Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.

Daty
Alahady 25 January 2026

Rehefa avy nampiseho an'i Jesôsy ho ohatra tonga lafatra amin'ny fanetren-tena sy ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra i Paoly, dia mitodika amin'ny Filipianina indray izao. Hamafisiny ny tokony hankatoavan'izy ireo ny Tompo rehefa avy nandray ny filazantsara izy ireo (jereo ny Asa 16:13-15,32,33), ary ampirisihiny ny hankatoavan'izy ireo toy izany hatrany.

Rehefa avy naneho ny oha-piainan'i Kristy sy ny hazo fijaliana ho toy ny lalam-pamonjena izy, dia mifantoka mivantana kokoa amin'ny fisehon'izany rehetra izany eo amin'ny fiainana.

Vakio ny Fil. 2:12,13. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe "miasa (...) hahatanteraka ny famonjena anareo"? Ahoana no hanazavanao ny fifandraisan'ny finoana sy ny asa?

Ao amin'ireo andininy roa ireo dia tsy maneho filazantsara hafa ankoatra izay efa nosoritany tao amin'ny Rômana sy tao amin'ireo epistiliny hafa i Paoly. Azo antoka fa mifanaraka amin'ny filazantsaran'ny fanamarinana amin'ny finoana, izay notoriny tany Filipy sy tany amin'ny toerana hafa, ny hafany eto. Nefa zava-dehibe koa ny mandinika izay rehetra Iazain'ny Baiboly momba ny lohahevitra iray, indrindra momba ny famonjena, izay mety hahadiso hevitra ny ankamaroany tokoa.

 Vakio ny Rôm. 3:23,24; Rôm . 5:8; ary ny Efes. 2:8-10. Inona no ampianarin'ireo andinin-teny ireo momba ny famonjena?

Tsy isalasalana fa asan'Andriamanitra ny famonjena, ary tsy misy fahamendrehana avy amintsika na Inona na Inona mety hahazoantsika izany. Ny finoana aza dia fanomezana, izay mitombo amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Tsy mahavonjy antsika ny asan'ny tenantsika manokana; na izany aza, amin'ny alalan'ny fahateraham-baovao, dia mamorona antsika indray Andriamanitra ho olom-baovao ara-panahy, ka manome hery antsika hanao asa tsara. Miasa ao anatintsika ny Fanahin'Andriamanitra, manome hery ny sitrapontsika mba hisafidy ny marina, hanohitra ny fakam-panahy, ary hanao safidy tsara.

Araka izany, miasa hahatanteraka ny asan'Andriamanitra ao anatintsika isika, «amin'ny tahotra sy ny hovitra» — Fil. 2:12. Midika ve izany fa tokony hihorohoro noho ny tahotra ny fitsaran'Andriamanitra isika satria matetika no marefo ny ezaka ataontsika amin'ny fankatoavana Azy? Tsia, tsy izany velively. lo andian-teny io dia manondro ny fahatsapana ny fanatrehan'Andriamanitra (jereo ny Sal. 2:11) sy ny ilantsika mankato Azy.

Tamin'ny fomba ahoana no efa nahatsapanao fa miasa ao anatinao i Kristy? Ahoana anefa no anoheranao, amin'ny maha voary lavo anao, ny asan'Andriamanitra ao anatinao, ary ahoana no ahafahanao miady amin'izany fironana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal