Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 05 April 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 40:7,8; Gen. 22:1-13; Jao. 3:16; Apôk. 5:5-10; 1 Kôr. 15:15-19; Apôk. 12:1-9.

Tsianjery: "Nony ampitso dia nahita an'i Jesôsy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29.

Anisan'ny olana lehibe amin'ny fanazavana môderina ny faminaniana ara-Baiboly, toy ny ao amin'ny Apôkalipsy, ny tsy fahafantarana ny fototra niaingan'ny Apôkalipsy. Ho an'ny mpanoratra, ny mpamaky dia efa mahafantatra ny Testamenta Taloha ary hevitra izay tsy vaovao amin'ny mpamaky no ampiasainy. Na ilaina aza ny mikaroka manerana ny Baiboly mba hahitana lahatsoratra mitovy amin'izay dinihinao ao amin'ny Apôkalipsy, dia misy ny lahatsoratra fototra izay manampy kokoa amin'ny fahatakarana ny boky mihoatra noho ny lahatsoratra hafa. Ny Genesisy indrindra izany, izay manoritsoritra ny fomba nahalatsaka izao tontolo izao tao anatin'ny fahotana sy ny faharavana. Saika hita ao amin'ny toko voalohany amin'ny Baiboly avokoa ireo hevi-dehibe rehetra voalaza ao amin'ny Apôkalipsy, amin'ny endriny maro.

Handinika hevi-dehibe vitsivitsy ao amin'ny votoatin'ny Apôkalipsy isika amin'ity herinandro ity. Maro izy ireo, fa hisafidy vitsivitsy isika mba hanazavana ny tena zava-dehibe, ahafahan'ny mpianatra mahita tsipiriany maro ao amin'ny lahatsoratra ny fahatakarana ny fototra niaingan'ny Apôkalipsy, izay samy afaka mitondra lesona manan-danja momba ny toetry ny olombelona, ny toetran'Andriamanitra, ary ny ady izay miseho eo amin'izao tontolo rehetra izao, ary noho izany, eo amin'ny fiainantsika koa.

*Famerenana ny lesona ny sabata 12 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal