Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.

Daty
Alatsinainy 17 November 2025

OMEO AHY IRY TENDROMBOHITRA IRY

Vakio ny Jos. 14:6-14, Nom. 14:24, Nom. 32:12, Deo. 1:36, ary ny Lio. 6:45. Ahoana no anoritsoritanao ny toe-tsain'i Kaleba sy i Josoa? Inona no hevitry ny hoe "tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehôvah Andriamanitro"?

Tsy nanadino velively ny teny fikasana nomen'i Jehovah azy tamin'ny alalan'i Mosesy i Kaleba, hiditra amin'ny tany izay nodiavin'ny tongony izy (Nom. 14:24). Efa-polo taona taorian'izany, dia nilaza ny amin'ilay tatitra nataon'ny tenany momba ny Tany Nampanantenaina izy nanao hoe: "Nitondra teny taminy araka izay tao am-poko"-Jos. 14:7. Niorina tamin'ny faharesen-dahatra tao anatiny ny tatitra nataony fa, miaraka amin'ny fitarihan'Andriamanitra sy ny fanampiany, dia afaka hahazo ilay tany ny Isiraely.

Mifanohitra amin'ny tatitr'ireo mpisafo tany folo hafa izay nampihorohoro ny Isiraelita, i Kaleba kosa dia naneho fitokiana sy fanoloran-tena tanteraka ny amin'ny teny fikasan'ny Tompo. Ny fiteny hebreo, izay nadika hoe. "tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehôvah Andriamanitro"- Jos. 14:8, dia midika ara-bakiteny hoe "nanaraka an'i Jehôvah manontolo aho", ary mety ho endrika fohy kokoa amin'ilay fiteny lava kokoa manao hoe: "Nanaraka an'i Jehôvah tamin'ny foko manontolo aho" na hoe "Nofenoiko ny foko mba hanaraka avy ao aorian'i Jehôvah ." Natokan'i Kaleba manontolo ho an'i Jehôvah ny fony, tsy tahaka ny an'ireo nanaraka andriamani-kafa ka tsy nanaraka tanteraka an'i Jehôvah.

Naverina indroa izany fitenenana izany, izay manamafy ny fahatokian'i Kaleba (Jos. 14:9,14). Mifanaraka amin'ny nilazan'ny Tompo azy hoe "fanahy hafa no tao aminy" (Nom. 14:24) no nanoritsoritan'i Kaleba ny tenany, izay nampiavaka azy tamin'ireo mpisafo tany folo hafa. Na dia teo amin'ny faha-85 taonany aza dia nitoetra ho ohatra izy, ny amin'ny zavatra azon'ny Tompo tanterahina amin'ny alalan'ny olona izay manolo-tena amin'ny fony manontolo ho Azy sy ny asany.

Takatr'i Kaleba fa amin'ny farany, ny faritra izay ho azon'ny foko tsirairay eo amin'ilay Tany dia hifandanja tsara amin'ny haben'ny fahasahian'izy ireo nitaky ny teny fikasan'ny Tompo sy ny velaran'ny tany hodiaviny amim-pahavononana sy amim-pinoana. Ny teny fikasan'Andriamanitra dia tsy tanteraka ho azy. amin'ny heviny hoe: tanteraka mandrakariva tsy miankina amin'ny sitrapontsika. Mitaky finoana arahina asa feno fahatapahan-kevitra kosa izany. Ny teny hebreo hoe 'ulay’, nadika hoe "angamba" (Jos. 14:12), dia azo anambarana tahotra na fisalasalana, saingy matetika no manondro fanantenana sy fiandrandrana zavatra tsara hitranga izany (Gen. 16:2; Nom. 22:6, 11; Nom. 23:3).

Inona avy ireo marimaritra iraisana, na "kely" aza, izay mety hanakana antsika tsy hanaraka ny Tompo amin'ny fontsika manontolo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal