Na dia matetika aza isika olombelona no manao zavatra mifanohitra amin'izay nambarantsika ary koa mamitaka, Andriamanitra kosa tsy mba mandainga (jereo ny Nom. 23:19). Maneho izany toetrany tsy miovaova izany koa ny hafatra omeny amin'ny alalan'ireo mpaminany. Ho hita taratra eo amin'ny hafatra omeny ny Fahamarinany tsy miova.
Vakio ny Isa. 8:20. Inona no teboka manan-danja ampitainy eto?
Ny Baiboly mandrakariva no fenitra ambony indrindra tokony hampitahana ny teny rehetra izay lazaina fa tsindrimandrin'Andriamanitra. Tsy maintsy zahan-toetra ny mpaminany ka ampitahaina amin'izay lazain'ny Baiboly ny teniny. Ny tena mpaminany marina dia tsy manohitra na oviana na oviana na manamaivana ny fahamarinan'ny Baiboly ary tsy misintona ny sain'ny olona hiala amin'izany. Izany no mahatonga ny fahalalana ny Soratra Masina ho zava-dehibe tokoa ho an'ireo izay maniry hanaraka ny Tompo sy tsy te ho voafitaky ny mpampianatra na ny mpaminany sandoka.
Ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ireo mpaminany nifandimby dia matetika nanasongadina sy nanondro ireo asa soratra ara-paminaniana tany aloha ho fenitry ny asa fanompoana maha mpaminany azy. Nanome fanazavana fanampiny mahakasika ny drafitr'Andriamanitra sy ny lalam-pamonjena ireo mpaminanin'ny Baiboly tatỳ aoriana. Tsy mba nanohitra velively ireo foto-kevitra sy fitsipika efa nomen'Andriamanitra tany aloha izy ireo.
Inona no ampianarin'ny 2 Pet. 1:19–21 sy ny Rôm. 15:4 ary ny Jak. 1:17 antsika momba an'Andriamanitra sy ireo hafatra ara-paminaniana nomeny nandritra ny taonjato maro?
Ireo fototra ao amin'ny Testamenta Taloha izay manampy amin'ny fahatakarana ny drafi-pamonjena dia efa napetraka tao amin'ny faminaniana voalohany nomen'Andriamanitra; ao amin'ny Gen. 3:15 izany. Naneho izany planin'ny famonjena izany ny rafi-pisoronana, saingy ny tsipiriany mikasika ny fomba hahatongavan'i Jesôsy Kristy ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra kosa - ny fiainany sy ny fahafatesany ho an'ny olombelona - dia naseho tsikelikely tamin'ny alalan'ny faminaniana tatỳ aoriana. Ambaran'ny Soratra Masina fa mampahafantatra ny fahamarinana Andriamanitra rehefa afaka ny hahatakatra izany ny vahoakany. Amin'izany no mahatonga ny fahatakarana ny fahamarinana hihalalina hatrany eo amin'ny taranaka mifandimby. Izany no hevitry ny "fahamarinana miseho miandalana". Izany hoe, hisy taranaka atỳ aoriana hahatakatra amin'ny fomba lalindalina kokoa ny fahamarinan'Andriamanitra mihoatra noho ireo teo alohany.
Na izany aza, dia misy teboka manan-danja tsy azo odian-tsy hita: ny fanambarana vaovao momba ny fahamarinana dia tsy hanohitra velively ny fahamarinana efa nomen'Andriamanitra tany aloha.