Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 23 August 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 21:1-32, Eks. 22:16-23:33, 2 Mpanj. 19:35, Mat. 5:38-48, Rom. 12:19, Mat. 16:27.

Tsianjery:

"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko." - Eks. 20:22,23.

Tian'Andriamanitra ny hiavahan'ny vahoakany amin'ireo firenena manodidina azy. Tiany haorina ho fikambanan'ny mpino feno fanoloran-tena, izay handeha eo ambanin'ny fitarihany sy ny fahefany izy ireo. Hilefitra eo ambanin'ny lalàny ny rehetra. Nisy mpitsara notendrena hiandraikitra ny fampiharana ny lalàna, ary ny mpisorona no hampianatra izany. Nitana anjara toerana lehibe koa ny ray aman-dreny.

Ao amin'ny kolontsaina rehetra, ny lalàna dia manambara ny firehan-kevitra, ny tanjona kendrena, ny fikasan'ilay mpanao lalana, ary ny toetrany. Ohatra, rehefa namoaka didy ny hamonoana ny zazalahy Hebreo rehetra i Farao, dia nampiseho ny toetrany io lalàna io: toetra ratsy. Raha mamoaka lalana kosa ny mpanjaka fa izay olona 18 taona rehetra ao amin'ny fanjakana dia hahazo fanabeazana ambony maimaim-poana, dia maro no handray izany ho porofon'ny fahalalahan-tanan'ny mpanjaka sy ny faniriany hampandroso ny fireneny.

Manambara ny tenany ny lalàn'Andriamanitra, izany hoe, ny fahatsarany, ny fitiavany, ny fahendreny, ny fahamarinany, ary ny fanoherany ny faharatsiana. Satria masina sy marina ny lalana, dia toy izany koa Andriamanitra. Sady mitondra fiainana be dia be ho antsika ny lalàna, no miaro antsika amin'ny loza sy ny fahavoazana. Ny fanajana an'Andriamanitra sy ny hafa ary ireo soatoavina eo amin'ny fiainana no fototry ny lalàn'Andriamanitra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 30 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal