Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".

Daty
Alakamisy 25 June 2026

Averina amintsika indray ny fanasana anio, hoe: "Avia."

Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto ary mariho ny fanasan'i Jesôsy anao mba hanatona Azy: Mat. 11:28-30; Isa. 55:1-3; Jao. 6:44. 

Irin'ny Fanahy Masina ny hampanakaiky anao amin'i Jesôsy anio. Manasa anao i Jesôsy hanatona Azy, hitoetra ao Aminy anio sy isan'andro, mandra-piveriny. Rehefa mamaly ianao ka manatona Azy, rehefa malefaka ny fonao ary milefitra ny sainao, dia hahatsapa fiadanana ianao satria fantatrao fa na dia ho faty aza ianao dia hatsangany amin'ny andro farany, na toy ny ahoana na ahoana tahatsapanao ho tsy mendrika. Hoy i Jesôsy: "izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy" - Jao. 6:37.

Tokony ho tsapantsika ny mahamaika ny fiaraha-miasa amin'ny Fanahy Masina mba hanasana ny hafa hanorina fifandraisana mahavonjy amin'i Jesôsy . "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina." - Apôk. 22:17.

Maimaimpoana ny fanasana; atolotra ho fanomezana avy amin'ny fahasoavana izany. Rehefa mandray Azy ao amin'ny fiainantsika isika ary tia Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny saintsika ary ny fanahintsika sy ny herintsika rehetra (Deo. 6:5), dia hiova mandrakizay ny fiainantsika eto sy amin'ny hoavy.

Na dia manasa antsika hanatona Azy aza i Jesôsy , dia izao ny fampanantenana ataon'ny teny farany ao amin'ny Baiboly: "Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesôsy Tompo!" - Apôk. 22:20.

Manao ahoana ny hafainganan'izany? Raha ny fijerintsika, vantany vao mikimpy ny masontsika rehefa maty isika, dia ny fiverenan'i Kristy no toe-javatra manaraka ho hitantsika. Rehefa dinihina ny fotoana fohy haharetan'ny fiainantsika, dia toy izany no mahafaingana ny fiverenan'i Jesôsy ho antsika. Izao angamba no eritreritra voalohany tonga ao an-tsaintsika amin'ny fitsanganana amin'ny maty: "Tena haingana tokoa ilay fiverenanao ry Tompo!"

Ankehitriny dia manjavozavo toy ny ao amin'ny fitaratra no hitantsika. Aminizay kosa dia hifanatrika Aminy isika. Aza ketraka amin'ny fiandrasana. Hazony ho velona mandrakariva ny faniriana izany, amin'ny finoana sy ny fitokiana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahatsarany. Avia, Jesôsy Tompo o!

Mivavaha mba hanananao finoana maharitra, finoana izay hahafahanao manolotra tanteraka ny tenanao ho an'llay maty ho anao ary ho avy faingana ho anao koa. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal