Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona

Daty
Talata 02 December 2025

JOSOA, ILAY TANDINDONA

Araka ny hitantsika momba ny tandindona ao amin'ny Baiboly, midika inona ny fitoviana maro hita eo amin'ny fiainan'i Mosesy sy ny fiainan'i Josoa? Jereo ny Eks. 3:1,2; Jos. 1:1-3; Nom. 13:1,2; Jos. 2:1: Eks. 3:5; Jos. 5:15.

Araka ny efa hitantsika tamin'ny herinandro voalohany, dia aseho ho Mosesy vaovao i Josoa teo amin'ny fiainan'ilay taranaka faharoa, ary naveriny ireo dingana manan-danja indrindra nandritra ny nialan'ny vahoaka Isiraely avy tany Egypta. Toa an'i Mosesy dia nihaona manokana tamin'ny Tompo izy, ary nomeny iraka hotanterahina. Nanetsika tahotra sy fanajana tao amin'ireo firenena manodidina ny lazan'ny Isiraely na teo ambany fitarihan'i Mosesy na teo ambany fitarihan'i Josoa. I Mosesy no nitarika ny Isiraely tamin'ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ary i Josoa kosa no nitarika ny Isiraely tamin'ny fiampitana ny Ony Jordana tamin'ny fomba mahagaga. Samy nampahatsiahy ny ilana ny famorana sy ny maha zava-dehibe ny Paska ireo mpitarika roa ireo. Tamin'ny andron'i Mosesy no nanomboka nilatsaka ny mana, ary tamin'ny andron'i Josoa no nifarana izany. Samy nodidiana hanala ny kapany izy roalahy. Nidika fandresena ho an'ny Isiraely ny fanandratan'izy ireo ny tanany. I Mosesy no nanome toromarika momba ny fizarana ny tany sy ny fanorenana ireo tanana fandosirana. I Josoa kosa no nanatanteraka ireo toromarika ireo. Samy nanao anatra farany ho an'ny Isiraely izy roa lahy tamin'ny fiafaran'ny asa fanompoany, sy nanao antso hanavaozana sy hanamafisan'izy ireo ny fanekeny tamin'Andriamanitra.

Diniho ny Deo. 18:15-19, Deo. 34:10-12, Jao. 1:21, Asa. 3:22-26, ary ny Asa. 7:37. Iza no nahatanteraka ny faminanian'i Mosesy momba ilay mpaminany tahaka azy? Hatraiza no ifanarahan'izany amin'l Josoa?

Ny fiainan'i Josoa dia fahatanterahan'ny ampahany tamin'ny faminaniana nataon'i Mosesy (Deo. 18:15,18). Tsy tanteraka tamin'ny fahafenoany anefa ny hevitry ny faminaniana nataon'i Mosesy. Tsy tanteraka tanteraka amin'ny heviny feno io faminaniana io raha tsy tamin'ny alalan'ny Mesia. Izy no mahalala tsara ny Ray (Jao. 1:14,18); Izy no marina ary nanambara an'Andriamanitra tamim-pahamarinana (Lio. 10:22; Jao. 14:6; Mat. 22:16). Andriamanitra tokoa no nametraka ny Teniny tao am-bavany (Jao. 14:24). Koa ny fiainan'i Mosesy sy ny an'i Josoa dia samy tonga tandindona maneho an'i Jesôsy , Ilay Mesia ho avy.

Eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra, toerana manao ahoana no tanan'i Jesosy? Nahoana no tsy maintsy atao fototra iorenan'ny fiainanao manontolo amin'ny maha kristianina anao i Jesôsy sy izay nataony ho anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal