Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Daty
Sabotsy 13 December 2025

MAHATOKY ANDRIAMANITRA!

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 21:43-45; 2 Tim. 2:11-13; Jos. 23; Apôk. 14:10,19; Deo. 6:5.

Tsianjery:

"Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehôvah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." - Jos. 21:45.

Rehefa nandaha-teny teo anatrehan'ny vahoaka Amerikanina i John F. Kennedy nandritra ny lanonam-pianianana nametrahana azy ho filoham-pirenena, tamin'ny 20 Janoary 1961, dia voanteny 1366 isa monja no noteneniny, kanefa namela marika tsy hay fafana tao an-tsain'ny Amerikanina izany. Hoy izy raha nandrisika ny fireneny hifantoka amin'ny adidiny fa tsy ny amin'ny tombontsoany: "Andeha isika hitondra ity tany malalantsika ity. amin'ny fieritreretana madio, izay hany valisoa azo antoka ho antsika, ka amin'ny farany dia ny tantara no hitsara ny asantsika. Aoka hangataka ny fitahiana sy ny fanampian Andriamanitra isika, nefa aoka koa ho fantatsika fa eto amin'ity tany ity dia ny asan'Andriamanitra no tena asantsika."

Rehefa tsapan'i Josoa, ilay mpitarika efa zokiolona teo amin'ny Isiraelita, fa akaiky ny fiafaran'ny androny, dia nanapa-kevitra ny hiresaka amin'ireo lehibe mpitarika ny firenena sy ny vahoaka Isiraelita izy (Josoa toko 23 sy 24). Mifantoka kokoa amin'ny hoavy sy ny fomba tokony hivavahana amin'Andriamanitra, dia Izy irery ihany, ny Jos. 23. Mamerina mandinika ireo asa mahatoky nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa kosa ny Jos. 24, mba handrisihana ny olona hanapa-kevitra ny amin'lzay tokony hivavahana: Jehôvah irery ihany.

Hiarahantsika mandinika amin'ity herinandro ity ny lahateny voalohany nataon'i Josoa, izay iverenany amin'ny tantaran'ny fandresen'ny Isiraely, sady hanoritany koa ny lalana mankany amin'ny fahombiazan'ny Isiraely ho avy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Octobra.

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"

Daty
Alahady 14 December 2025

"TANTERAKA AVOKOA IZANY REHETRA IZANY"

Inona no sary asehon'ny Jos. 21:43-45 momba an'Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan’ireo teny ireo amin'ilay Tany Nampanantenaina ara-tantara, kanefa tsy izay ihany, fa amin'ny maha-zava-misy marina ny famonjena antsika koa (2 Tim. 2:11-13)?

Ao amin'ireo andininy ireo no misy ny foto-kevitra faratampon'ny boky sy mamintina ny hevitra teolojika ao aminy. Asongadiny ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe indrindra ao amin'ny boky manontolo: ny fahatokian'i Jehôvah amin'ny fanekeny, Izay mihazona ny teny fikasany sy manatanteraka ny fianianany. Hatreo dia io fizarana fohy io koa no mamintina ny votoatin'ny boky manontolo. Miresaka momba ny fizarana ny tany sy ny nonenan'ny Isiraely teo amin'izany tany izany ny Jos. 21:43 (Jos. 13-21), ary ny Jos. 21:44 kosa dia manondro ny fandreseny ny fahavalo sy ny fahazoany ny tany (Jos. 1-12). Hita ao anatin'izany rehetra izany ny fahatokian'Andriamanitra. Tsy azon'ny Isiraelita hadinoina velively fa tsy ho nandresy ny fahavalony na nahazo ny tany ho lovany izy ireo raha tsy Andriamanitra no nahatoky tamin'ny teny nomeny.

"Nomen'i Jehôvah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany, ary nandova izany izy ireo ka nonina teo. Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehôvah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." Ny famerimberenana ny teny hoe kol, nadika hoe "rehetra", inenina ao amin'ireo andininy telo ireo (Jos. 21:43-45), dia manamafy indray ny fahamarinana fa fanomezana avy amin'i Jehovah ny tany, ary tsy noho ny hamendrehan'ny Isiraelita no nahazoany izany. Ny Tompo no nianiana "hanome" ny tany ary Izy no "nanolotra" ny fahavalo teo an-tanan'izy ireo.

Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra sy ny fahatokiany irery ihany no antoky ny fahombiazan'ny Isiraelita rehetra. Toy izany koa ny amin'ny famonjena antsika: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." - Efes. 2:8,9.

Hoy tokoa i Paoly nanamafy ny fahatokian'Andriamanitra: "Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha manda Azy isika, Izy kosa handa antsika; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo manda ny tenany." -2 Tim. 2:11-13.

Mahatoky Andriamanitra ka mitana ny teny fikasany. Ahoana no anomezan'izany toky antsika fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny fikasany ho amin'ny hoavy? (Jereo ny 1 Kôr. 10:13; 2 Kôr. 1:18-20.)

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy

Daty
Alatsinainy 15 December 2025

HOAVY MAMPANAHY

lo famaranana be voninahitra ao amin'ny Jos. 21:43-45 io dia manambara fahafenoan'ny fepetry ny fankatoavana. Tsy azo fotsiny amin'izao ny fahombiazana; mifamatotra mandrakariva amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izany. Koa na marina aza fa noho ny fahatokian Andriamanitra tamin'ny Isiraely no nahazoany ny tany (Neh. 9:8). dia tsy voafetra ny mety ho fivoaran'ny toe-javatra amin'ny hoavy, arakaraka ny fitondran-tenan'ny Isiraely. Ho vitan'ny Isiraely ve ny hiaro izay efa azony?

Vakio ny Jos. 23:1-5. Inona avy ireo teboka ifantohan'ny fampidirana nataon'i Josoa?

Milaza ny amin'ny maha-zokiolona sy efa mandroso fahanterana azy i Josoa (nasongadina indroa) ao amin'ny lahateniny, ary ireo mpihaino azy izay tsy maintsy hanohy ny asa nanirahan'Andriamanitra azy no iresahany. Hazavainy ny fomba nahazoan'izy ireo ny tany: Jehôvah no niady ho azy ireo. Na voatery nirotsaka an'ady aza ny Isiraelita taorian'ny nialany tao Egypta satria tsy nahatoky sy tsy nanam-pinoana dia tsy noho ny tanjany ara-tafika no nahazoany ny tany, fa noho ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.

Nomen'Andriamanitra fitsaharana tamin'ny fahavalony ny Isiraely, saingy mbola misy firenena sasany tsy maintsy horoahina. Tsy zavatra efa vita ka zava-misy tsy azo ovana intsony tsy akory ny fandresena ho an'ny Isiraely, fa miankina mandrakariva amin'ny fianteherany tsy tapaka amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fanampiany efa vonona.

Inona no mampitovy ny fomba nahazoan'ny Isiraelita ny tany Kanana teo ambany fitarihan'i Josoa sy ny fomba ahafahan'ny Kristianina ankehitriny manana fiainana ara-panahy feno fandresena? Vakio ny Jos. 23:10; Kol. 2:15; 2 Kor. 10:3-5; Efes. 6:11-18.

Tsy azo lazaina ho avy amin'ny tanjaka sy ny paikadin'ny Isiraelita ny fandreseny. Toy izany koa ny fandresena ny fahotana sy ny fakam-panahy; ny sorona nataon'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no efa nahazoantsika izany, saingy tsy maintsy miantehitra tsy tapaka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, mba hananany fiainana feno fandresena.

Raha maro toy izany ireo teny fikasana omena antsika, nahoana no mbola toa mora foana amintsika ny manota?

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka

Daty
Talata 16 December 2025

FARITRA MAZAVA MAMPISARAKA

Ireo teny nampiasainy tany amin'ny fiandohan'ny boky ihany (Jos. 1:7,8) no nampiasain'i Josoa hilazana fa tsy raharaha ara-tafika no miandry ny Isiraely voalohany indrindra, fa ara-panahy, dia ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Torah.

Araka ny hevitrao, nahoana no hentitra toy izany i Josoa mikasika ny fifandraisan'ny Isiraely tamin'ireo firenena manodidina azy? (Jos. 23:6-8,12,13).

Ny loza mananontanona ny Isiraely dia tsy avy amin'ny fankahalan'ireo firenena sisa azy, fa ny loza ateraky ny fisakaizany aminy. Mety tsy ho olana ho an'ny Isiraely ny fitaovam-piadian'ireo fahavalony; fa ny foto-pisainan'izy ireo sy ny "soatoaviny" kosa (izay mifanohitra amin'ny soatoavina raha ny marina) no mety hanimba lavitra noho izay mety ho hery ara-tafika rehetra. Nosarihin'i Josoa ho amin'ny tena zava-dehibe ny sain'ireo mpitarika: ny ady ataon'izy ireo dia ara-panahy, hatramin'ny voalonany ka hatramin'ny farany. Noho izany, tsy maintsy mihazona ny maha-izy azy manokana ny Isiraely.

Ny fandrarana tsy hanononan'izy ireo ny anaran'ny andriamanitr'ireo firenen-kafa, ka tsy hianianany amin'ny anarany, na hanompoany azy, na hiankohofany eo anatrehany dia mifandraika amin'ny fanompoan-tsampy. Tany Proche-Orient fahiny, ny anaran'ny andriamanitra dia naneho ny fanatrehany sy ny heriny. Ny fanononana na filazana ny anaran'ireo andriamani-kafa teo amin'ny fomba fiarahabana andavanandro na teo amin'ny raharaha ara-barotra, dia nidika ho fanekena ny fahefany ary nitarika ny Isiraelita hitady ny heriny rehefa tojo zava-manahirana (ampitahao amin'ny Mpits. 2:1-3, 11-13).

Mampidi-doza ny fifanambadiany amin'ireo Kananita sisa satria mitondra ho amin'ny fahaverezan'ny fahadiovana ara-panahin'ny Isiraely izany. Tsy ny hitandroana ny fahadiovana ara-pirazanana na ara-poko no anton'ny fampitandreman'i Josoa, fa ny hialana amin'ny fanompoan-tsampy, izay mety hitarika ho o amin'ny faharavan'ny Isiraely ara-panahy. Ohatra mampalahelo ny amin'ny voka-dratsy ara-panahy aterak'izany fifanambadiana izany ny tantaran'i Solomona (1 Mpanj. 3:1; 1 Mpanj. 11:1-8). Nomena fampitandremana mazava ny Kristianina ao amin'ny TV mba tsy hanambady tsy mpino (2 Kôr. 6:14), na dia tsy mampirisika ny hisarahana amin'ny vady tsy mpino aza i Paoly ho an'ireo efa tafiditra amin'izany; saingy miantso azy ireo kosa izy mba hanana fiainana kristianina marina, miaraka amin'ny fanantenana fa ho babony ho an'ny Tompo ny vadiny (1 Kôr. 7:12-16).

Ny fampitandremana nataon'i Josoa momba ny fikambanana manimba dia mampieritreritra avy hatrany ny amin'ny fifandraisan'ny Kristianina amin’izao tontolo izao". Ahoana no hahaizantsika mandanjalanja tsara eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny fiarahamonina manodidina antsika?

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah

Daty
Alarobia 17 December 2025

NY FAHATEZERAN'I JEHÔVAH 

Ahoana no tokony hanazavantsika ny filazana momba ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaliany ao amin'ny bokin'i Josoa (Jos. 23:15,16) sy ao amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina? (Jereo koa ny Nom. 11:33; 2 Tant. 36:16; Apôk. 14:10,19; Apôk. 15:1.)

Efa nanandrana ny fahatezeran'i Jehôvah ny Isiraely nandritra ny firenireneny tany an'efitra (Nom. 11:33, Nom. 12:9), sy tao amin'ny Tany Nampanantenaina (Jos. 7:1), ary fantatr'izy ireo tsara ny vokatry ny fihantsiana an'i Jehôvah tamin'ny nanitsakitsahany miharihary ny fanekeny. Ireo andininy ireo no teny henjana indrindra ao amin'ny lahatenin'i Josoa. Mahatahotra ny mandre fa handringana ny Isiraely i Jehôvah, satria io teny io ihany no efa nampiasaina teo aloha nilazana ny famongorana ny Kananita. Tahaka ny maha-azo antoka ny fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'i Jehôvah momba ny hitahiana ny Isiraely, no maha-azo antoka ny fahatanterahan'ireo ozona ao amin'ny fanekena koa (Lev. 26, Deo. 28) raha mivadika ny faneken'i Jehovah ny Isiraelita. Rehefa dinihina ny fandroahana sy ny fandringanana ny Kananita, dia hita indray ao amin'ireo andininy ireo fa i Jehovah no mpitsara farany ny tany rehetra. Miady amin'ny fahotana Izy, na aiza na aiza toerana ahitany azy. Tsy nahamasina na nampahamendrika ny Isiraely ny fandraisany anjara tamin'ny ady masina, tahaka ny tsy nahamasina ireo firenena jentilisa koa, na dia nataon'i Jehôvah fitaovana teo am-pelatanany aza izy ireo tatý aoriana, ho fitsarana ilay firenena voafidy.

Miankina amin'ny safidin'ny Isiraely ny hahatonga ireo fandreseny be voninahitra tamin'ny lasa ho antoky ny hoaviny.

Raha jerena ivelambelany dia toa tsy mifanaraka amin'ny fanantitranterana ny maha-fitiavana an'Andriamanitra (Jao. 3:16; 1 Jao. 4:8) ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahatezeran'Andriamanitra. Kanefa ao amin'ny fandinihana ny fahatezeran'Andriamanitra indrindra no ahitana mazava kokoa ny foto-pampianarana ara-Baiboly momba ny fitiavan'Andriamanitra lehibe. Voalohany, asehon'ny Baiboly ho be fitiavana, mahari-po, manam-paharetana ary vonona hamela heloka Andriamanitra (Eks. 34:6, Mika 7:18). Na izany aza, ao anatin'ny tontolo voaloton'ny fahotana, dia fanehoan'Andriamanitra ny fahamasinany sy ny fahamarinany eo anatrehan'ny fahotana sy ny faharatsiana ny fahatezerany. Tsy fihetseham-po mitroatra, na valifaty, na vokatry ny fahatairana tampoka velively ny fahatezerany. Mampianatra ny TV fa natao ota ho antsika i Kristy (2 Kôr. 5:21), ary tamin'ny alalan'ny fahafatesany no nampihavanany antsika tamin'Andriamanitra (Rôm. 5:10). Tsy voatery hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra izay rehetra mino Azy (Jao. 3:36; Efes. 2:3; 1 Tes. 1:10). Ny foto-kevitra momba ny fahatezeran Andriamanitra dia mampiseho an'Andriamanitra ho Mpitsara marina izao tontolo rehetra izao, sy ho llay Mpiaro ny fahamarinana (Sal. 7:11; Sal. 50:6; 2 Tim. 4:8).

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra

Daty
Alakamisy 18 December 2025

MIFIKIRA AMIN'ANDRIAMANITRA

Ny hany fomba tsy hahalatsaka ny Isiraely amin'ny fakam-panahin'ny fanompoan-tsampy sy ahafahany miala ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy ny mitadidy mandrakariva ireo "aza..." ao amin'ny fanekena tsy akory, fa ny fampitomboana ny fanoloran-tena marina sy ny fahatokiana amin'i Jehôvah . Ilay matoanteny nadika hoe "mifikitra, na misarangotra" amin'i Jehovah (jereo ny Deo. 4:4), no ampiasaina koa hilazana ny fanekem-panambadiana eo amin'ny lahy sy vavy (Gen. 2:24), na ny tsy nialan'i Rota tamin'i Naomy (Rota 1:14). Zava-dehibe ny manamarika fa araka ny fijerin'i Josoa dia io fifikirana na fahatokiana io no nampiavaka ny firenen'ny Isiraely hatramin'"izao anio izao". Indrisy anefa fa tsy ho marina izany filazana izany raha ny tantaran'ny Isiraely taty aoriana no dinihina, araka ny toe-javatra mampalahelo hita ao amin'ny bokin'ny Mpitsara (Mpits. 2:2,7,11; Mpits. 3:7,12; Mpits. 4:1, sns.)

Nandrisika ny Isiraely i Josoa mba ho tia an'i Jehôvah Andriamaniny (Jos. 23:11; ampitahao amin'ny Deo. 6:5). Tsy azo terena ny fitiavana; raha tsy izany dia tsy ho fitiavana intsony ny anarany. Amin'ny lafiny inona aneta no azo atao didy ny fitiavana?

Mba hahafahan'ny Isiraely manohy misitraka ireo fitahian'ny fanekena, dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra izy ireo. Manantitrantitra fatratra ny teny hebreo nadika hoe: "Dia tandremo tsara ny fanahinareo." Ny teny hoe 'ahabah, nadika hoe "tia" dia azo ilazana karazam-pitiavana maro eo amin'ny olombelona, ao anatin'izany ny fifamatoran'ny mpisakaiza, ny firaisana ara-nofo, ny fitiavan'ny reny, ny fifandraisan'ny mpifankatia, ary ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Raha takatsika fa ny fitiavana an'Andriamanitra dia fanoloran-tena sy fanompoana Azy an-tsitrapo, dia azo atao baiko izany, ary tsy manafoana ny tena toetran'ny fitiavana (ampitahao amin'ny Jao. 13:34). Avy amin'ny fifandraisana manokana Aminy no tian'Andriamanitra ankatoavantsika ny didiny; izany no efa faniriany hatramin'izay (Eks. 19:4 ["Hianareo efa nahita ny nampankanesako anareo ho atý amiko"], Deo. 6:5, ampitahao amin'ny Mat. 22:37), dia fifandraisana miorina amin'izay nataony ho antsika noho ny famindrampony sy ny fitiavany lehibe.

Ny didy mba ho tia an'Andriamanitra dia maneho ny toetry ny fitiavan' Andriamanitra, dia fitiavana mifamaly, saingy tsy mitovy amin'ny an'ny olombelona ny fitiavany. Maniry hanana fifandraisana ety dia ety amin'izay rehetra mamaly ny fitiavany Andriamanitra. Efa tian'Andriamanitra rahateo ny olona rehetra, koa ny fitiavantsika azy dia tsy inona fa fihetsika an-tsitrapo asetrintsika ny halehiben'izany fitiavany izany.

"Didy vaovao no omeko anareo", hoy i Jesôsy tamin'ny mpianany. Amin'ny lafiny inona no maha-vaovao sady tranainy io didy io? Vakio ny Jao. 13:34, Jao. 15:17, ary ny 1 Jao. 3:11; ampitahao amin'ny Lev. 19:18.

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 19 December 2025

Fianarana fanampiny

Vakio ny PM, tt. 522-524, "Teny farany nataon'i Josoa".

"Maro ny olona voafitaka amin'ny fiheverana mahafinaritra atsipin'i Satana, fa lehibe loatra ny-fitiavan'Andriamanitra ny olony, ka mahatonga Azy tsy hijery ny fahadisoany; ary ny loza lazainy dia tsy ho tanteraka ara-bakiteny akory, fa nisy zavatra hafa nikendreny azy eo amin'ny fanjakany ara-panahy. Tsy marina izany fa diso: tsy misy fitsipi-pahamarinana na dia iray aza lavin'Andriamanitra, jereny amin'ny tena endriny ny fahotana; ary milaza marimarina Izy fa fijaliana sy fahafatesana no vokatra tsy maintsy aterany. Tsy mbola nanome ary tsy hanome na oviana na oviana famelan-keloka tsy misy fepetra ho an'ny mpanota Andriamanitra. Aminy, izany karazam-pamelan-keloka izany, dia fialana amin'ny fitsipi-pahamarinana izay fototra iorenan'ny fanjakany, ka mety hanaketraka ny fon'ireo voary tsy mbola lavo. Raha tahiny ka tsy marina ny vokatry ny fahotana hita porofo mazava, dia hatao ahoana ny hino ny soa mety ho azo avy amin'ny fahadiovam-pitondrantena? Ny hatsaram-panahy tsy misy fahamarinana, dia fahalemena fa tsy fahatsaram-panahy.

"Tompon'ny aina Andriamanitra. Ny lalana rehetra nomena dia natao mba hampaharitra mandrakizay izany aina izany. Teo amin'izay nalamin Andriamanitra anefa no nampidiran'ny fahotana fikorontanana. Koa raha mbola maharitra koa ny fahotana, dia tsy azo sakanana ny fijaliana sy ny fahafatesana. Soa ihany fa noho ny nataon'ny Mpanavotra, Izay nisolo antsika nitondra ny habokam-pahotana, no ahazoantsika manantena ho afaka isan'olona amin'ny voka-dratsiny mahatsiravina." - PM, tt. 523,524 (пр).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Avereno dinihina ny porofon'ny fahatokian'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao. Inona no azonao lazaina? Etsy andaniny anefa, ahoana no fihetsikao rehefa tsy araka izay nantenainao na nangatahinao tamim-bavaka ny toe-javatra miseho, na rehefa toa tsy mivaly ny fitakianao ireo teny fikasana?

2. Ifanakalozy hevitra ny voalazan'ny Baiboly momba ny fahatezeran'Andriamanitra. Ahoana no hanehoanao ny fahatezeran'i Jehôvah ho ampahany amin'ny vaovao mahafaly?

3. Inona avy ireo lesona voarainao avy amin'ny fianarantsika tamin'ity herinandro ity mikasika ny fikambanana amin'ny tsy mpino? Ahoana no ahaizantsika mandanjalanja ny hoe: mila mametraka faritra mazava isika mba hampiavaka antsika amin'ny foto-kevitra sy ny fomba amam-panao, kanefa koa mila mifandray sy mifangaro amin'ny olona isika mba hanompo sy hikarakara azy ireo?

4. Inona avy no manakana anao tsy hifikitra amin'i Jehôvah amin'ny fonao manontolo?

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Daty
Sabotsy 20 December 2025

FIDIONAREO ANIO!

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 24; Gen. 12:7; Deo. 17:19; Deo. 5:6; 1 Mpanj. 11:2,4,9; 2 Tim. 4:7,8.

Tsianjery:

"Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo (...) fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehôvah izahay." - Jos. 24:15

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ry tontolon-kevitry ny fanompoam-pivavahana ho fanavaozana ny fanekena ny toko farany ao amin'ny bokin'i Josoa, saingy amin'ity Lindray mandeha ity dia ilay mpitarika ny Isiraely efa antitra no nitarika izany. Na dia tsy fanekena aza io toko io fa fitantarana ny fotoana manokana nanavaozan'ny Isiraely ny fanekena, dia hita ao ihany ireo singa nanamarika ny fifanarahana na fanekena nifanaovana tamin'ny tompomenakely tany Proche-Orient tamin'izany andro izany: (1) sasinteny izay manondro ilay tompomenakely manao fanekena voalohany; (2) tantara izay milazalaza ny fifandraisana eo amin'ilay tompo sy ny mpanompony: (3) ny andinindinin'ny fanekena izay milaza amin'ilay mpanompo mba haneho fahatokiana feno amin'ny tompony, fahatokiana izay miorina amin'ny fankasitrahana; (4) ireo fitahiana noho ny fankatoavana sy ny ozona noho ny fandikana ny fanekena; (5) fitanisana ireo vavolombelon'ny fianianana nataon'ilay mpanompo; (6) fandraketana an-tsoratra izay hovakina amin'ny hoavy; (7) fanamafisana ny fanekena.

Efa manakaiky ny fotoana hahafatesan'i Josoa nefa tsy mbola manangasanga izay handimby azy. Ny fanavaozana ny fanekena dia fampahatsiahivana amin'ny Isiraely fa Yahweh mihitsy no Mpanjakan'izy ireo, ary koa raha mitoetra ho mahatoky Aminy izy ireo dia hahazo ny Fiarovany. Tsy mila olombelona hanjaka aminy ny Isiraely. Amin'ny maha-firenena eo ambany fanapahan Andriamanitra azy dia tokony ho ao an-tsain'izy ireo mandrakariva fa Jehovah no hany Mpanjakany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 27 Octobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal