Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 03 July 2026

Vakio ny VM, toko 24.
"Nampiasa fomba hafa noho izay mampiavaka ny asany tany Atena ny Apôstôly raha nitory ny filazantsara tany Korinto. (...) Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-kevitra sy ny adi-hevitra izy ary 'tsy hahalala zavatra hafa' teo amin'ny Korintiana 'afa-tsy Jesôsy Kristy; indrindra Izy voahombo amin'ny hazo fijaliana'." - VM, t. 214.

"Na azo lazaina aza fa nahita fahombiazana i Paoly," dia "nisalasala izy sao tsy fahendrena ny manandrana manorina fiangonana amin'ireo fitaovana nisy tao. Noheveriny ho saha tsy tsara iasana i Korinto, ka tapa-kevitra ny hiala tao izy. (...)

"Raha nanao drafitra hiala ny tanana ho any amin'ny saha mahabe fanantenana kokoa izy, (...) dia niseho taminy tamin'ny fahitana tamin'ny alina ny Tompo ka nanao hoe: 'Aza matahotra fa mitenena ihany (...) fa manana olona maro amin'ity tanana ity Aho'. Baiko mampijanona azy ao Korinto no nandraisan'i Paoly izany, sady antoka fa hampitombo ny voa nafafiny ny Tompo. (...) Nisy fiangonana lehibe niditra ho eo ambanin'ny fanevan'i Kristy." - Sketches from the Life of Paul, tt. 106,107.

"Voalaza fa niasa nandritra ny herintaona sy enim-bolana tao Korinto i Paoly. Tsy voafetra tao amin'io tanàna io ihany anefa ny ezaka nataony. (...) Nataony foibe iaingan'ny asa rehetra i Korinto. (...) Fiangonana maromaro no natsangana. (...) Ny banga noho ny tsy fahatongavan'i Paoly tao amin'ireo fiangonana nahiany ireo dia nofenoina, amin'ny ampahany, tamin'ny fifandraisana (an-taratasy) mavesa-danja sy feno hafatra mafonja, izay noraisin'ny maro ho toy ny tenin'Andriamanitra. (...) Novakina teo anatrehan'ny fiangonana ireo epistily ireo." - Sketches from the Life of Paul, t. 109.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Resy lahatra i Paoly fa apôstôly i Jesôsy izy, ary fiantsoana avy amin'Andriamanitra izany. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mahafantatra ny maha-isika antsika sy ny fiantsoana antsika?

2. Toa tsy naniry hanohy ny asa misionerany tao Korinto intsony i Paoly tao anatin'ny fotoana fohy, fa hiala ilay tanana. Inona no nahatonga azy hiova hevitra? Ahoana no anampian'izany antsika rehefa te hilavo lefona iny isika amin'ny tetikasa misionera iray? Moa ve mety misy fotoana tokony hialana tokoa?

3. Nisy fiantraikany lehibe tamin'lreo mambran'ny fiangonana tany Korinto ny kolontsaina manodidina. Miharihary fa toy izany koa ny zava-misy eo amintsika ankehitriny. Ahoana no ahaizantsika ho sady eto amin'izao tontolo izao (Jao. 17:11,15) nefa tsy ho voasariky ny "zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao" - 1 Jao. 2:16?.  Amin'ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany ratsy ny kolontsaina manodidina eo amin'ny ny fiangonantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal