoharana io ny sary hita ao amin'ny Gen, 3:9,10?

Maneho ny fitiavana tsy misy fepetra itiavan'Andriamanitra ny zanany ny nitadiavany an'i Adama sy i Eva. Tsy mba mahafoy antsika Andriamanitra (jereo ny Lio. 15). Manao izay rehetra azo atao Izy mba hamerenana amin'ny Iaoniny ny firaisany amintsika, eny fa na dia miafina aza isika. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana, rehefa nanda Azy intelo i Patera, dia "nitodika" i Kristy ka "nijery' azy (Lio. 22:61). Na dia tsy niloa-bava aza Izy, dia "niteny" tamin'i Petera ary niezaka nikasika ny fon'ity mpianany diso lalana ity.

Mariho ao amin'ny Gen. 3:11-13 fa nanova tampoka ny fifandraisan'i Adama sy I Eva ny fahotana. Tsy niaiky ny fahotany manokana izy ireo fa nanomboka nifanome tsiny. Nanome tsiny an'i Eva i Adama, ary nanome tsiny ankolaka an'Andriamanitra noho ny nanomezany azy an'i Eva. Hoy izy: "Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho." - Gen. 3:12. I Eva indray nanondro ny menarana ho anton'ny tsy fankatoavany. Izao no fialan-tsiny nataony: " menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho." - Gen. 3:13. Tsy nisy niaiky ny fahadisoany izy ireo, farafahakeliny raha vao nampifanatrehana tamin'ny fahotany. Tsy mbola niova ny toe-javatra enina arivo taona aty aoriana.

Nahakasika ny olombelona rehetra tokoa ny fahotana. Voasoritsoritry ny apostoly Paoly tsara ny toerana misy antsika ao amin'ny Rôm. 7:15-24, rehefa miresaka mamba ny fahorian-tsaina ateraky ny faniriana hanao ny marina izy, nefa avy eo manao ny mifanohitra amin'izany: "Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko," - Rôm. 7:15. 
Iza no afaka hilaza fa tsy toy izany?

Lalina tokoa ny hevitry ny tenin'i Paoly eto. Isika rehetra dia olona simban'ny fahotana ka manohy manao ny zavatra fantatsika fa tsy tokony atao. Iza no tsy mbola niaina izany?

Ambaran'i Paoly fa ny fanafahana "amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika" no hany fanantenana ho antsika (Rôm. 7:25). (zany no mahatonga an'Andriamanitra manohy mitady antsika mba hitarihany antsika ho eo amin'i Jesôsy; Izy fiery ihany no afaka mamolavola antsika hanahaka ny Endriny ary koa mamonjy antsika amin'ny fandringanana ateraky ny fahotana. 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.

Daty
Alarobia 30 September 2026

Anankiray amin'ireo voka-dratsy mahatsiravina indrindra nateraky ny fahotan'i Adama sy Eva ny fisarahana amin'Andriamanitra. Noroahina hiala tao aminlilay Saha izy ireo ary tsy afaka niresaka tamin'Andriamanitra mivantana intsony, Nanoratra andalan-teny mendrika hotsarovana mikasika izany toe-java-tsarotra iainan'ny olombelona izany ny mpaminany Isaia: "Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo aminAnthiamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo.' - Isa. 59:2.

Eny tokoa, mbola zanak'Andriamanitra hatrany i Mama sy i Eva, swingy tsy azo nialana ny vokatry ny fahotana ka tsy maintsy nandao an'i Edena izy ireo. Tsy tahaka ny teo aloha intsony ny zava-drehetra taorianiny tsy fankatoavany.

Nanova ny fiainan'ity taranak’olombelona amin'ny lafiny maro ny fahotana ( Jereo ny Gen. 3:14-24). Ahoana no nanovan'ny fahotana amin'ny fomba manokana ny fifandraisanisika amin'Andriamanitra? (Jereo koa ny Eks. 19:16-22).

Tsy takatry ny saintsika ny flovana goavana nnisy eo amin'nyfiainan'ny olombelona vokatry ny fahotana, satria tsy mahalala afa-tsy tontolo anjakaniny fahotana isika. Noho ny fahotana, dia "voaozona" ny tany ka manjary anirianlny "tsilo sy hery." Manjary miaritra fahoriana sy fanaintainana izao ny olombelona, tsy maintsy tsemboka izy vao mahazo hanina, nefa amin'ny farany dia ho faty sy hiverina ho vovoka. Ny fahafatesana no fampahatsiahivana maharary indrindra momba ny fahotana. Ary etsy ankilan'izany, dia tsy afa-mifanatrika mivantana amin'Andriamanitra intsony isika noho ny fahotana. Na izany aza, dia nampanantenaina vahaolana manoloana ny voka-dratsinlny fahotana Adama sy i Eva. Tsy afa-nahita an'Andnamanitra sy niresaka taminy mivantana intsony ireo razambentsika voalohany, nefa nomena fanantenana ho an'ny ankehitriny sy ny hoavy kosa izy ireo raha nandao ny sahan'i Edena. Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany ary nanazava taminizy ireo ny drafi-pamonjeny. Ny Gen. 3:15, izay antsoina hoe "terry fikasana voalohany indrindra maneho ny filazantsara" dia feno fanantenana ho azy ireo (ary ho antsika koa), na dia teo aza ny zava-nitranga. Hiteraka fanoherana ny fahotana sy fanantenana momba ny famonjena ny olombelona amin'ny hoavy ny terry fikasana ny amin'ny Mpanavotra ho avy. Raha ny marina, ny nanornezan'Andriamanitra Mariana an'i Adama sy i Eva talohan'ny nialan'izy ire° tao amin'ny Saha dia nary an'ohatra izay nanondro ny fanavotana azy amin'ny hoavy. Amin'ny alalan'ny fahafatesana sy ny fitsangananli Jesosy amin'ny maty aty aoriana no hamerenana amin'ny Iaoniny ny firaisan'ny olombelona amin'Andriamanitra (Jao. 14:1-3). izany hoe, tao Edena, taoriana indrindran'ny nidiran'ny fahotana, no nanomezana ny olombelona ny fanantenana sy ny teny fikasana fa ho voavaha ny olan'ny fahotana amin'ny farany. Vantany vao nisy ny eta, dia nomena ny teny fikasana momba ny Mpamonjy. Ahoana ny fihetsehamponao rehefa avy manao zavatra tsy mety? Nahatsiaro ho meloka ye ianao? Menatra? Rikoriko amin'ny tenanao? Inona avy ireo vokatr'izany? Ahoana no nanampian'ny finoana an'Andriamanitra sy ny teny fikasan'ny filazantsara anao tsy hamoy tanteraka ny finoana? 
 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.

Daty
Alakamisy 01 October 2026

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fomba nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona taorian'ny nidirareny fahotana? (Vakio ny Neb. 1:1,2; Rôm. 1:19,20; Nom. 12:6; 2 Tim. 3:16,17; Jao. 14:7-9; Jao. 10:27-30)

Na eo aza ny fahotana, dia nahita fomba maro Andriamanitra mba hifandraisana amin'ny olombelona lay°. Anisan'ny fomba anehoany ny Tenany amintsika ny famoronana. Fanambarana miezinezina momba ny asa mahagaga ataony ny zavaboary. Talanjona ny mpahay siansa noho ireo zava-mahagaga eto amin'ny tontolo midadasika miry antsika sy noho ny fahasarotan'ny firafitry ny aina na dia ao amin'ireo zava-manana aina heverina ho "tsotra indrindra" aza. Hita eo amin'ny zavaboary koa anefa ny vokatry ny fahalavoana; ny fahafatesan'ny zava-manana aina rehetra no ohatra lehibe indrindra amin'izany.

Fomba iray hafa nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona koa ny fampiasany ny mpaminany, olona izay nofidiny ho mpitondra teniny. Ohatra amin'izany ny nitenenan'Andriamanitra tamin'i Noa, Abrahama, Mosesy ary Daniela, ka nanambarany ny sitrapony ho an'ny vahoakany. Raha fotorina, ny hafa-paminaniana avyamin'Andriamanitra dia fampahatsiahivana fa tsy nanadino ny zanany izy ary mbola miaraka amin'izy ireo hatrany. Nisy ireo mpaminany nanoratra ny antsointsika hoe Soratra Masina, fa ny sasany kosa tsy mba nanoratra na dia boky iray aza ao amin'ny Baiboly.

Na izany aza, maro tamin'ireo tenin'ny mpaminany no nampitaina tamin'ny alalan'ny Soratra Masina (2 Tim. 3:16,17). Fanambaran'Andriarnanitra momba ny Tenany ny Baiboly. Amin'ny alalan'ny Teniny no ahafantarantsika ny momba Azy sy ny toetoetrany; ao no ahitantsika ny fitiavany tsy mety lefy sy ny torolalany mikasika ny fomba tokony hiainantsika.

Ankoatra izany, amin'ny alalan'ny Baiboly no ahatakarantsika hoe iza isika, avy aiza, ary ho aiza. Ao no ahitantsika ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika.

Ny fomba mahomby indrindra nitenenan'Andriamanitra tamintsika anefa dia tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, izay ampahafantarina antsika ao amin'ny Baiboly. Tahaka ny nitadiavan'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva tao amin'ny saha Edena, no nahatongavan'i Kristy mba uhitady sy hamonjy ny veni' - Lio. 19:10. Hoy i Jesôsy: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9. Tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty no nanatanterahan'i Kristy ilay teny fikasana nomena an'i Adama sy i Eva tao Edena. Tonga Izy ary maty nisolo antsika mba hananantsika fiainana mandrakizay amin'ny alalany.

Taorian'ny niakaran'i Jesôsy ho any an-danitra, dia mbola manohy mitari-dalana antsika ho amin'ny "marina rehetra" sy milaza amintsika ny "zavatra ho avy ny Fanahy Masina (Jao. 16:13).

Fampiononana manao ahoana no azonao noho ny fahafantarana fa maneho amintsika ny mombamomba an'Andriamanitra sy ny tena toetrany i Jesôsy sy ny fitiavany ary ny toetrany sy ny nanolorany ny ainy? 

Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 02 October 2026

Tsy tamin'ny andron'ny Baiboly ihany no ifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona. Ho hitantsika amin'ireo herinandro ho avy fa mbola miteny arnin'ny olona hatrany lzy, ary hiseho amin'ny fomba moderina ny teniny mandra-piverin'i Kristy.

I Ellen Gould Harmon White sy ny rahavaviny kambana aminy, Elizabeth Harmon, dia teraka tamin'ny 26 Novambra 1827 tany Gorham, Maine. Izy ireo no faravavy tamin'ireo zanaka valo naterakli Eunice sy i Robert Harmon.

Taona vitsy taty aoriana, nifindra tany amin'ny tananan'i Portland (Maine) ny fianakaviany; nikasa hanitatra ny orinasany fanamboarana satroka ingahy Robert Harmon. Rehefa 9 taona i Ellen, dia nisy ratra nahazo azy izay nisy fiantraikany taminy leo amin'ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-piarahamonina. Raha tao amin'ny zaridaina iray akaikin'ny tranony izy, dia nisy mpiara-mianatra taminy tezitra ka nanipy vato izay nahavoa ny tarehiny; vokatr'izany dia torana tsy nahatsiaro tena nandritra ny herinandro maromaro izy. lo laza io no nampitsahatra tampoka ny fianarany tany an-tsekoly sy nitarika olana ara-pahasalamana izay natrehiny nandritra ny androm-piainany. Nahatonga azy ho menatra momba ny endriny koa io ratra teo amin'ny tavany io, ka nampihena ny fifandraisany tamin'ny fiarahamonina.

Tao anatin'izany toe-javatra feno fisalasalana izany no nanombohan'llay tovovavy Ellen Harmon nieritreritra momba ny hoaviny ara-panahy. Natahotra an'Andriamanitra izy ary nahatsapa fa tsy mendrika ny lanitra ny tenany. Nihamafy izany fahatsapana izany rehefa resy lahatry ny fampianaran'ireo Milerita momba ny fiavian'i Jesôsy fanindroany tsy ho ela ny fianakaviany. Na dia natao batisa asitrika tao amin'ny Fiangonana Metodista tamin'ny taona 1842 aza izy, dia mbola tsy nahatsapa ho mendrika ny fitiavan'Andriamanitra ihany. Nihevitra izy fa ho "very manclrakizay' (Life Sketches of Ellen G. White, 1. 29; jereo koa ny tt. 20-31).

Tao anatin'ireo eritreritra mampahory ireo dia nahita nofy roa i Ellen, nofy izay nanomboka nanova ny fomba fijeriny an'Andriamanitra. Kanefa tsy nahatakatra sy nahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahasoavany izy raha tsy nihaona tamin'ny mpitoriteny metodista iray, Levi Stockman. Toy ny hoe niteny taminy Andriamanitra raha tag anatin'ny fahakiviana izy. Nanoratra izy taty aoriana hoe: "Nameno ny foko ny finoana. Nahatsapa fitiavana tsy hay ambara ho an'Andriamanitra aho ary nahatsapa ny fanambaran'ny Fanahiny fa voavela ny heloko. Niova ny fomba fijeriko ny Ray. Ankehitriny dia Ray tsars fanahy sy be fitiavana no fahitako Azy, fa tsy mpanao didy jadona masiaka manery ny olona hankato an-jambany. Lalina sy mivaivay ny fitiavana Azy ao am-poko."—Life Sketches of Ellen G. White, t. 39.

Tamin'izany fotoana izany koa no nahatakaran'i Ellen White ny fampianarana momba ny "toetry ny maty" ary takany tsikelikely fa tsy mist' ny helo mirehitra mandrakizay. Nanova tanteraka ny toe-tsainy io fahatakarana vaovao momba an'Andriamanitra sy ny Fitiavany io. Hianarantsika isaky ny Zoma fa nanjary tia fatratra an'i Jesôsy i Ellen White ka nanompo Azy nandritra ny fiainany manontolo.

Azonao tsidihina ny https://whiteestate.orgiabsgil. 
 

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Daty
Sabotsy 03 October 2026

Hodinihana mandrltra ny herinandro: 
Gen. 15:6; Gal. 3:6-9; 1 Mpanj. 18:19-39; Isa. 53; Dan. 2:46-48; Mar. 1:2-5; Mat. 11:1-6.

Tsianjery :  "Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho."– Isa. 6:8. 

Tamin'ny andron'ny Baiboly dia nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny tantaran'ny vahoakan' Andriamanitra ankapobeny ny mpaminany. Indraindray izy ireo mihitsy no tena asongadina, nomena andraikitra manan-danja, eny iankinan'aina aza teo amin'ny fiainan'ny fiarahamonina. Kanefa tsy mora ny asa iantsoana ny mpaminany. Sarotra ny fiainan'izy ireo ankapobeny, feno fahoriana, fandavana, tsy fahatakaran-javatra ary fahadisoam-panantenana. Matetika ny mpaminanin'Andriamanitra no tsy nankasitraka ny fiantsoana azy ho amin'ny asan'ny mpaminany. Ary tsy mahagaga izany. Mpaminany maro no nisetra fanoherana mafy avy aminlireo izay tokony ho nandray tsara ny hafatra nentiny. Natao tsinontsinona ny mpaminanin'Andriamanitra, nesoina, nokapohina, na naiditra am-ponja. Ny sasany notoraham-bato na nohazaina tahaka ny bibidia. Maro no maty maritiora. Ankehitriny, amin'izao taranaka be herisetra, fitsiriritana, fahalotoam-Oondrantena, fanararaotana ary fitaomana isan-karazany avy amin'i Satana izao, dia matetika laving ny feon'ny mpaminany na tsy henoina tsotra izao. Antsoina isika hihaino ny feon'ny mpaminanin'Andriamanitra sy ho mpitondra ny hafa-panantenana nomena antsika amin'ny alalan'ny mpaminany. Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa taorian'ny Fahalavoana tao Edena, dia niasa ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana amin'ny olombelona indray Andriamanitra. Hodinihintsika amin'ity herinandro ity kola ireo fotaa-manan-danja sasany nanamarika ny tantara, rehefa niantso mpaminany Andriamanitra mba hitaona ny vahoakany hihaino sy hitandrina indray ireo hafatra nampitondrainy ho an'izao tontolo izao lava.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal