Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I WILLIAM MILLER SY NY BAIBOLY

Daty
Talata 14 May 2024

Tahaka ny nampiasan'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana protestanta mba hanamafy ny fahamarinana momba ny fanamarinana amin'ny finoana ao amin'i Kristy irery ihany, dia toy izany koa no nampiasany an'i William Miller hanamafy ny fahamarinana momba ny fiavian'i Kristy fanindroany. Raha nianatra ny Soratra Masina i Miller dia hitany i Kristy tia azy mihoatra noho izay mety ho takatry ny sainy. Nanomboka namaky ny Baiboliny, nanomboka tamin'ny Genesisy izy, niaraka tamin'ny penina sy ny fandraisana an-tsoratra, ary tsy nandroso ho amin'ny manaraka raha tsy efa nazava tsara taminy ny andalan-tSoratra novakiny. Tamin'ny fampitahana ny Soratra Masina amin'ny Soratra Masina no namelany ny Baiboly hanazava ny tenany.

Vakio ny Isa. 28:9,10; Ohab. 8:8,9; Jao. 16:13; sy ny 2 Pet. 1:19-21. Inona avy ireo fitsipika fanazavana ny Baiboly hitanao ao amin'ireo andininy ireo?

Nisokatra teo anoloan'i William Miller ireo zava-miafin'ny Baiboly arakaraka ny nampitahany ny Soratra Masina tamin'ny Soratra Masina. Nikatsaka izany toy ny fikatsaka harena miafina izy ka nandray ny haren'ny valin-kasasarany. Nanokatra ny sainy hahatakatra ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tamim-pahavitrihana tahaka ny nandinihany ireo lahatsoratra hafa tao amin'ny Baiboly ihany no nandinihany koa ny faminaniana.

Vakio ny Dan. 1:17; Dan. 2:45; 1 Pet. 1:10,11; sy ny Apôk . 1:1-3. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fahatakarana ireo faminanian'ny Baiboly?

Tsy mifono zava-miafina ireo famantarana ao amin'ny boky faminaniana. Nomen'llay Andriamanitra fitiavana antsika ny Teny faminaniany hanomanana antsika ho amin'ireo toe-javatra mafy indrindra hitranga tsy ho ela eto amin'ity tany ity. Takatr'i William Miller tsara fa ny faminaniana ihany no mahay manazava indrindra ny tenany. Ny Baiboly no manazava ireo famantarana ao amin'ny faminaniana. Maneho mpanjaka na fanjakana ny bibidia (Dan. 7:17,23). Ny rivotra dia maneho ny faharavana (Jer. 49:36). Ny rano dia maneho vahoaka na firenena maro (Apôk . 17:15). Ny vehivavy dia maneho ny fiangonana (Jer. 6:2, Efes. 5:22-32). lreo faminaniana momba ny fotoana ao amin'ny Daniela sy Apôkalipsy koa dia lazaina ara-tandindona, iray andro ara-paminaniana mira iray taona ara-bakiteny (Nom. 14:34, Ezek. 4:6). Rehefa nampihatra ireo fitsipika fanazavana ny Baiboly ireo i William Miller dia talanjona teo am-pahitana izay noheveriny ho fotoana hiverenan'i Kristy.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoantsika ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ireny sary an'ohatra ara-paminaniana ireny? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal