Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena

Daty
Alarobia 19 November 2025

ILAY MAHERY FO MANETRY TENA

Manomboka sy mamarana ireo lisitra lava misy anaran-toerana izay nanamarika ny sisin-tanin ireo fokon'ny Isiraely, ny tatitra momba ny fizaran-tany ho an'ireo mahery fo anankiroa, dia i Kaleba sy i Josoa, izay nisafo voalohany ny tany. I Kaleba no nahazo ny lovany voalohany, ary i Josoa kosa no nahazo farany. Hatreo amin'io fotoana io dia i Josoa no nizara tany ho an'ireo fokon'ny Isiraely; anjaran'ny vahoaka Isiraely kosa avy eo ny nanome lova ho an'i Josoa.

Vakio ny Jos. 19:49-51. Midika inona ny hoe ilay mpitarika lehiben'ny Isiraely, izay nizara ny tany, no nahazo ny anjara lovany farany?

Ny tanàna azon'i Josoa dia Timnata-sera, anarana izay ahitana teny roa. Ny voalohany, Timnata, dia avy amin'ny matoanteny (manah) izay midika hoe manisa na mizara, ary midika hoe anjara na faritany. Ny teny faharoa dia azo avy amin'ny matoanteny hebreo (serach), izay midika hoe mihoatra na sisa (ampitahao amin'ny Eks. 26:12). Ny anaran'ny tananan'i Josoa día azo adika hoe: ny anjara sisa tavela na ny faritany mihoatra.

Nanambara ny toetra mendrika nananan'i Josoa, ilay mpitarika faharoan'ny Isiraely ny anaran'ny tanána izay nofidiny tamin'izay sisa tavela. Voalohany, nandrasany hahazo ny anjarany avokoa ny vahoaka rehetra. Manaraka izany. tsy nifidy ny iray tamin'ireo faritany be mponina indrindra na lehibe indrindra i Josoa ho lovany, fa tanana tsotra, na angamba ny sisan-javatra tamin'izany. mba hanorenany ny azy indray amin'ny alalan'ny asa mafy (ampitahao amin'ny Jos. 19:50).

Ankoatra izany, niorina akaikin'i Silo i Timnata-sera, teo amin'ny manodidina ny fitoerana masina, ary manambara ny laharam-pahamehan'i Josoa sy izay niraiketan'ny fony izany. Azo antoka fa tsy ho nanda ny fangatahan'i Josoa lova lehibe kokoa ny firenen'ny Isiraely vao niorina, izay efa notarihiny hatrao amin'ny Tany Nampanantenaina, ary, niaraka tamin'ny fanampian Andriamanitra, nomeny lova araka ny foko sy ny fianakaviana tsirairay. Na izany aza dia naleon'i Josoa nianina tamin'ny fiainana tsotra, nifantoka tamin'izay tena zava-dehibe indrindra. ka nanome lanja ilay vavaka nataon'i Davida taty aoriana hoe: "Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehôvah , izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny." - Sal. 27:4.

Inona no lesona azonao tsoahina momba ny toe-tsain'i Josoa? Ahoana no mety hampiharanao izany amin'ny tenanao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal