Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.

Daty
Talata 21 July 2026

Tohizan'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 6:1-11 ny firesahany momba ny tokony hataon'ny Kristianina manoloana ny olana mahakasika ireo olona ao anatin'ny fiangonana.

Vakio ny 1 Kor. 5:3, 12, 13 sy ny 1 Kor. 6:1-13. Inona ny lesona ezahin'i Paoly hampitaina amin'Ireo Korintianina sy amintsika?

Ny teny grika hoe pragma ao amin'ny 1 Kor. 6:1, izay nadika hoe "ady" ao amin'ny Baiboly dikanteny protestanta, dia voambolana midika ankapobeny hoe "zavatra". Eto dia manondro raharaha ara-pitsarana izany. Zava-dehibe ny fahatsiarovana fa tsy miresaka momba ny heloka bevava tsy akory ny 1 Kor. 6:1-11. Hita ao amin'ny Rom. 13:1-5 ny fankatoavan'i Paoly ny fahefan'ny fitsarana mahakasika ny heloka bevava. Rehefa avy niresaka momba ny toe-javatra iray mifandraika amin'ny fahalotoam-pitondrantena i Paoly, dia miresaka indray momba ny fifampitorian'ny mpino eny amin'ny fitsarana. Nanao izany koa i Mosesy ao amin'ny Deo. 22:22-24. Izany dia maneho fa miorina amin'ny Soratra Masina ny fomba namahan'i Paoly ireo olan'ny fiangonana.

Ny fahitana ireo toko sy andininy miresaka momba ny fahalotoam-pitondrantena ao aloha sy ao aorian'ny 1 Kor. 6:1-11 (1 Kôr 5 sy 1 Kor. 6:12-20) dia toy ny milaza fa mahakasika ny fahalotoam-pitondrantena koa ny "ady" ao amin'ny 1 Kor. 6:1. Tsy azontsika antoka raha izany tokoa no izy, mety ho olana ara-piarahamonina madinidinika toy ny ady fananana izany na koa olana mahakasika ny firaisana ara-nofo.

Na inona na inona nadika hoe pragma eto, dia tsy nahafaly an'i Paoly ny nahita mambran'ny fiangonana nifampitory teny amin'ny fitsarana. Moa ve tsy azon'izy ireo natao, amin'ny maha-mpiray tampo ao amin'i Kristy azy, ny namaha izany teo amin'izy samy izy ka tsy nitondra ny olana teo anatrehan'ny "olona tsy marina"- 1 Kor. 6:17

Azo heverina ihany koa fa mitombina ny eritreritry ny olona sasany izay milaza fa ilay zanaka lahy voaresaka ao amin'ny 1 Kor. 5:1 sy ny rainy no mifampitory eny amin'ny fitsarana ao amin'ny 1 Kor. 6:1. Na ahoana na ahoana, dia tsy ilaina akory ny hahatakatra ilay olana mba hahatakarana ny hevitra tiana hambara. Nahasarotiny an'i Paoly ny maha-izy azy ny fiangonana amin'ny maha-fiarahamonina kristianina azy, araka izay hitan'ny olona ety ivelany. Tsy tokony hasehon'ny Kristianina ampahibemaso ny olana ao anatin'ny fiangonana (1 Kor. 6:6). Tsy tokony hampiasa fomba araka izao tontolo izao izy ireo hoenti-mitsara ny raharaha ao anatiny. Teo amin'ny tontolo romanina, matetika ny olona manan-karena na nanana toerana ambony ara-politika dia nahazo tombony kokoa teo amin'ny fitsarana. Mifanohitra amin'izany, ny Kristianina dia tokony hanao fitsarana mitovy amin'izay nataon'i Kristy ka tsy hanahaka ny fomba fanaon'izao tontolo izao.

Saintsaino ny momba ireo fahotana tanisain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 5:10, 11 sy ny 1 Kor. 6:9, 10. Nahoana ny fijangajangana no tanisainy miaraka amin'ny fanompoan-tsampy sy ny halatra ary ny fieremana sy ny fanaovana an-keriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal