Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Ny dragona ao amin’ny Apôkalipsy.

Daty
Alatsinainy 03 March 2025

Voafintina ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny formba fijery ankapobeny momba ireo mpanapaka eny amin'ny rivotra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe manerana izao tontolo izao, izay anehoana ny devoly amin'ny alalan'ny "dragona" manohitra an'Andriamanitra sy "mamitaka izao tontolo izao" (Apôk . 12:9).

Vakio ny Apôk. 13:1-8. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo momba ny velaran'ny fanapahan'ilay dragona?

Tsy hoe miady amin'Andriamanitra sy ny mpanompony fotsiny ilay dragona (i Satana) (Apôk . 12:7-9, jereo koa ny Apôk. 12:1-6), fa aseho ho mpanapaka ao ambadik'ireo fanjakana eto an-tany izay manenjika ny vahoakan Andriamanitra manerana ny tantara koa izy.

Nomen'ilay dragona an'ilay bibidia avy amin'ny ranomasina "ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe" - Apôk. 13:2; ampitahao amin'ny Apôk. 13:5; Apôk. 17:13,14. "Nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy. ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana" io bibidia avy amin'ny ranomasina io (Apôk. 13:5).

Araka izany dia nomen'i Satana (ilay dragona) fahefana sy fanapahana ny bibidia iray (fahefana ara-politika sy ara-pivavahana iray eto an-tany). Ampiasaina izany fahefana izany mba handrombaka ny fiankohofana tokony hatao amin'Andriamanitra. Miteny ratsy ny anaran Andriamanitra io bibidia io, miady amin'ireo olo-masin Andriamanitra koa izy ary mandresy azy ireo mihitsy aza, farafahakeliny mandritra ny fotoana iray voafaritra. Ny dragona, izay mpandroba fahefana manapaka eto amin'ity tontolo ity no nanolotra azy izany fahefana sy fanapahana eto an-tany izany.

Misy fetra mazava anefa napetraka tsy hihoaran'i Satana sy ireo anjeliny, ary misy fe-potoana voafetra koa. "Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny. Apôk. 12:12.

Fantatr'i Satana fa "kely sisa ny androny Apôk. 12:12, ary ireo toe-javatra resahin'ny Apokalipsy dia mifandraika amin'ny fe-potoana ara-paminaniana izay mampiseho fetra voafaritra manokana ho an'ny fanapahan'ireo herin'ny ratsy ireo (jereo ny Apôk . 12:14; Apok. 13:5).

Eny tokoa, mandresy Andriamanitra amin'ny farany. "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." - Apôk. 21:4.

Handresy ny ratsy mandrakizay ny tsara amin'ny farany, na dia sarotra ho antsika aza ny mahita Izany ankehitriny. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy hanadinoana na oviana na oviana izany teny fikasana mahafinaritra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal