Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 07 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Rota 1:1-5; Rota 2:5-20; Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Est. 3:1-14; Apôk. 12:14-17.

Tsianjery:

"Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina." - Est. 5:2

Hanohy ny fandinihana ireo tantara izay maneho mialoha ny toe-javatra hitranga amin'ny andro farany isika amin'ity herinandro ity. Mampiasa tantara sy olona tena nisy Andriamanitra mba hanampiana antsika hahita ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny ary koa mba hahatakarantsika ny fomba fanazavana ny faminaniana izay omena aty aoriana kely ho fanamafisana ny finoantsika.

Vehivavy manana ny maha-izy azy anankiroa no ifantohantsika, izay manana tantara nikasika ny fon'ny taranaka maro nifandimby: i Rota sy i Estera. Ny iray dia mpitondratena namoy izay rehetra nananany nefa nahita fanantenana taorian'ny nifankahitany tamin'i Boaza, lehilahy tsara fanahy, izay havana mahavotra azy. Tonga tantaram-pitiavana tian'ny Kristianina indrindra ny ndra ny fanambadian'izy ireo noho ny fanehoan'izany ny fitiavan'i Kristy antsika. Ny anankiray indray dia tovovavy iray nonina tany amin'ny firenen-kafa, izay nahalala ny teti-dratsy hoenti-mandringana ny vahoakany ka nanjary tafiditra teo amin'ny sehatry ny tantara, mba hamonjena azy ireo.

Mazava loatra fa sary an'ohatra mahery vaika anehoana ny fiangonan' Andriamanitra ny vehivavy ao amin'ny faminaniana, izay manazava amintsika ny fomba fiheveran'Andriamanitra ny olony. Andeha hojerentsika ny tantaram-piainan'ireo vehivavy roa ireo ao amin'ny Baiboly, izay noraketina mandrakizay ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka amin'izany no hisintonantsika lesona avy amin'ny fanandramana niainany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 14 Juin.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"

Daty
Alahady 08 June 2025

MOSARY TANY AMIN'NY "TRANON'NY MOFO"

Matetika ireo mpitsikera ny finoana kristianina no manondro ny toe-javatra feno herisetra eo amin'ny fiainana eto amin'ity tontolo ity ho porofo fa: (a) tsy misy Andriamanitra, na koa (b) tsy manan-kery hoenti-misalovana Izy rehefa mitranga ny toe-javatra ratsy, na (d) tsy rototra Izy rehefa azom-pahoriana isika. Maro amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly anefa no mitondra porofo marobe izay maneho fa tsy misy marina ireo fiheverana ireo. Avelan'Andriamanitra mijinja ny vokatry ny fikomiany Aminy tokoa ny taranak'olombelona, nefa eo mandrakariva Izy, miasa ao amin'ny tantara, mitantana antsika handroso ho amin'ny famahana faratampony ny olan'ny fahotana sy ny fahoriana, ary ataony ao anatin'ny fanajana ny safidy malalaka ananantsika izany. Ny tantaran'i Rota no maneho izany ohatra izany.

Vakio ny Rota 1:1-5. Inona ireo zava-tsarotra nianjady tamin'i Naomy sy i Rota, ary inona no nahatonga izany? Ahoana no anehoan'izany taratra ny toe-javatra atrehin'ny taranak'olombelona iray manontolo ankehitriny?

Misy toe-javatra toa maneso ao amin'ny fampidirana ity tantara ity: nisy mosary tany Betlehema, tanana iray izay manana anarana midika hoe: "tranon'ny mofo." Mampahatsiahy ny zavatra marobe hita tao Edena izany, raha nilaza tamin'i Adama sy i Eva Andriamanitra hoe: "Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany" - Gen. 2:16. Tao anatin'ny harena no niantombohan'ny fisian'ny taranak'olombelona, teo ambany fiahian'ilay Mpamorona malala-tanana, saingy natakalon'izy ireo ny fanandevozan'ny fahotana ny toerany amin'ny maha-mpitandrina ny zavaboary azy. Hoy i Jehôvah tamin'i Adama: "Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao." Gen. 3:19.

Tahaka an'i Naomy, isika koa dia namoy ny lova rehetra izay nokasain Andriamanitra ho antsika tany am-piandohana, ary nanjary zava-tsarotra ny fiainantsika. Natolotra ho fanomezana i Edena, saingy nisy fepetra izany: nanana fahalalahana ny hikomy ny olombelona nefa midika izany fa izy no tsy maintsy handray andraikitra momba ny fiainany. Tany am-piandohana, isika dia nokendrena "hampanompo" ny tontolo iray manontolo izay tsy lavo, teo ambany fitahian'Andriamanitra; izao anefa dia tontolo iray lavo no anjakantsika. Miteraka aretim-po sy fahoriana ny fifandrafian'ny olombelona tia tena noho ny amin'ny harem-bitsy sy voafetra.

Tsy hay lazaina ny toe-javatra mahonena: mbola mamokatra be hatrany ny tany, fanehoana miezinezina ny fitiavan'Andriamanitra izany. Eo anatrehan'ny fimatimatesan'ny olombelona amin'ny harena sy ny fandravan'ny fahotana anefa dia toa isika indray no ampanompoan'ny tany fa tsy manjaka aminy tsy akory. Na izany aza, dia hifarana izany rehetra izany, indray andro any.

Na dia enina arivo taona taorian'ny nisian'ny fahotana sy ny fahafatesana aza, ahoana no mbola anehoan'ny tany ireo zava-mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny hery hoenti-mamorona ananany?

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.

Daty
Alatsinainy 09 June 2025

I ROTA SY I BOAZA

Nangataka ny hanovan'ny olona ny fiantsoana azy ho "Mara" i Naomy noho ny zava-mangidy nitranga teo amin'ny fiainany (jereo ny Rota 1:20). Nosimban'ny fahotana tamin'ny fomba tsy hay arenina ny fifandraisantsika amin'ilay Mpamorona antsika; nandentika antsika ao anatin'ny fahantrana ara-panahy izany. Kely dia kely ny fanantenantsika ny amin'ny hoavy, ary mandany ny fiainana amin'ny fitsimponana izay latsaka eny amin'ny sisin'ny tanimboly isika, miaina amin'ny sombim-pifaliana kely mety ho hita eto amin'ny tontolo iray potika. Miova anefa izany rehetra izany amin'ny fotoana iray hahafantarantsika ny zavatra iray manan-danja: tsy nanadino antsika Andriamanitra.

Vakio ny Rota 2:5-20. Nahoana io toe-javatra io no kihon-dalana iray teo amin'ny tantara? Araka ny hevitrao, nahoana no vaovao mahafaly ny fahafantaran'i Naomy ny anaran'ilay nanao soa azy ireo?

Verin'i Naomy avokoa izay rehetra nananany, ary azo heverina fa niverina izy mba hivarotra ny taniny hahafahany manonitra ny trosa nalainy talohan'ny nifindran'izy ireo nankany Moaba. Nisy fandaminana napetrak'Andriamanitra tany Isiraely ho an'ireo olona namoy ny fananany rehetra mba hahafahan'izy ireo mahazo ny lovany ao amin'ny Tany Nampanantenaina: azon'ny havana akaiky iray atao ny manavotra ny tany ho azy. Tsy mpamboly tsara fanahy fotsiny i Boaza fa havana mahavotra. Raha tsy vitan'ny olona ny mandoa ny trosany sy mitaky ny anjarany eo amin'ny lovan'Isiraely, dia azon'ny havany akaiky atao ho azy izany: "Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny." - Lev. 25:25.

Ny fahafantarana fa i Boaza dia tsy olona tsara fanahy sy malala-tanana fotsiny fa havana mahavotra no azo heverina fa vaovao tsara indrindra tamin'izany: tsy voatery hiaina mandrakizay ao anatin'ny fahantrana intsony ireto vehivavy roa ireto.

Tandindona maneho an'i Kristy no nahatakaran'ny Kristianina an'i Boaza hatrizay, i Kristy ilay Mpahary antsika no sady nifidy ny ho havana mahavotra antsika olombelona nofo sy ra, izay antony amerimberenany ny fiantsoany ny Tenany hoe "Zanak'olona." (Mat. 12:8; Mar. 8:31; Lio. 22:22; Jao. 3:14).

Maro loatra ny olona mihevitra an'Andriamanitra ho lozabe: havelany hiditra any an-danitra angamba isika raha toa mahafeno ireo fepetra rehetra amin'ny fanadinana ara-môraly, nefa hanao izany tsy fidiny Izy satria tsy voahajantsika ny tsipirian-javatra iray. Nampitsimbadika tanteraka ireo fiheverana ireo ny sarin'i Kristy nasehon'i Boaza. Tsy hoe mifantoka amintsika fotsiny ny sain'Andriamanitra, fa iriny koa ny hampakatra antsika ho vady na dia eo aza ny fahantrana lalina ara-panahy misy antsika.

Ezaho saintsainina izao: tsy tonga tahaka ny iray amin'ireo voariny fotsiny ilay Mpamorona fa nanolotra ny ainy ho azy ireo koa. Ahoana no tokony ho fiantraikan'izany fahamarinana mahagaga Izany eo amin'ny fomba fijerintsika ny fiainantsika?

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.

Daty
Talata 10 June 2025

BOAZA, AMIN'NY MAНА-MPANAVOTRA AZY

Nanjary tia an'i Rota fatratra i Boaza ary naniry ny hampakatra azy, saingy nisy sakana iray tsy azo natao tsinontsinona: nisy havana akaiky kokoa izay nanan-jo tamin-dravehivavy sy ny tany. Raha raisintsika ho tandindona maneho an'i Kristy i Boaza, dia manampy antsika hahatakatra ny ampahany manan-danja amin'ny ady lehibe ifanandrinan Andriamanitra sy i Satana izany toe-javatra izany. Tia antsika i Kristy, saingy misy "havana akaiky" izay milaza fa azy isika: i Satana.

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fanambaran'i Satana fa manan-jo amin'ny taranak'olombelona izy? (Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Joda 1:9; Lio. 22:31).

Rehefa tonga nanatrika ny filan-kevitry ny lanitra i Satana, dia nanambara tamin' Andriamanitra fa "Avy nizahazaha teny amin'ny tany (...) ka nivezivezy teny. Jôba 1:7. Ary rehefa nanontany azy Andriamanitra raha toa hitany i Jõba ilay marina, dia nambarany fa azy i Jôba fa tsy tena nametraka ny fony tamin Andriamanitra tokoa. Izany hoe, izao no tiany hambara: "Manara-dia Anao izy satria manisy soa Azy ianao. Atsaharo ny fanaovan-tsoa aminy dia ho hitanao izay tena iandanian'i Jôba."

Ahitantsika firesahana fohy mikasika ny tantara iray fantatry ny Isiraely tsara ao amin'ny Joda: natsangana tamin'ny maty i Mosesy taoriana kelin'ny fotoana nandevenan Andriamanitra azy (Deo. 34:6). Na dia tsy fantatsika aza ny tsipiriany momba izany, dia ambaran'ny lahatsoratra fa niady ny fatin'i Mosesy Andriamanitra sy i Satana; midika izany fa nitaky ny fatin'i Mosesy i Satana.

"Ary nony hitany fa vonona hanapaka ny fefy vy amin'ity tranomaizina mainty ity sy manatona ny fasana misy an'i Mosesy miaraka amin'ny andian'anjely mamirapiratra ilay Andrian'ny fiainana - dia taitra mafy izy ka nihazakazaka niaro ny toeram-panjakany. Lasa izy nanohitra mafy ny fanafihana ny tany izay lazainy fa azy, niaraka tamin'ny anjely ratsiny. Nambarany fa babony i Mosesy, afa-tsy izany, ny tsy fitandremany ny didin'Andriamanitra sy ny nakany ho an'ny tenany ny voninahitra tokony ho an'i Jehôvah , dia maha-meloka azy mitovy tamin'izay nandroahana azy, Losifera, avy any an-danitra." - PM, t. 477. Mazava loatra fa nolavin'i Kristy ny fitakian'i Satana, ary natsangana tamin'ny maty i Mosesy (jereo ny Mat. 17:3).

Nankany amin'ny vavahadin'ny tananan'i Betlehema i Boaza, ao amin'ny Rota 4:1-12, toerana izay nahaterahan'i Kristy teto amin'ity tanintsika ity amin'ny maha-havana mahavotra antsika Azy. Nivory tao ireo loholona, ary nisy ny fifanakalozana kapa tamin'ny farany (tandindon'ny maha-tompon'ny tany azy).

Teo am-bavahadin'ny tanana no nitsarana ny toe-javatra samihafa; tandindon'ny fitsarana hita ao amin'ny Dan. 7:13,14,22,16,27 izany. Tokony ho voamaritsika izao lafiny iray manan-danja amin'ny fitsarana izao: ny fanomezana "rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra dia noho ny nandoavan'i Kristy ny sandan'izany ho antsika, tahaka izay nataon'i Boaza ho an'ilay nampakariny.

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.

Daty
Alarobia 11 June 2025

I HAMANA SY I SATANA

Mahita an'i Hamana, lehilahy mangetaheta toeram-boninahitra sy fahefana isika, ao amin'ny tantaran'i Estera. Nomen-kaja lehibe ambonin'ireo andriana rehetra izy tao amin'ny fanjakana (Est. 3:1).

Raha mamaky ny momba an'i Losifera ao amin'ny Ezek. 28:11-15 sy ny Isa. 14:12-15 isika, dia mahita ny fitoviany amin'i Hamana, lehilahy ratsy fanahy fahavalon'ny vahoaka nofidin'Andriamanitra, izay tsy nety niankohoka teo anatrehan'ny fahalehibeazan'Andriamanitra. Ao amin'ny tantaran'ny nakana fanahy an'i Kristy no isehoan'ny fikasana lalina indrindra tao anatin'i Satana, raha nitondra an'i Jesôsy tany an-tendrombohitra avo dia avo izy mba haneho Aminy ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao (Mat. 4:8-11). Araka izay efa hitantsika, dia tonga mba hanavotra an'izao tontolo izao i Kristy ary hitaky izany ho fananany. Tamin'ny maha-Olombelona iray amintsika Azy no nanaovany izany. I Jesôsy no ilay havana mahavotra, ary mazava loatra fa ambony dia ambony tokoa ny sanda naloany mba hanavotana an'izao tontolo izao.

Hitantsika ao amin'ny Apôkalipsy ny fitiavan'i Satana fatratra ny fahefana sy ny fiankohofana izay mitarika ho amin'ireo toe-java-tsarotra farany eto amin'ity tontolo ity. Izao tontolo izao no reseny lahatra ho "gaga" sy hanaraka an'ilay bibidia amin'ny alalan'ireo famitahana ataony (Apôk. 13:3,4), afa-tsy ireo olom-bitsy izay mandà tsy hiankohoka aminy. Ampiasany hery ireo olona ireo.

Tsikaritr'i Hamana fa tsy nety nandohalika teo anatrehany sy nanaiky azy ho manan-jo "hiankohofana" i Môrdekay, anankiray tamin'ireo vahoaka nofidin' Andriamanitra. "Tezitra loatra izy" ka tapa-kevitra ny handringana ireo mpiray firenena rehetra amin'i Môrdekay.

Vakio ny Est. 3:1-14 sy ny Apôk. 12:14-17 ary ny Apôk. 13:15. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo? Ahoana no itovian'ny fanoritsoritan'i Jaona ny fiangonana sisa izay an'Andriamanitra sy ny fanoritsoritan'i Hamana ny vahoakan'Andriamanitra tamin'izany?

Nanambara ny fananany zo amin'ity tontolo ity ny devoly, saingy manohitra ny fihamboany ho manana fahalehibeazana faratampony ny fisian'ireo vahoakan'Andriamanitra mijoro ho mahatoky izay mitandrina ny Didiny. "Rehefa hanjary antony manokana ifanolanana eo amin'ny vahoaka kristianina ny Sabata, dia hahatonga ireo vitsy an'isa ho fankahala eran'izao tontolo izao ny fikirizany handà tsy hilefitra amin'izay takin'ny besinimaro." - Signs of the Times, 22 Febroary 1910.

Eritrereto ireo zavatra "madinika" izay mizaha toetra ny finoanao amin'izao fotoana izao. Raha toa ianao manao marimaritra iraisana momba ireny "zava-madinika" ireny, ahoana no hataonao rehefa ho avy ny fizahan-toetra lehibe?

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.

Daty
Alakamisy 12 June 2025

HO AMIN'IZAO ANDRO IZAO MIHITSY

Fironana mampalahelo ao amin'ireo Kristianina sasany ny mifantoka amin'ireo teboka sarotra ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly. Hitantsika fa mihakaiky ny fotoan'ny fizahan-toetra, ary mety hiorina amin'ny fahatahorana ny fandinihana ny faminaniana hany ka ny zava-tsarotra no ifantohana fa tsy ny fiafaran'ny tantara izay nampanantenain'Andriamanitra. Na dia tsy afenimpenin'Andriamanitra amintsika aza ny hoavy ary tsoriny amintsika ireo toe-javatra izay hitranga mandra-pifaran'ilay fifanandrinana lehibe, dia zava-dehibe mandrakariva ny hamakiantsika ny tantara hatramin'ny farany.

Misy rafitra ankapobeny ao amin'ny faminaniana izay anehoan'Andriamanitra ireo fahamarinana momba ny fikorontanana nateraky ny fikomiantsika olombelona, ary asehony antsika ny vokatr'izany. Manome fanantenana ho antsika mandrakariva anefa Izy aorian'izany. Misy ireo izay natahotra sy nangovitra raha nijery ireo fanambarana mialoha mikasika ny fotoan-tsarotra farany - ny "androm-pahorian'i Jakoba". Tsy isalasalana fa ho mafy ho an'ireo vahoakan Andriamanitra tokoa ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany, nefa tahaka ny maha-azo antoka ny filazana mialoha momba ny fotoan-tsarotra no maha-azo antoka koa ny teny fikasana momba ny fanafahana.

Manenjika ilay vadin'i Kristy amin'ny valifaty mangidy ny devoly, ao amin'ny Apôk. 12, nefa miditra an-tsehatra mba hamonjy an-dravehivavy Andriamanitra. Ny tantaran'i Estera koa dia ahitana mpanjakavavy tsara tarehy mitana ny anjara toerana fototra ao amin'ilay tantara, ary mampiasa azy amin'ny fomba mahery vaika Andriamanitra mba hamonjena ny olony.

Vakio ny Est. 4:13,14 sy ny Est. 5:1-3 ary ny Est. 9:20-28. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireo toko sy andininy ireo momba ny toerana misy antsika ao anatin'ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany?

Naorin'Andriamanitra mba hiatrika fotoana manokana eo amin'ny tantara ny fiangonany sisa. Rehefa hifarana ny 1260 andron'ny Vanim-potoana Antenan-tenany rakotra haizina, dia navoakan'Andriamanitra avy tao amin'ny fiafenany ilay hampakariny (ampitahao amin'ny Apôk. 12:14) mba hitondra ny hafa-pamindram-pony farany amin'izao tontolo izao: ny hafatry ny anjely telo. "Ho amin'izao andro izao mihitsy" no maha-eto antsika (Est. 4:14).

Hitan'i Estera fa tsy irery izy raha hiatrika ny fanenjehana nataon'i Hamana tamin'ireo mpiray firenena taminy: nahita fitia teo imason'ny mpanjaka izy ka nafahana ny vahoakany tamin'ny farany. Tsy irery koa isika raha miditra ao amin'ny vanim-potoana farany amin'ny tantaran'ny tany - miandany amintsika ny Mpanjaka ary hafahana koa ny vahoakan'Andriamanitra.

Tsara fiafarana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'io tantara io. Tsy izany mandrakariva anefa no mitranga, nahoana? Araka izany, nahoana isika no tokony hanana fijery mahataka-davitra mba hihazonana ny fanantenana ananantsika ao amin'i Kristy?

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 13 June 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny mpanjaka voalohany tao Isiraely", PM toko faha-59.

"Hahatonga fahatezerana amin'ireo olom-bitsy mandà tsy hanaiky ny fomba amam-panaon'izao tontolo izao i Satana. Hitambatra amin'ireo olona tsy azo antoka sady tsy mahafehy tena ireo olo-manan-daza sy mahamena-maso, mba hiray tetika hamelezana ny vahoakan'Andriamanitra. Hikambana ny harena sy ny fahaizana amam-pahalalana mba hanazimbazimba azy. Mioko hanisy ratsy azy ireo mpitarika sy mpitandrina mbamin'ny mambran'ny fiangonana. Ataony izay handevonana ny finoan'ny zanak'Andriamanitra amin'ny fomba rehetra, na am-bava, na an-tsoratra, na amin'ny fandroboana, na amin'ny fandrahonana, na amin'ny fanarabiana. Tairiny amin'ny alalan'ny tatitra diso ny fankahalana ao amin'ny olombelona. Ary noho ny tsy fisian'ny andalan-teny mazava avy amin'ny Soratra rehetra hikasihana ny Sabata, dia ny fanerena ny olona hofehezin'ny lalàna no atao. Ary mba hahazoana antoka tsara ny fahamamian-koditra avy amin'ny vahoaka, dia handany lalana momba ny fitandremana ny Alahady ireo mpanao lalàna. Tsy hanaiky ny fampianarana vao naorina izay mandika ny fitsipika voarakitra ao amin'ny Didy folo anefa ireo izay matahotra an'i Jehovah. Ny amin'izany lohateny mivaivay izany no fototry ny fifanoherana mafy hifanaovan'ny fahamarinana sy ny fahadisoan-kevitra. Tsy havela eo amin'ny fisalasalana momba ny fanafahana hatao amin'izany ady izany anefa isika. Ankehitriny koa, tahaka ny tamin'ny andron'i Estera, dia hamaly faty noho ny amin'ny fahamarinany sy ny vahoakany Andriamanitra." - MM, tt. 493, 494.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no mamela ny vahoakany handalo amin'ny fotoam-pitsapana? Inona no tanjony amin'ny famelana izany hiseho?

2. Ahoana no hiomanan'ny mpino hiatrika ny fizahan-toetra mifandraika amin'ny fahatokiany amin'i Kristy? Aiza no misy fanantenana eo anivon'ny toe-java-tsarotra?

3. Araka ny hevítrao, nahoana isika no manana fironana hifantoka amin'ny zava-tsarotra kokoa ao amin'ny faminanisma sy mamela ireny hanakona ny toe-javatra manan-danja kokoa izay mitondra vaovao mahafaly?

4. Misy namana manatona anao rehefa avy namaky ny bokin'ny Apokalipsy ary milaza aminao fa "mampivarahontsana" ny fahitany izany. Ahoana no hanampianao azy hanana fahatakarana mazava kokoa sy hahatsapa fiadanam-po?

5. Misy milaza hoe: "Tsy resy lahatra aho fa tia ahy Andriamanitra na mitady ahy. Raha mba fantatrao izay nataoko, dia ho takatrao ny anton'izany." Inona no havalinao izany? Ahoana no fiantraikan'ny tantaran'i Rota sy i Estera eo amin'ny valinteninao?

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 14 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 2:31-45; Dan. 3:1-12,17,18; Apôk. 13:11-17; Rôm. 1:18-25; Asa. 12:1-17; Mat. 12:9-14.

Tsianjery:

"Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena." - 2 Tim. 1:7.

Hijery tantara roa hafa ao amin'ny Baiboly isika amin'ity herinandro ity, izay nanambara mialoha ireo tranga hiseho amin'ny andro farany, amin'ny tsipiriany manaitra.

Hodinihintsika voalohany ny tantaran'i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, izay maneho mazava ireo lohahevitra hita ao amin'ny Apôk. 13. Avy eo dia hijery ao amin'ny TV isika, izay ahitantsika fa mety hanampy koa ny fanandramana niainan'ireo Kristianina voalohany, hahafantarana izay miandry antsika eo anelanelan'ny ankehitriny sy ny fiverenan'i Kristy.

Misongadina ao amin'ireo ohatra roa ireo ny herim-po, ary atoro antsika ao ny fomba ahitana fiadanan-tsaina na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra indrindra aza.

"Aza matahotra," "Nahoana no taitra Hianareo?"; nanao teny toy izany ombieny ombieny i Jesôsy . Zava-dehibe ny mitadidy fa i Kristy no ivon'ny faminaniana, ary araka izany, tokony hahita teny mampahery toy izany isika manerana ny fanoritsoritana ireo toe-javatra hiseho eto an-tany amin'ny andro farany. "Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa," hoy i Jesosy tamin'ny mpianany (Jao. 14:1).

Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: marina fa ho sarotra sy mafy tokoa ny toe-javatra hitranga any am-parany ho an'ireo izay miezaka mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra. Kanefa raha ny marina, dia tokony ho amim-panantenana no ijerentsika ireny tranga ireny, fa tsy amin-tahotra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 21 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal