Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.

Daty
Alatsinainy 15 June 2026

Efa nametra-panontaniana ve ianao hoe Iona no mahatonga an'i Jesôsy ho feno zoto mandrakariva ka miasa, manasitrana, mampahery, mitoriteny, ary mampianatra olona marobe isan'andro vaky? Voalaza fa "nony nahita ny vahoaka i Jesôsy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiahy." - Mat. 9:36. Ny fitiavany sy ny fangorahany ny olombelona no nahatonga Azy hiasa. Toy izany koa, ny fitiavan'i Kristy ao anatintsika dia tokony hanery antsika handray am-po ny fitaomana ny fanahy ho eo Aminy sy ny fahamarinany (2 Kôr. 5:14).

Efa nandinika endrika vahiny tao anatin'ny vahoaka maro ve ianao ka nitopy tany amin'ny mandrakizay ny fisainanao, nanontany tena raha mahafantatra an'i Jesôsy izy ireny? Efa tsapanao ve ny fitiavan'Andriamanitra ao anatinao ho an'ireny vahiny mila fanampiana ireny? Manery antsika handray am-po ny fitaomana ny fanahy ho eo Aminy ny fitiavan'Andriamanitra ao anatintsika. Hoy i Jeremia raha nilaza izany: "Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako, ary sasatry ny niaritra aho ka tsy mahazaka." - Jer. 20:9.

Kanefa rehefa mitory amin'ny hafa momba an'Andriamanitra isika, dia tsy azontsika atao velively ny miezaka manery ny olona hanaiky an'Andriamanitra na ny fahamarinany ao amin`ny Baiboly. Mifanohitra amin'ny toetran'Andriamanitra ny fanerena. Tsy nanery an'i Adama sy i Eva Andriamanitra hanalavitra ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Gen. 2:16,17). Tsy nanery ny olona hiditra tao an-tsambofiara Izy mba ho voavonjy amin'ny Safodrano (Gen. 7:1). Tsy nanery ny Isiraelita tsy hiala amin'ny fanekena nifanaovany Taminy Izy (Deo. 4:29-31). Nomeny kosa izay nilain'izy ireo (Mat. 4:23-25), ary avy eo, nanasa azy ireo Izy hanaraka Azy. Tsy mbola nanery na iza na iza hanaraka Azy na hanaiky ny fahamarinany i Jesôsy , kanefa tsy mety milavo lefona na kivy ny amintsika mihitsy Izy (Mat. 23:37).

Ny fomba fijoroantsika ho vavolombelona dia tokony ho tahaka ny an'i Jesôsy mandrakariva. Hoy i Ellen G. White: «Tsy anisan'ny asa nanirahana an'i Kristy ny manery olona handray Azy. Satana sy ny olona hetsehin'ny fanahiny, no milady hanery ny feon'ny fleritreretana. (...) Tsy mety hisy porofo mazava kokoa fa manana ny fanahin'i Satana isika mihoatra noho ny fironantsika handratra sy hanimba izay tsy mankasitraka ny asantsika, na manao asa mifanohitra amin'ny hevitsika.» - IFM, t. 524.

Aoka isika hanaiky ho fantsona hampiasain'Andriamanitra. Miaina ao anatin'ny tontolo izay mankahala ny fahamarinana isika, saingy tsy tokony hahasakana antsika tsy hitory ny fahamarinana amim-pahendrena sy fitiavana izany zava-misy izany. Tsarovy fa matetika ny fijoroanao ho vavolombelona no misy akony be indrindra, indrindra eo am-panombohana ny asa fitoriana (Apôk 12:11).

Vakio ny 2 Pet. 3:18. Amin'ny fomba ahoana no itomboanao amin'ny Fahasoavana sy ny fahalalana?Ahoana no fisehon'izany eo amin'ny fifandraisanao amin'ireo olona ma nodidina anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal