Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Mibanjina an’i Jesôsy

Daty
Alatsinainy 23 December 2024

Vakio ny Jao. 21:20-22. Inona ny fanontaniana nitarika an'i Petera ho amin'ny lalana tsy izy? Ahoana no nanitsian'i Jesôsy izany?

Vao avy namerina an'i Petera indray ho amin'ny asa fanompoana i Jesôsy ary nilaza taminy hoe: "Manaraha Ahy" (Jao. 21:19). Azo inoana fa fanarahana ara-bakiteny an'i Jesôsy hankeny amorom-pasika izany. Ny antony dia noho i Petera nitodika ka nahita an'i Jaona nanaraka an'i Jesôsy koa, ary nanontany momba an'i Jaona izy hoe: "Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?" - Jao. 21:21.

Raha namerina an'i Petera ho amin'ny fanompoana indray i Jesõsy dia nilaza mialoha ny fomba hahafatesan'i Petera (Jao. 21:18). Toy ny naneho fahalianana ny amin'ny fomba hahafatesan'i Jaona koa i Petera ka nahitsin'i Jesôsy ny fisainany mba hifantoka amin'ny toe-java-tsarotra hatrehiny eo am-panarahana Azy fa tsy hanahy ny amin'izay hitranga amin'ny mpianatra hafa.

Vakio ny Jao. 21:23-25. Diso ny fomba nahatakaran'ny mpianatra ny teny voalazan'i Jesôsy; tamin'ny fomba ahoana? Ahoana no nanitsian'ny apôstôly Jaona izany tsy fahazoan-dresaka izany?

Tsy azon'ny olona araka ny tokony ho izy ny tenin'i Jesôsy nanao hoe: "Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy hianao." - Jao. 21:22. Noheverin'izy ireo fa izao no hevitr'izany: hiverina mialoha ny hahafatesan'i Jaona i Jesôsy. Rehefa nandeha ny fotoana ary nihalehibe i Jaona, dia ho fotoan-tsarotra ho an'ny olona tokoa ny fahafatesany kanefa tsy niverina i Jesõsy (mazava loatra fa maty tokoa i Jaona). Nahitsin'i Jaona izany fiheveran-diso izany ka nambarany fa ny fanirian'i Jesôsy no nambarany teto fa tsy faminaniana ny amin'izay hitranga.

Tari-dalana manan-danja ho an'ireo andro ambiny ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity ny fifantohana amin'i Jesôsy fa tsy amin'ny hafa. I Jesôsy irery ihany no Mpamonjy antsika. Handiso fanantenana anao ny olona, tsy azo ihodivirana izany, mety handratra anao koa aza izy ireo.

Mandray indray ny lohahevitra momba ny fahatakarana ny Tenin'Andriamanitra ny fahamarinana dinihina ao amin'ny Talata hatramin'ny Alakamisy, ary ao anatin'izany no hikendrena ny hahalalana an'i Jesôsy sy ny hanarahana Azy. Izy irery no tokony ho Tompontsika sy Mpitari-dalana antsika, na dia eo aza ny fanampiana mety homen'ny hafa antsika sy ny torohevitra ary ny fitarihan-dalan'izy ireo.

Impiry ny olona, izay nandrandrainao, no nandiso fanantenana anao? Inona ny lesona nianaranao avy tamin'izany fanandramana izany (na dia lesona naharary aza izany)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal