Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 29 August 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny namakiana ny lalàna tao Sinay", PM, ed. 1985, tt. 296-301.

Satria mbola eo amin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, dia tsy mahagaga raha maratra isika eo amin'ny fiainana, vokatry ny hafetseny sy ny famitahany. Iza amintsika tokoa moa no tsy efa nahatsapa ahatsapa fanaintainana sy sy fahoriana vokatry ny fahotana sy ny maha-eto amin'ity tontolo lavo ity antsika? Indrisy fa anisan'ny fiainantsika izany; kanefa omen'Andriamanitra hery hiatrehana izany isika.

"Handefa fanampiana amin'ny fotoana ilantsika izany indrindra Ilay Mpamonjy sarobidy. Ny dian-tongony no efa nanamasina ny lalana mankany an-danitra. Ny tsilo tsirairay nandratra ny tongotsika dia efa nandratra ny azy koa. Ny hazo fijaliana rehetra asaina iantsorohantsika dia efa nentiny talohantsika. Avelan'ny Tompo hisy ny ady mba hanomana ny fanahintsika ho amin'ny fiadanana. Fizahan-toetra mahamay ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny andro fahoriana; nefa io no fotoana tokony hiandrandran'ny tena mpino tsirairay, ka hahitany amin'ny alalan'ny finoana ny avan'ny teny fikasana manodidina azy." - HM, ed. 1983, t. 659.

AFANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nandritra ny taonjato maro dia sarotra tamin'ny olona ny nahazo an-tsaina fa noroahin'ny Tompo hiala tamin'ny taniny ireo firenena mpanompo sampy ireo, ary mazána aza naringany tanteraka. Mahavaka ny saina tokoa izany. Kanefa fantatsika fa ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy maintsy maneho ny rariny koa; ahoana àry no hanampian'izany antsika hatoky fa na dia tamin'ireny tranga ireny aza, dia ny fitiavany fa tsy ny fahamarinany fotsiny no naseho?

2. Saintsaino ny hoe: taorian'ny tenin'i Jesôsy rehetra momba ny tokony hitiavantsika ny hafa, na dia ny fahavalontsika sy izay mankahala antsika aza, dia hoy Izy amintsika: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra" - Mat. 5:48. Nahoana i Jesôsy no nametraka io didy io taorian'ireo didy hafa notanisainy teo aloha? Inona no lazainy amintsika eto momba ny hevitry ny hoe "tanteraka", kanefa tsy izay ihany fa ny hoe koa: "tanteraka (...) toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra"?

3. Tsara sady masina no fahitan'i Paoly apostoly ny lalàn'Andriamanitra sy ny asany, nefa notoheriny ny fampiasana tafahoatra ny lalana. Inona no tiany ambara amin'ny hoe: "Fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana" - Rôm. 6:14? Amin'ny fomba ahoana avy no mety hitandremantsika ny lalàna amin'ny fomba diso?

4. Inona no maha-samy hafa ny rariny sy ny valifaty? Hevitra roa samy hafa tanteraka ve izy ireo sa fanehoana samy hafa hevitra iray ihany? Ahoana no ahafantarantsika raha fitiavana ny rariny tokoa no ao anatintsika fa tsy faniriana hamaly faty?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal