Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy

Daty
Alatsinainy 01 December 2025

NY TANDINDONA SY NY TENA IZY

Tsy azon ireo mpandinika sy mpanazava ny Baiboly atao ny manapa-kevitra araka izay tiany ny amin'izay tokony ho tandindona ao amin'ny Baiboly, na ny fomba nahatanterahan izany tandindona manokana izany ao amin'ny TV sy amin'ny hoavy. Ny Baiboly ihany no mariome fepetra sy fitsipika momba ny fahatakarana ny hevitr'ireo tandindona ao aminy.

Toy izany koa, ambara ao amin'ny TV ao anatin'ny dingana telo miavaka tsara ny fahatanterahan'ny tandindona iray: (1) eo amin'ny fiainan'i Kristy, (2) eo amin'ny fiainan'ny fiangonana, ary (3) amin'ny andro farany.

Hitantsika manerana ny Baiboly ireo tandindona sy tena izy ireo, ary manampy ny mpamaky tokoa amin'ny fahatakarana ny voalazan'ny Baiboly sy ireo fahamarinana ampianarin'ny Tenin'Andriamanitra momba an'i Jesosy, ny famonjena, ary ny fanantenana faratampony ananantsika.

Diniho ireto tandindona ao amin'ny TT ireto: ny Isiraely, ny tantaran ny Eksodosy, ary ny fitoerana masina. Ahoana no mahatanteraka ny tsirairay amin'ireo ao anatin'ireo dingana telo voalaza teo?

  1. Ny Isiraely

a. Eo amin'ny fiainan'i Kristy (Mat. 2:15):

b. Eo amin'ny fiainan'ny fiangonana (Gal. 6:16):

d. Amin'ny andro farany (Apôk. 7:4-8,14):

  1. Ny tantaran'ny Eksodosy

a. Eo amin'ny fiainan'ı Kristy (Mat. 2:19-21):

b. Eo amin'ny fiainan'ny fiangonana (2 Kôr. 6:17):

d. Amin'ny andro farany (Apôk. 18:4):

  1. Ny Fitoerana Masina

a. Eo amin'ny fiainan'i Kristy (Jao. 1:14: Jao. 2:21; Mat. 26:61):

b. Eo amin'ny fiainan'ny fiangonana (1 Kör. 3:16, 17,2 Kôr.6:16):

d. Amin'ny andro farany (Apok. 3:12; Apok. 11:19; Apôk. 21:3: Apok. 21:22):

"Koa satria iray ihany ny Mpanoratra ny Soratra Masina: Andriamanitra, dia tsy misy mifanipaka fa mifandrindra ireo ampahany isan-karazany ao amin'ny Soratra Masina. (...) Tsy mety hifanohitra fa mifameno tsara ireo foto-pampianarana rehetra ao amin'ny Baiboly; ny fanazavana ny andalan-tsoratra tsirairay dia hifanaraka tsara amin'izay ampianarin'ny Soratra Masina ankapobeny momba ny lohahevitra iray." - Raoul Dedren, Handbook of Seventh-day Adventist Theology, t. 65.

Inona no ataonao rehefa hitanao fa saro-takarina indraindray ny hevitry ny andinin-tSoratra Masina sasany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal