Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 08 November 2024

Vakio ny ny fankatoavana IFM, toko 41: "Ny zava-tsarotra tany - Galilia", sy ny toko 68: "Tao amin'ny kianja ivelany".

"Hankany amin'iza moa izahay?' Andevon'ny fombafomba ivelany ny mpampianatr'Isiraely. Nifanditra mandrakariva ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ny mandao an'i Jesôsy dia mahatonga azy ho latsaka ao anivon'ireo fatra-panaraka ny fombafombam-pivavahana, sy eo amin'ny olona be hambom-po tsy nitady afa-tsy ny voninahitry ny tenany. Nahita fiadanana sy fifaliana betsaka ny mpianatra hatramin'izay nanekeny an'i Kristy ho ambony indrindra tao amin'ny fiainany tany aloha rehetra. Ahoana no ahazoanay miverina any amin'ireo izay nanamavo sy nanenjika Ilay Sakaizan'ny mpanota? Efa nibanjina ela ny fiavian'ny Mesia izy; tonga Izy izao, ka tsy azony atao ny hihodina tsy ho eo anatrehany ka ho any amin'izay mihaza ny ain'ny Mesia, sy nanenjika azy ireo noho izy ireo tonga mpanaraka Azy. "Hankany amin'iza moa izahay?' Tsy ny hiala amin'ny fampianaran'i Kristy avy amin'ny lesona nataony feno fitiavana sy famindrampo, ka ho eo amin'ny haizin'ny tsy finoana, ny haratsiam-panahin'izao tontolo izao. Raha nandao ny Mpamonjy ny olona maro izay nanatri-maso ny asa mahagaga nataony, dia nampiseho ny finoan'ny mpianatra kosa i Petera nanao hoe: — 'Ianao no Kristy'. Ny fiheverana fotsiny fa tsy ho azony ifikirana intsony io vatofantsiky ny fanahiny io dia mameno tahotra sy fahoriana azy. Ny tsy manana Mpamonjy no ho voatarika hivily ho any amin'ny ranomasina maizina sy misamboaravoara."- IFM, t. 314 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ao amin'ny kilasy, resaho ny amin'ilay fanontaniana sarotra hoe: nahoana ny olona sasany, rehefa omena porofon'ny maha-Mesia an'i Jesôsy sy ny mahamarina ny fivavahana kristianina, no manaiky izany amim-pifaliana, fa ny hafa kosa manda izany?

2. Inona ny fahamarinana manan-danja lehibe kokoa noho ny hoe: maty noho ny fahotantsika i Jesôsy Kristy? Ahoana anefa no nahafantarantsika izany fahamarinan-dehibe izany? Ny siansa ve, sa ny lalàn'ny zavaboary, sa ny fiheverantsika fa izany no tokony ho izy, sa ny fahaizantsika mandanjalanja? Na mety hahatonga antsika hino an'Andriamanitra Mpahary tokoa aza ireo rehetra ireo, dia Ilay Andriamanitra niandohan'ny zavatra rehetra, Ilay tsy nisy nahary Azy, sns dia tsy misy amin'ireo voatanisa ireo, na alaina tsirairay na atambatra, mahay mampianatra antsika ny fahamarinana ilaintsika ho fantatra, dia i Kristy maty noho ny fahotantsika. Inona ny lesona tokony horaisintsika avy amin'izany momba ny mahazava-dehibe indrindra ny fanaovantsika ny Baiboly ho fahefana farany sy faratampony mikasika ny finoana?

3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoan'ny olona iray ny mitantara ireo zavatra nataon’ Andriamanitra teo amin'ny fiainany manokana? . 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal