Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.

Daty
Talata 17 November 2026

Misy tantara fohy malaza notantarain'ny mpitoriteny iray momba ny lehilahy izay niatrika olana goavana teo amin'ny fiainany ka te hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra ho azy. Nosokafany ny Baiboliny ary anjoanjo fotsiny no nametrahany ny rantsan-tanany teo amin'ny Mat. 27:5, izay manao hoe: "Dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tady mody ka nananton-tena". Gaga tamin'izany andininy izany izy ka nanokatra ny Baiboliny toy izany indray mba hitady hafatra mampahery kokoa. Saingy teo amin'ny Lio. 10:37 ny rantsan-tanany no nijanona: "Dia hoy Jesôsy taminy: Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa." Samy andininy marina ao amin'ny Soratra Masina avokoa ireo, saingy mila takarina ao anatin'ny tontolon-kevitra misy azy. 

Eny tokoa, fanaon'ny maro ny manatsoaka andininy iray tsy ho ao anatin'ny tontolon-kevitra ara-literatiora misy azy, ary toy izany no anolanany ny hafatry ny Baiboly. Izany fomba izany dia manokatra ny lalana ho amin'ny fandikana vilana isan-karazany.

Vakio ny Gen. 3:1-5 sy ny Mat. 4:1-11. Ahoana no nanolanan'i Satana ny tenin'Andriamanitra tamin'ny tsy nampiasany azy tao anatin'ny tontolon-kevitra nisy azy?

Misy olona, na mahitsy fo aza, manolana ny hafatry ny Baiboly noho ny tsy fahalalany. Ny hafa kosa manao izany amin'ny nahim-pony, tahaka an'i Satana tamin'ireo tranga roa voalaza etsy ambony. Na ahoana na ahoana anefa, ny vokany dia ratsy mandrakariva.

Tao amin'ny Saha Edena (Gen. 3:1-5; ampitahao amin'ny Apôk. 12:9), dia niseho tamin'i Eva tamin'ny endriky ny menarana manintona sy mahaliana, izay afaka niteny tahaka ny olombelona i Satana. Nesorin'i Satana tamin'ny tontolon-keviny voalohany ny tenin'Andriamanitra, ary nataony ankapobeny ny hevitr'ilay fandrarana, avy eo, nohazavainy tamin'ny fomba feno fitaka izany.

Rehefa nentin'ny Fanahy Masina tany an'efitra i Jesôsy (Mat. 4:1-11; Lio. 4:1-13), dia "niseho Taminy toy ny anjelin'ny mazava tany an'efitra nakana fanahy Azy i Satana, mba hamitaka an'i Kristy." — RH, 18 Desamba 1888. Naolan'i Satana ny Sal. 91:11-12 nandritra ny resaka nifanaovany tamin'i Kristy, mba hampisehoana fa hiaro na dia ireo izay minia mampidi-doza ny tenany aza Andriamanitra.

Manamafy ny fisian'ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy ny zava-nitranga tao Edena sy tany an'efitra, ary tafiditra amin'izany ny momba ny fanazavana ny Tenin'Andriamanitra, na ny teny voambara na ny voasoratra. Tokony hanampy antsika izany hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fahatakarantsika tsara ireo andalan-teny ao amin'ny Baiboly, ao anatin'ny tontolon-kevitra misy azy.

Nahoana isika no tsy tokony hiezaka hanatsoaka ny teny tsy ho ao anatin'ny tontolon-kevitra misy azy mba hanohanana ny hevitsika, na marina toy inona aza ny hevitsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (93)
  • November 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal