Tokony hifantoka amin'ny tanjona roa lehibe ny fandinihantsika ny Baiboly: ny fitomboantsika ara-panahy sy ny fitarihana ny hafa ho amin'ny fifandraisana mahavonjy amin'i Jesosy. Nofaritan'i Kristy fa ny Kristianina marina dia izay tarihin'ny Fanahy Masina "ho amin'ny marina rehetra" - Jao. 16:13, mivelona amin'ny "teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" - Mat. 4:4, ary mampianatra ny hafa hitandrina "izay rehetra nandidiako anareo". - Mat. 28:20.
Vakio ny Lio. 4:16-30 sy ny Lio. 24:25-27, 44-49. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny fomba nanazavan'i Kristy ny Soratra Masina eto?
I Jesôsy Kristy no "làlana sy fahamarinana ary fiainana" – Jao. 14:6, tamin'izany andro izany sy ankehitriny ary ho mandrakizay. Ny toriteniny anefa dia niorina mafy tamin'ny Soratra Masina. Ohatra, voalaza ao amin'ny Mar. 1:14,15 hoe: "Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesôsy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara."* Ilay hoe *"fotoana"* eto dia manondro mazava ny faminaniana ao amin'ny Dan. 9:24-27. Ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra (Mat. 5–7), dia nanonona ny Eks. 20:13 sy 14 i Jesosy (Mat. 5:21,27). Ao amin'ny Lio. 4 kosa, dia nanonona ny Isa. 61:1,2 Izy. Mpitoriteny nifototra tanteraka tamin'ny Baiboly i Jesôsy .
Misy ohatra hafa koa ao amin'ny Asa 8. Milaza io toko io fa "tonga tany Jerosalema (...) mba hivavaka" ilay tandapa Etiopianina – Asa. 8:27, izay manambara fa nahafantatra ny fivavahana jiosy sy ny fomba amam-panaony sasany izy. Nananany koa aza ny dika mitovin'ny bokin'i Isaia, izay novakiny tamim-pahazotoana nandritra ny diany nody. Kanefa tsy takany ny hevitry ny faminaniana momba Ilay Mpanompo nivesatra ny fahotan'ny olona, ka nitady olona hanazava izany aminy izy.
Mampianatra antsika lesona manan-danja vitsivitsy izany fanandramana izany: voalohany, tsy voatery hahatonga fahatakarana tsara ny hevitry ny andininy ao amin'ny Soratra Masina ny famakiana izany fotsiny. Faharoa, rehefa mandinika ny Baiboly isika dia afaka, ary tokony, hifampianatra. Fahatelo, manana adidy manokana isika hizara amin'ny hafa ny hafatra marina avy ao amin'ny Baiboly.
Ny famelabelaran'i Filipo ny bokin'i Isaia sy ireo andalan-teny hafa ao amin'ny TT dia nitarika ilay tandapa ho amin'ny batisa (Asa. 8:35-39; ampitahao amin'ny Sal. 51:13). Tokony hanan-tanjona mitovy amin'izany koa ny famelabelarana ara-Soratra Masina ataontsika (jereo ny Jao. 17:17).
Na mila fanampiana aza isika indraindray mba hahatakatra ny hevitry ny andalan-teny sasany, nahoana no tsy maintsy resy lahatra ao an-tsaintsika isika momba izay inoantsika?