Ny fanentanan'i Paoly ireo mambran'ny fiangonana tao Korinto mba hanao famoriam-bola ho an'ireo fiangonana mahantra tany Jodia no tontolon-kevitry ny 2 Kor. 8 sy 9. Hita fa efa nanolo-tena nanao izany izy ireo (2 Kor. 8:10, 11; 2 Kor. 9:5; jereo koa ny 1 Kor. 16:1-4), saingy ny olana teo amin'ny fifandraisan'izy ireo sy i Paoly no nanasarotra ny toe-javatra. Rehefa voavaha ireo olana ireo (2 Kor. 1-7), dia ny famitana izany asa izany izao no ifantohan'i Paoly (2 Kor. 8-9).
Tamin'ny voalohany, noresahin'i Paoly ny ohatra nasehon'ny Makedonianina (2 Kor. 8:1-7), izay na dia lalina aza ny fahantran'izy ireo, dia tsy nahasakana ny fitomboan'ny «haren'ny hitsim-pony [na fahafoizany]» izany (2 Kor. 8:2, naoty eny ambany). Eny, afaka miara-dalana ny fahantrana sy ny fahalalahan-tanana. Kanefa, izany fahalalahan-tanana mendri-piderana nananan'ny Makedoniana izany dia nalainy tahaka tamin'ny fahalalahan-tanan'i Jesosy, Izay nanolotra ny Tenany ho antsika (2 Kor. 8:8-15).
Vakio ny 2 Kor. 8:9. Inona no ambaran'io andininy io amintsika momba ny oha-plainan'l Jesôsy ?
Anisan'ny manaitra sy mahery vaika ary lalina indrindra amin'ny fanambarana rehetra ao amin'ny Baiboly ny ambaran'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 8:9. Tantarain'i Paoly ao ny asa nanirahana an'i Jesosy, saingy amin'ny teny fohy dia fohy nefa feno. Misy teolojia goavana eto. Ny tantaran'ny fanavotana voafintina ao anatin'ny andininy iray monja izany.
Ny tena manaitra aza dia ny nampiasany voambolana mikasika ny vola tao anatin'izany. Eny, nanankarena i Jesosy: efa niaina tany an-danitra Izy talohan'ny nahatongavany teto an-tany (Jao. 17:5). Nanapa-kevitra ny ho tonga mahantra Izy tamin'ny nahafoizany ny voninahitry ny lanitra sy ny nahatongavany teto amin'ity tontolo feno fahoriana ity. Tonga mahantra ara-bakiteny Izy (Lio. 9:58). Na dia nitovy tamin'Andriamanitra aza Izy, dia "nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona." - Fil. 2:7. "Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8.
Nafoin'i Jesôsy ny ainy mba hahafahantsika ho velona mandrakizay miaraka aminy. Nisy tanjona ny fanatitra nataony: ny famonjena antsika. Miara-dalana ny fitantanam-pananana sy ny iraka. Miresaka momba ny fanatitra manokana, izay vola, ny 2 Kor. 8-9, saingy miorina amin'i Jesôsy izany fitantarana izany. Ho hitantsika mandritra ity herinandro ity ireo foto-kevitra ara-telolojia mifandray amin'ny fanaovana fanatitra, izay mifototra amin'ny fanatitra nataon'i Jesôsy , dia ny nanaovany sorona ny Tenany.
Saintsaino ny fahaterahana, ny fiainana, ny fahafatesana, ary ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Rehefa takatrao fa ho anao no nanaovany izany rehetra izany mba hanananao fanantenana, dia zavatra tsara lavitra noho izao fiainana feno fahoriana eto izao, inona no tokony hasetrinao izany?