Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FANANTENANA AO ANATIN'NY FOTOAN-TSAROTRA

Daty
Alahady 23 June 2024

Vakio ny Apôk. 22:11,12 sy ny Dan. 12:1,2 ary ny Jer. 30:5-7. Inona ny toe-javatra mitranga mialoha indrindra ny fiavian'i Jesôsy fanindroany?

Aorian'ny fikatonan'ny varavaram-pahasoavana dia hisy fotoan-tsarotra "izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany." Milazalaza ny amin'ireo loza fito farany izay harotsaka amin'ity tontolo feno faharatsiam-panahy ity ny Apôk . 16. Tahaka ireo loza izay nianjady tamin'i Egipta anefa, dia harovana tsy ho voan'izany ny vahoakan'Andriamanitra. Mariho ny teny fikasana ao amin'ny Daniela: "(...) ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky."- Dan. 12:1. Azo antoka fa ny "bokin'ny fiainana" io voalaza io (jereo ny Fil. 4:3; Apôk. 13:8; Apôk. 20:12, 15; Apôk. 22:19).

Raha nitoetra ho mahatoky tamin'i Jesôsy isika, dia tsy hofafana ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika (Apôk . 3:5).

Vakio ny 1 Jao. 3:1-3; Jao. 8:29 ary ny Jao. 14:30. Inona ny hany fiomanana ilaina hiatrehana ny fotoan-tsarotra izay ho avy? 

Manana fifandraisana manokana sy lalina amin'i Jesôsy ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny fotoan-tsarotra, ka tsy hisy na inona na inona hanova izany. Ny fanirian'izy ireo lalina dia ny hanao izay sitrany amin'ny zavatra rehetra mba hahatonga azy ireo hadio tahaka Azy madio, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fon'i Kristy izay nanaiky ny fitaka nataon'i Satana. Azontsika atao ihany koa ny maneho taratra izany Iafin-toetrany izany.

Vakio ny Sal. 27:5; Sal. 91:1-11 ary ny Apôk . 3:10-12. Inona ny fampanantenana feno toky izay atolotr'Andriamanitra antsika hiatrehana ny fotoan-tsarotra?

Misy olona sasany izay tsy nahatakatra araka ny tokony ho izy ny hevitry ny hoe miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotra kanefa tsy manana mpanelanelana. Mampitsahatra ny fanelanalenana ataony ao amin'ny tabernakely any an-danitra I Jesôsy rehefa samy nanao ny safidy farany avokoa ny olona rehetra, na homba Azy na hanohitra Azy. Tsy midika anefa izany fa irery isika ao anatin'izany fotoana izany ka tsy manana afa-tsy herintsika mba hitokiana. Efa nanome toky i Jesôsy fa homba antsika mandrakariva (Mat. 28:20). Ny finoana dia matoky na dia tsy mahita aza, ary mino na dia mirodana aza ny tontolo manodidina antsika. Ao anatin'ny fotoan-tsarotra, dia mihamatanjaka ny finoantsika ary mitombo ny faniriantsika fatratra ny mandrakizay, ka ny hany zavatra irintsika dia ny hiara-monina amin'i Jesôsy mandrakizay. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal