Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.

Daty
Alarobia 24 June 2026

Efa nisy nanontany ve ianao ny amin'izay zavatra irinao hatao indrindra any amin'ny mandrakizay? Raha manontany ankizy iray ianao, dia mety hilaza izy hoe: "mitaingina tigra", "migorisa avy eo amin'ny vozon'ny zirafy", na "manidina ho any amin'ny planeta hafa." Raha tanora no anontanianao dia mety hilaza izy hoe: "ny tsy hanao entimody intsony" na "hizaha ny lanitra miaraka amin'ny namana tsy misy maratra." Ary raha olon-dehibe vitsivitsy kosa no anontanianao dia mety hilaza izy ireo hoe: "ny hitoetra ao amin'ny toerana iray tsy misy fanaintainana sy fijaliana, na fahafatesana intsony" na koa ny "ho tafahaona indray amin'ireo hava-malala." Marina sy tsara avokoa ireo valiny ireo, ary be dia be ny zavatra azo andrandraina any amin'ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Mirehitra ao am-pontsika ny mandrakizay, ary fantatsika ao anatintsika lalina fa mihoatra lavitra noho izay eto sy ny ankehitriny ny fiainana.

Inona koa ireo fitahiana andrandraintsika ho azo any amin'ny mandrakizay? Vakio ny Isa. 25:8; Apôk. 7:17; Apôk . 21:4.

Tsy isalasalana fa ny hahita an'i Jesôsy sy ny hisaotra Azy mivantana noho izay efa nataony ho antsika teto amin'ity tany lavo ity no fitahiana lehibe indrindra any an-danitra. Haniry ny hidera Azy sy hiankohoka Aminy isika noho ny namonjeny antsika tsy ho tratry ny fahafatesana mandrakizay ka niari-pahoriana teo amin'ny hazo fijaliana Izy. "Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra." Apôk. 5:12.

Raha nanondro an'i Jesôsy i Jaona Mpanao batisa, dia "Zanak'ondrin' Andriamanitra" no niantsoany Azy (Jao. 1:36). Nandre izany fanambarana izany ny roa tamin'ireo mpianatr'i Jaona ka nanaraka an'i Jesôsy (Jao. 1:37). Milaza ny Apôk. 14:4 fa tokony hanao toy izany koa isika. "ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany." -Ok. 14:4. Kanefa, raha tiantsika ny hanaraka Azy any an-danitra, dia tsy maintsy manara-dia Azy ety an-tany aloha isika.

I Jesôsy, ilay Zanak'ondry, dia Mpiandry antsika koa, ary Izy no mitarika ny Ialantsika amin'ny fomba tsy azon'iza na iza atao. Toky lehibe ho antsika izany raha eo am-piatrehana ireo zava-tsarotra isika, satria tsy hitsahatra ny hitarika antsika Jesôsy , na dia any an-danitra aza. Hoy ny Apôk. 7:17: "Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina." Amin'ny maha olony sy ondriny antsika, dia hanaraka an'i Jesosy any an-danitra isika, ary haniry ho eo amin'ny fanatrehany mandrakizay. Toetra iray mampiavaka ny vahoakan'Andriamanitra ny hoe: "ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - Apôk, 22:4. Izany hoe, hisaintsaina ny momba Azy mandrakariva isika.

Henoy na hirao ny hira faha-457 ao amin'ny fihirana advantista ary ataovy vavaka manokana ho anao ny tonony anio. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal