Ahitana fampitandremana marobe mikasika ny mpampianatra sandoka teo anivon'ny fiarahamonina kristianina ao amin'ny TV. I Jesôsy mihitsy aza no efa nampitandrina ireo mpianany ny amin'izany (Mat. 7:15-20). Nisintona ny saina ny amin'izany koa ireo apostoly (Gal. 1:6-9; 1 Tim. 6:3-5; 2 Pet. 2:1-3).
Vakio ny 2 Kor. 11:1-15. Ahoana no anehoan'i Paoly ny fihalkana atrehiny momba Ireo mpampianatra sandoka?
Mampiharihary ny asan'ireo mpampianatra sandoka i Paoly. Miaraka amin'izay no anehoany fa miorina amin'i Kristy ny fanompoany. Mampitaha ny fiangonana tao Korinto amin'ny ampakarina izy ka mandray ny tenany ho toy ny rain'izy ireo, ray izay manana andraikitra ny hanolotra azy ho an'i Kristy (2 Kor. 11:2). Izany no ataony dia noho ny fitiavany ny fiangonana (2 Kor. 11:11). Noho izany, dia nezahiny mihitsy aza izay tsy hahatonga azy ho vesatra ho an'ny fiangonana, na dia nanan-jo ny hahazo fanohanana ara-bola tamin'izy ireo aza izy (2 Kor. 11:7-12).
Etsy andanin'izany, ireo "Apostoly ambony indrindra ireo" (azo heverina fa manondro ireo mpampianatra sandoka izany) dia ampitahainy amin'ilay menarana izay namitaka an'i Eva (2 Kor. 11:3). Toa an'i Satana tao amin'ny sahan'i Edena, ireo mpampianatra sandoka tany Korinto dia sady mpamitaka no feno faharatsiana (2 Kor. 11:3, 4). Nampanahy an'i Paoly indrindra ny hitarihan'izy ireo ny Korintinina hania ka hiala amin'ny fanoloran-tena marina sy ny fanarahana an'i Kristy.
Nitory hafatra tsy tahaka izay notorian'i Paoly ireo mpampianatra sandoka - Jesosy hafa ary filazantsara hafa no notoriny (2 Kor. 11:4). Izany no mampiseho fa tsy fitaovana sy iraka ampiasain'Andriamanitra avokoa tsy akory izay rehetra mitory an'i Jesosy. Izao no nolazain'i Jesosy mikasika izany indrindra: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."- Mat. 7:21. Ambaran'i Paoly ao amin'ny Gal. 1:6-9 fa izay rehetra mitory filazantsara hafa dia mitondra ozona ho an'ny tenany, kanefa ny sasany tamin'ireo mpino tany Korinto dia nandefitra manoloana ny fahadisoana tahaka izany.
Nampiharihary ireo mpampianatra sandoka i Paoly raha nilaza fa izy ireny dia "mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy."- 2 Kōr. 11:13. Niseho ho toy ny apostolin'i Kristy ireny, tahaka an'i Satana "mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. Koa (...) ny mpanompony koa (...) mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana."- 2 Kor. 11:14, 15. Toe-javatra mahonena tokoa izany: mitonona ho mpanompon'i Kristy kanefa miasa toy ny mpanompon'i Satana. Mamarana io lohahevitra io i Paoly amin'ny filazana fa "ny farany ho araka ny asany ihany."- 2 Kor. 11:15.
Jereo ny fomba hentitra namaliany ny fahadisoana tao amin'ny fiangonana! Inona no tokony hambaran'izany amintsika?