Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 22 February 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 13:24-27; Gen. 1:31; Ezek. 28:12-19; Isa. 14:12-15; Mat. 4:1-11; Jao. 8:44,45.

Tsianjery:

"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." Gen. 3:15.

Mibahana ao amin'ny fampianaran'ny Baiboly ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'i Kristy sy i Satana. Na sary mivandravandra ao amin'ny Soratra Masina aza ny ady lehibe nifanaovan'Andriamanitra sy ireo anjely izay lavo sy nikomy tamin'Andriamanitra tany an-danitra (Mat. 13:24-30, 37-39; Apôk. 12:7-10), ka efa tsy vaovao amin'ny fivavahana kristianina ankapobeny ny amin'izany, dia maro ireo Kristianina mandà na manao ambanin-javatra ilay lohahevitra manontolo.

Raha ny fomba fijery ara-Baiboly anefa, ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe, izay ifanoheran'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny devoly sy ny anjeliny, dia tsy azo odian-tsy hita satria mandrafitra ny ampahany lehibe amin'ireo fitantarana ao amin'ny Baiboly izany. Na ny Filazantsara efatra fotsiny aza dia efa feno filazana momba ny devoly sy ireo demonia izay manohitra an'Andriamanitra.

Hanombohantsika ity herinandro ity dia hodinihintsika ny fomba mety hamaliana ireto fanontaniana roa manaraka ireto, araka ny voalazan'ireo andininy manan-danja sasany ao amin'ny Baiboly:

  1. Aiza ao amin'ny Soratra Masina no milaza fa misy ady lehibe ifanaovan’Andriamanitra sy i Satana?
  2. Araka ny Soratra Masina, manao ahoana ny toetr'izany ady izany?

*Famerenana ny lesona ny sabata 01 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal