Efa nisy fotoana ve nijerenao ny zavatra nataon'ny olona taloha ka nieritreretanao hoe: Tsy ho nataoko mihitsy ny zavatra tahaka izany!Raha mitsotra ny marina isika, dia mety tsy hataontsika tokoa ny mitovy tanteraka amin'izay nataon'ny hafa, saingy matetika no anaovantsika fahadisoana mitovitovy amin'izany, ary angamba aza minia manakimpy maso amin'ny fahamarinana momba izay tena ataontsika isika. Izany indrindra no tondroin'i Jesôsy amin'izao teny izao: "Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao." - Mat. 7:5.
Vakio ny Mat. 23:30-35. Inona no hevitra manan-danja nefa maharary ambaran'i Jesosy eto? Inona no fampitandremana tokony horaisintsika avy amin'ireo teniny ireo?
Toa hita taratra ao amin'ireo andininy ireo fa nankahala ny fitondrantenan'ny Fariseo i Jesosy, satria vao mainka nampiharihary kokoa ny fihatsarambelatsihin'izy ireo ny firiziriziany tsy hiova. Efa nahatofoka an'i Jesôsy ny fivavahan'ny Fariseo sy ireo mpitondra fivavahana nanao akanjo nirebareba, izay sahala amin'ny fasana voalalotra fotsy nefa ao anatiny feno taolan'ny maty (Mat. 23:27,28). Tsy mba hiaiky ny fahotany izy ireo ary tsy hahafoy ny helony, eny fa na dia ampahafantarina azy aza izany, ary imbetsaka tokoa i Jesôsy no nanome azy ireo ny tombontsoa fanararaotra mba hibebahany ka ho voavonjy izy.
Tsy nahagaga raha nantsoin'i Jesosy hoe "mpihatsaravelatsihy" ireo olona ireo! Izao matetika no teny filazan'i Jesosy momba azy ireo: "Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!"- Mat. 23:14, 15, 23, 25, 27.
Ny fiainan'izy ireo dia nahitana fifanoheran'izay nolazainy sy izay nataony. Toy izany koa ny fomba nandraisan'izy ireo ny mpaminany. Noheveriny, ohatra, fa manaja ny finoana izy ireo raha mandravaka ny fasan'ireo mpaminany; nefa tsy nanao izay zavatra manan-danja indrindra izy, toy ny fibebahana noho ny tenin'ireo mpaminany. Tiany ny ampifandraisina amin'ny fahefana sy ny fahorian'ny mpaminany, fa tsy amin'ny hafatra nentin'izy ireny. Nodioviny ny fasan'ireny mpanompon'Andriamanitra ireny; tamin'izany no nanehoany fa tsy ho nandatsaka ny ran'ny irak'Andriamanitra mihitsy izy. Kanefa tamin'izany fotoana izany indrindra izy ireo no nikotrika ny hamonoana an'Ilay mihoatra lavitra noho ny mpaminany, dia ny Mesia izany.
Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manao zavatra mitovy amin'izany isika: miseho ho mpivavaka ety ivelany, nefa ao am-po feno fikomiana sy fitiavan-tena ary fankahalana?