Rehefa mamaky ny 2 Kor. 13:14 isika, dia mety hieritreritra fa i Kristy ihany no loharanom-pahasoavana, Andriamanitra (ny Ray) ihany no loharanom-pitiavana, ary ny Fanahy Masina ihany no loharanon'ny firaisana; kanefa tsy izany velively no izy.
Vakio ny 1 Kor. 1:3, 4, 9; 1 Kor. 10:16; 2 Kor. 1:2, 12; Rom. 8:35; Rom. 15:30; Gal. 2:20; ary ny Efes. 3:19. Inona no lazain'ireo andininy ireo momba ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana mifandray amin'ireo persona ao amin'Andriamanitra Telo izay İray?
Ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia miara-miasa ho famonjena antsika. Ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana dia tsy avy amin'ny Iray ihany fa avy amin'lzy Telo Ireo. Kanefa samy manana ny anjara asany Izy tsirairay eo amin'ny n'ny tantaran'ny famonjena. Fantatr'i Paoly izany ary asongadiny ao amin'ireo epistiliny izany fampianarana izany. Ohatra, fintininy amin'ny teny fohy nefa feno ny drafi-pamonjena ao amin'ny Gal. 4:4-6, izay ahitana ny fandraisana anjaran'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra. Andriamanitra Ray no naniraka an'i Jesosy, izay manondro fa ny Ray no Loharanon'ilay drafitra (Gal. 4:4). Nateraky ny vehivavy ny Zanaka (Gal. 4:4), izay manondro ny fahatongavany ho nofo ary manasongadina ny fahatanterahan'ilay teny fikasana fahiny (Gen. 3:15). Nilaza lainga momba an'Andriamanitra i Satana tamin'ny voalohany (Gen. 3:5), ary Zanaka no nanavotra antsika sy namerina antsika ho amin'ny fifandraisana marina amin'ny Ray. Ary ny Fanahy Masina no manambara ny maha-zanak'Andriamanitra antsika (Gal. 4:6).
Misy filazana maro hafa momba an'Andriamanitra Telo Izay Iray ao amin'ireo epsitilin'i Paoly. Miara-miasa Izy Telo, amin'ny fanomezana hery ny fiangonana ho amin'ny iraka (1 Kor. 12:4-6), manome antsika tanjaka ara-panahy (Efes. 3:14-19), ary manamafy firaisana eo anivon'ny mambran'ny fiangonana, izay firaisana mitovy amin'ilay firaisana mampiavaka ny fifandraisan'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra (Efes. 4:4-6). Ho an'i Paoly, Andriamanitra dia tsy telo izay iray fotsiny, fa miara-miasa ho famonjena antsika koa Ireo Persona Telo ireo (Efes. 1:3,13,14). Milaza mihitsy i Paoly ao amin'ny Efesiana fa tsy maintsy hofenoina amin'ny fahafenoan'ny Ray isika (Efes. 3:19), sy ny Zanaka (Efes. 4:13), ary ny Fanahy Masina (Efes. 5:18).
Teo am-pamaranan'i Paoly ny resany tamin'ny Korintianina (2 Kor. 13:14), dia tsy misy fomba tsara mihoatra noho izao raha mbola famaranana epistily - teny fikasana fa homba antsika ankehitriny sy amin'ny hoavy ireo Persona Telo Avo Indrindra, Ireo Telo manjaka any an-danitra, ambonin'izao rehetra izao.
Ahoana no tokony hanehoan'ny firaisana eo anivon'ny mambran'ny fiangonana io fifandraisam-pitiavana ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray lo?